Na ny anarana hoe Israely sy Jerosalema (ierosalema) aza dia avy eto Madagasikara avokoa

1. endriny ( 11/06/2013 15:30)
Israely dia avy amin'ny tany masina kely no dikany, raha any Atsimo eto Madagasikara io, dia ny faritra Esira, saingy ny tany Esira hely izay lasa hoe Israel dia kelikely kokoa ilay tany tany masina na masira moa izany.

Ny Jerosalema indray izay vakiana hoe ierosalema dia ilay vohitra nitilian'ny zanak'Esira Hely ny tany famboleny oliva sy voaloboka, izay tany lemaka. Ka eo izy no mamentsoventso hoe : ie ro sahalemaka dia niova hoe ierosalema ilay vohitra

Fa tsy hoe ny Malagasy dia avy amin'ny Jiosy fa ny Jiosy no avy amin'ny Malagasy
2. endriny ( 11/06/2013 15:32)
Hadinoko fa na ny teny hoe Jiosy, aza dia avy amin'ny hoe Ihosy
3. Nehemiah ( 12/06/2013 06:53)
Tokony hanoratra roman na diam-penina sarimihetsika ianao
4. pisoonja ( 12/06/2013 08:20)
kay ve i endriny ity ka mpandalina ny finoana e , mahafinaritra ny mahafantatra tantara toy izao
5. endriny ( 12/06/2013 19:20)

pisoonja:

kay ve i endriny ity ka mpandalina ny finoana e , mahafinaritra ny mahafantatra tantara toy izao


Mankalaza
6. mizara ( 13/06/2013 11:37)

endriny:

Israely dia avy amin'ny tany masina kely no dikany, raha any Atsimo eto Madagasikara io, dia ny faritra Esira, saingy ny tany Esira hely izay lasa hoe Israel dia kelikely kokoa ilay tany tany masina na masira moa izany.

Ny Jerosalema indray izay vakiana hoe ierosalema dia ilay vohitra nitilian'ny zanak'Esira Hely ny tany famboleny oliva sy voaloboka, izay tany lemaka. Ka eo izy no mamentsoventso hoe : ie ro sahalemaka dia niova hoe ierosalema ilay vohitra

Fa tsy hoe ny Malagasy dia avy amin'ny Jiosy fa ny Jiosy no avy amin'ny Malagasy


Mpianatr'i Professeur Rabi ity namana endriny ity!

i Professeur Rabi dia manampahaizana nianatra tany Amerika tany, ka rehefa vita ny fianarany dia namoaka lahatsoratra sy boky mitantara ny tantaran'i Madagasikara sy ny fifandraisany amin'i Israely izy. Ao anatin'ny fampianaran'i Professeur Rabi ny tokony hanajana ny Sabata andro fahafito, saingy tsy mila mandeha any am-piangonana fa mijanona ao an-trano fotsiny ihany, mampianatra ny tsy fihinanana kisoa koa ny Pr Rabi ary mandà ankitsirano ny fivavahana Kristiana nolovaina avy amin'ny Israely, fa ny malagasy hono efa nahalala an'i Zanahary talohan'ny Jiosy.

Koa aza gaga isika raha misy fanaratsiana fiangonana sy finoana ataon'ny namana endriny fa izay no fampianarana nomena azy ka tsy omena tsiny izy.
7. milamm ( 13/06/2013 11:53)
salama jiaby, tsy maharesy lahatra anay ty resaka ty fampitoviana teny mifanandrify fotsiny tsy ampy fanadihadiana ifotony sy porofo mivaingana na fikarohana akademika iraisampirenena resaka mampatory mitsangana fotsiny e
8. endriny ( 13/06/2013 15:32)
Mba manala fotsiny aho dia mizara izay noforoniko sao tsy misy mahalala mantsy... ahahahha

Samy mba mamorona e,
9. Sabatra-2-Lela ( 25/04/2016 10:10)
Ny antony tsy mampandroso ny malagasy voalohany indrindra de satria tsy fantany tsara ny tena fihaviany.
Faha2 manarak'izany : ny vahiny no manoratra ny tantarany fa tsy tena gasy toa an'i Grand Didier, Guillaume sy ny karazany izay milaza fa avy any indonesie ny malagasy (mametra-panontaniana).
Faha3 raha misy gasy mikaroka tahaka an'i Professeur Rabi momba ny fihaviantsika de atao tsinontsinona, ts hajaina, ts raharahiana satria ny gasy ory hava-manana. Eto tsy misy sahala amin'ny Che Guevara tena tia tanindrazana izany, ary rah misy aza d sakanana mba tsy ipoitra.
Fa lazaiko anareo marina de marina tokoa, ny olona mitondra fahamarinana tsy mirahrah an'izay mety ataon'ny olona aminy, na misy mihaino izy na tsy misy, na be aza ny tsy tia, ny fahamarinana tsy maintsy lazaina, ary efa nilatsaka avy any an-danitra io fahamarinana io amin'izao fotoana fa vitsy ny mahita azy, satria izay no voasoratra hoe vitsy ny mahita azy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5128