Ny fanetren-tena

1. smileyah ( 19/06/2013 06:39)
Ny kristianina tsirairay avy dia tokony hitafy ny fanetren-tena mandrakariva. Misy ny fanetren-tena ety ivelany ary misy ilay fanetren-tena ao anaty.
Moa ve ampy ny manana fanetren-tena ety ivelany fotsiny na ny ao anaty fotsiny, sa tokony hiainana izy roa?
Mba te hahafantatra ny hevitrareo @ atao hoe fanetren-tena ivelany sy ao anaty koa aho satria mbola tsy ampy fahalalana.
Misaotra mialoha @ valin-teny.
2. Nehemiah ( 19/06/2013 06:54)
Ny fanetren-tena dia tsy fanambanian-tena hoe "Tsy misy dikany aho". Ny fanetren-tena dia ny fiaingàna avy @ hevitra fa tsara noho ianao ny olona ifampiraharahanao.
3. voromailala ( 19/06/2013 07:12)
Ary hampiako kely ihany koa fa ny fanetren-tena dia ny fampitoviana ny fanajana ny olona rehetra, izany hoe tokony hitovy ny hanajanao ny mpamafa trano, ny tale jeneraly, ny filoha, ny mopera, pasitera satria Andriamanitra tsy manavakavaka.
4. sitlo ( 19/06/2013 11:36)
[IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Rires/srigole.gif[/IMG] Ny kristianina tsirairay avy dia tokony hitafy ny fanetren-tena mandrakariva.

Tena sarotra marina ny lalana. Mba te hanetry tena nefa ny tanjona ho toy ny zanak'Andriamanitra.
5. Miharena ( 19/06/2013 13:12)
Noporofoin'i Jesoa fa tsy misy afa-tsy fanetrentena no tena voninahitra. Ny anatra fototra izay asehoNY amin'ny fiainaNY manontolo dia ny fanafoanana ny tena ary izay ihany no mampseho ny herin'Andriamanitra.

Misy ohatra maro momba io toetra io : izay manetry tena no asandratra... Izay miady ho lohany aminareo no ho mpanompon'izy rehetra... naseho koa io fanentrentena io tamin'ny fotoana niainan'i Nenilava izay niadivany tamin'ny dragona : Mandady sy mandohalika dia resy ny fahavalo.

Izany hoe tsy ny fanehoana ny maha-ianao anao fa fanehoana fa herin'Andriamanitra irery ihany no anananao. Izay no fanetrentena ary io dia manome ny atao hoe FAMPIRAISANA raha ny fahalalako azy.
6. sitlo ( 19/06/2013 15:58)
Mila mahay miaro tena fa tsy mitsikasikasina amin'ny tany izany dia mieritreritra fa ho asandratra any aoriana any.
Toy ireo tantsaha sinoa taloha, tsy manafika nefa tsy manaiky hotafihina.
Ratsy ny manetry tena. Ianao ihany ve no manetry anao? Mandady ho andevo va tsy ho lasa andevo?
Fa ratsy ihany koa ny manandra-tena.
Miaina tsotra tsy misy na inona na inona no mety. Fa efa nivoaka teto moa ny hoe, ho tahaka ny biby ve izany? Ny olona mantsy mieritreritra fa ambony noho ny biby.
7. smileyah ( 20/06/2013 12:18)
Misaotra anareo izay namaly ny fanontaniana.
Fa hatramin'izao aloha dia mbola tsy nahazo valiny mahafa-po aho .
Ny fanontaniana mipetraka mantsy dia hoe inona ny fanetren-tena ety ivelany fotsiny, ary inona ny fanetren-tena ao anaty? Moa ve tsy maintsy iainana izy roa ireo ho an'ny kristianina sa ahoana? Misaotra mialoha @ valin-teny.
8. sitlo ( 20/06/2013 15:23)
Inona aloha ilay tanjona? Izay vao afaka manazava kokoa fa mandany andro fotsiny.

Raha ny fahazoako ny fanontaniana ito aoriana mantsy dia ho an'ny kristianina. Izany hoe raha mitetika ho any amin'ny paradisa dia ilaina ve ny fantren-tena? ivelany fotsiny sa anaty mihitsy?

