Aza tonga dia mitsara sahala amin'izany aloha ianao namana Rabefou.
Tsy fantatra aloha izay tena loharanom-bola nampanankarena tampoka azy vetivety na ilay sekoly tokoa na hafa.
Aza adino koa nefa fa na atao hoe avy amin'ny sekoly tokoa ary no nahazoany vola sy harena, azo raisina ho fanomezam-pahasoavana avy amin'ny Tompo koa anie izany namana e
Fa ny ahafantarana azy dia tsotra : lasa nanandra-tena ve ilay olona rehefa nisy ny vola amin-karena sa nanandratra ny Tompo?
tena marina ny voalazanao namana Leva 2, fa ilay iray mba tsinjoko raha nandalo aho dia ny fananan'ilay sekoly no ripaka tsikelikely nefa tsy misy fihavaozana sy fanavaozana fa mbola ny mpianatra ihany no terena ankolaka hanao hetsika isan-karazany hamenoana ny banga amin'ny vola tsy ampy. tsy tohizako lava be fa manjary mivadika fanaratsiana olona. misaotra anao. Ho tahian'ny Tompo Jesoa