Sa diso io fandraisako azy io?
Raha marina dia averiko ny valiteniko teo aloha, raha ny miketrika ho any amin'ny paradisa no anetrena tena dia efa midika izany fa tsy ao anaty (sicère) izany fa ivelany fotsiny.
Fa raha tsy miketrika ny ho any amin'ny paradisa indray dia io nolazaiko io hoe tsy tsara ny fanetre-tena na aiza na aiza, fa tsy mandra-tena fotsiny koa.
9. endriny ( 20/06/2013 15:50)

sitlo:

Inona aloha ilay tanjona? Izay vao afaka manazava kokoa fa mandany andro fotsiny.

Raha ny fahazoako ny fanontaniana ito aoriana mantsy dia ho an'ny kristianina. Izany hoe raha mitetika ho any amin'ny paradisa dia ilaina ve ny fantren-tena? ivelany fotsiny sa anaty mihitsy?

Sa diso io fandraisako azy io?
Raha marina dia averiko ny valiteniko teo aloha, raha ny miketrika ho any amin'ny paradisa no anetrena tena dia efa midika izany fa tsy ao anaty (sicère) izany fa ivelany fotsiny.
Fa raha tsy miketrika ny ho any amin'ny paradisa indray dia io nolazaiko io hoe tsy tsara ny fanetre-tena na aiza na aiza, fa tsy mandra-tena fotsiny koa.


Ianao asainy manetry tena dia amin'izay izy rehetra mpananatra anao hanetry tena no ambony, ka rehefa mandalo izy dia miondrika ianao, ary mandrotsaka rakitra... Dia omeny tsodrano, amin'ny anaran'ny ray sy ny zanaka ary fanahy masina, amen...
10. smileyah ( 21/06/2013 05:43)
Stilo>> Misaotra @ fanetren-tenanao namaly.
Endriny>> Misaotra nandray anjara na dia tsy namaly ny fanontaniana aza.
11. voromailala ( 21/06/2013 09:00)

smileyah:

Stilo>> Misaotra @ fanetren-tenanao namaly.
Endriny>> Misaotra nandray anjara na dia tsy namaly ny fanontaniana aza.

Manomboka voavaly izany ilay fanontaniana satria ilay nataon'i Stilo no hatao hoe fanetrentena?
12. endriny ( 21/06/2013 11:03)
Ny vahoaka asainy manetry tena, fa ry zareo "HAMASININA" dia avy eo ASANDRATRA, amasinina ho pretra dia asandratra ho eveka... Etsetra...

Dia raisiny ny baiboly dia ampifanandrifiany amin'ny fanoharana hoe ianao ohariny amin'ny ondry roahina, ary izy mpiandry ondry tsara.

Dia iny tokoa ianao, ilay mbola tsy nahita ondry niseronina fa mino fa ianao zanak'ondry, dia roahina ankavia, ankavanana.... Aza manoto mpitondra napetrakay... Hany ka na manota aza ny lehibe dia angathiny famelan-keloia fotsiny dia ca va hoy ilay vazaha.... Ilay ondry tsy afaka miteny fa dia tena ondry....

Ilay ondry anefa raha vao mahita soritra ny tsy mety atao aminy dia mahazo ratsa-kitay: " izay tsy nanota taminareo no aoka hitora-bato azy" Dia mangina fa ondry...

Amin'ny maha ondry ny tena dia tsy maintsy mivoaka maraina ny vala dia mirao-bilona, fa ny mpiandry ondry miandry ondry mody hariva dia mitery ronono dia mivarotra zanak'ondry, dia mivarotra ondry maty , fa izay no fidiram-bolany sy loharanon-karenany....
13. bor2lais ( 21/06/2013 11:56)
smileyah:

Ny kristianina tsirairay avy dia tokony hitafy ny fanetren-tena mandrakariva. Misy ny fanetren-tena ety ivelany ary misy ilay fanetren-tena ao anaty.
Moa ve ampy ny manana fanetren-tena ety ivelany fotsiny na ny ao anaty fotsiny, sa tokony hiainana izy roa?

Izaho aloha tsy mahalala ny fisian'ireo toetra ivelany sy anatiny ireo, saingy raha tena misy tokoa ireo, amiko dia tokony iseho na hita taratra mandrakariva ety ivelany ny ao anaty : mifandray izany ireo amiko, izany hoe ny ao anaty no manome ny eo ivelany ! :-)
Ny fanontanina mba tiako apetraka amintsika : mifanohitra ve ny "zèle" sy ny "humilité" sa afaka miaraka tsara ? :-)
14. 5laody ( 22/06/2013 11:53)
salama ô,
bor2lais:


mifanohitra ve ny "zèle" sy ny "humilité" sa afaka miaraka tsara ? :-)


Tsy ahianao ho lasa servilité ve raha tafaraka ireo?

amiko raha mahatanty mampihatra ilay humilité amin'ny tena, tokony ho fantatra ny vokany amin'ny olona izay hiandraiketanao na soloinao tena sy ny hevitr'izy ireo.

Ohatra: Misy asa nekenao tamin'ny lehibenao fa ny ekipanao no hanao azy nohon'ny fanetren-tenanao.
15. bor2lais ( 22/06/2013 13:21)
"Devoir" indray amiko io lazainao io ry 5lôdy fa tsy "humilité". Raha ny fahazoako ity faharoa mantsy dia "tsy dedadedaka" hoy ny fiteny no dikany, sa ahoana ? :-)
16. Miharena ( 24/06/2013 10:04)
Mbola tsy voavaly izany ny fanontanian'ny namana Smileyah raha zohina ilay famosahan-kevitry ny tsirairay.

Ka raha izany, ahoana indray no tena tian'ny namana Smileyah hitondrana ilay lohaheviny?
17. TiaahyJesosy ( 07/08/2013 12:40)
Miarahaba anareo namana rehetra,
Lohahvt tsara tokoa ary nefa tena sarotra ianarana ny fanetren-tena raha olona tsy mbola miaina ao anatin'izany. Voalohany aloha dia toetra ny atao hoe fanetren-tena ary misy tokoa ny atao hoe fanetren-tena ivelany na fausse modestie no ahafantarantsika azy. Ireny dia ireo olona mody manetry tena amin'ny alàlan'ny fihetsika hita maso. Fa ny tena fanetren-tena dia miainga avy ao anaty. Tsy toetra ambolimbolena fa tena iainana ary tsy amboarimboarina fa tena miainga avy ao anatin'ny olona iray. Ny olona manana ny fanetren-tena dia ny olona tsy mila deradera, tsy mora tezitra fa mahatsindry fo amin'ny fanalam-baraka maro samihafa, ny olona tony mandrakariva, ny olona faly amin'ny fony rehefa misondrotra ny hafa, ny olona vonona hanampy sy hanondrotra ny manodidina azy ... Tena maro ny toetra mamaritra ny atao hoe fanetren-tena. Ary tsy izay olona rehetra milaza am-bava hoe manetry tena dia azo lazaina ho mitafy io toetra tsara io daholo.
Manaraka izany, ny olona manetry dia olona mitsiky lalandava ka tsy mba hohitanao aminy mihitsy izany hoe mizara ny mavesatra mianjady aminy izany amin'ny olona hafa fa ny mahafaly azy dia ny mandray ny olan'ny manodidina ka miezaka mamaha izany. Fanampiny koa, ny olona manetry tena dia tsy tia tena fa manana fitiavana atolotra ny hafa foana...
Raha hotanisaina ny fanetren-tena dia tena ho lava tokoa fa santionany ireo fa na manana tanjona ny ho any am-paradisa ianao na tsia dia tsara foana ny manana fanetren-tena. Ary marina tokoa fa ny fanetren-tena dia tsy hoe maniva tena akory na manambany tena fa manaja tena.
Tena toetra ankasitrahan'Andriamanitra ny fanetren-tena satria noho ny fanetren-tenan'i Jesoa Kristy Tompo no nahafahany nisedra ny zavatra mafy rehetra nitranga teo amin'ny fiainany ka nahatonga Azy nahatanteraka ny sitrapon'Andriamanitra Ray tamin'ny nanolorany ny tenany hohombohana tamin'ny hazo fijaliana. Ary noho izany no nanandratan' Andriamanitra Azy ho Lohany ambonin'ny zavatra rehetra. Ary mbola hanandratan' Andriamanitra izay rehetra tena manana io toetra io araka ny teniny hoe "izay manetry tena no asandratra, ary izay manandra-tena no aetry". Maro ny olona izay mody manetry tena satria tiany hiatraika amin'ny fiainany ilay teny hoe "ASANDRATRA" ary dia mampalaelo fa izy tenany ihany no manandratra azy eo dia lazainy fa Andriamanitra no manao izany aminy satria mbola eo ihany ilay fausse modestie voalaza etsy ambony.
Tsy tokony asiana fepetra (condition) ny fananana io toetra io fa mila ampiharina amin'ny fiainana andavanandro, amin'ny olona rehetra, amin'ny toerana rehetra, amin'ny fotoana rehetra ... ary tsy tokony asiana tanjona (but) ihany koa ka hanao hoe hanetry tena aho mba ... Rehefa manetry tena dia manetry tena fotsiny. Ary raha vao jerena ny olona iray avy hatrany dia hita amin'ny toetrany sy ny fihetsiny hoe ity olona ity dia olona feno fanetren-tena na mody manetry tena.
Izay no azo nambara ry namana isany ary angamba izay mamaly ny fanontanian'ny namana
smileyah.
18. TiaahyJesosy ( 13/01/2014 10:41)

bor2lais:

smileyah:

Ny kristianina tsirairay avy dia tokony hitafy ny fanetren-tena mandrakariva. Misy ny fanetren-tena ety ivelany ary misy ilay fanetren-tena ao anaty.
Moa ve ampy ny manana fanetren-tena ety ivelany fotsiny na ny ao anaty fotsiny, sa tokony hiainana izy roa?

Izaho aloha tsy mahalala ny fisian'ireo toetra ivelany sy anatiny ireo, saingy raha tena misy tokoa ireo, amiko dia tokony iseho na hita taratra mandrakariva ety ivelany ny ao anaty : mifandray izany ireo amiko, izany hoe ny ao anaty no manome ny eo ivelany ! :-)
Ny fanontanina mba tiako apetraka amintsika : mifanohitra ve ny "zèle" sy ny "humilité" sa afaka miaraka tsara ? :-)


Marina ny anao ry Smiley ary izay mihitsy no tokony ho izy oe mitaratra ety ivelany ny ao anatiny fa matoa misy ny teny hoe mahay "mihatsaravelatsihy" dia tena misy ny atao hoe fanetren-tena ivelany sy anatiny. Ny olona manana fanetren-tena ivelany dia ireo izay mody maneho izany amin'ny fihetsika ivelany fotsiny. Andeha haka ohatra isika raha ny ao amin'ny Baiboly no resahina. Jereo anie ny Fariseo ê! izy ireo raha teo imason'ny olona na ny mpiara-belona taminy dia tsy nisy toa azy raha fahendrena na hoe fanetren-tena satria dia tena noheverin'ny olona hoe tanteraka mihitsy izy ireo tamin'ny fanarahana an'Andriamanitra, saingy tsy izay ny fahamarinana mikasika azy ireo tamin'Andriamanitra. Ary izay no nahatonga an'i Jesosy Kristy nilaza hoe : ry fasana izay milalotra fotsy, izany hoe raha ivelany dia madio (irreprochable) fa ny tao anatiny dia feno taolam-paty. Saingy nosaronan'izy ireo tamin'ny fihatsarambelatsihiny ny tena toetrany dia tsy fantatry ny olona mihitsy fa Andria-manitra ilay mahalala ny miafina no nahalala izany ary Jesosy Kristy aza mbola nanao azy ireo hoe : ry mpihatsaravelatsihy ...

Ny zèle izay midika hoe jaloux sy ny humilité dia tsy afaka hiaraka na oviana na oviana. Raha olona be fialonana no milaza fa manana fanetren-tena dia tena diso be izany satria ny olona rehefa be fialonana dia tsy mahay mietry izany mihitsy. Ny toetra mialona mantsy dia midika ho tsy fahaizana mankasitraka ny fahasoavana na ny fitahiana azon'ny hafa ary te hitady hevitra foana hisongadinana. Midika koa amin'ny lafiny iray hoe raha misy mahazo ny hafa dia tsy miraharaha (froid) fa toa satry aza ho voa ny manodidina.
Toetra 2 tena mifanipaka ireo.
Angamba azonao tsara ny tiako holazaina ry Smiley.
Dia mandra-pihaona indray ary.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.3293