Fifidianana tandrametaka indray ve sanatria?
1. hery
(
05/04/2013 04:29)
Hiroso amin'ny fifidianana izany isika, tonga ihany ilay fotoana nodradrain'ny sasany teto amin'ny serasera hoe vitao haingana, vitao mora, fifidianana mora.
Toa izao no nolazain'ny kandidà iray efa vonona ny hametraka dossier izay tokony misokatra androany no hanaovana izany, dia i Patrick Raharimanana ao amin'ny Vitatsika io.
Misy fanazavana misimisy nataony moa ao amin'ny vaovaon'ny MaTV
Ka raha ny fahitako azy dia fifidianana tandrametaka fotsiny ity tsy maintsy hatao ity. Fifidianana tery vay manta. Satria tapi-dalan-kaleha ny tetezamita dia tsy maintsy hanao fifidianana na ho any na tsy ho any. Izy ireo no tompon'andraikitra voalohany amin'izay mety ho voka-dratsin'io fifidianana io. Raha fifidianana karakaraina toa izao mantsy, raha tsy hoe misy ny fahagagana, dia tsy maintsy hisy handà indray ny vokatra, dia hisy hanongana indray izay lany eo, dia tetezamita indray.
Tsy hoe alahelon'ny tongolon'i Ejipta fa raha tsy nisy fanonganam-panjakana izao dia efa nizotra tamin'ny fifidianana araka ny tokony ho izy isika tamin'ity taona ity. Fifidianana karakarain'ny fanjakana izay lany mandat naturel. Fifidianana izay tohanan'ny firaisam-be Afrikana sy ny Vondrona iraisam-pirenena. Fifidianana izay azo kianina mazava raha misy vokatra tsy mety. Saingy efa tsy izany moa amin'izao fa efa amin'ny fifidianana "manara-penitra".
Koa samia mizaka ny vokany e.
Toa izao no nolazain'ny kandidà iray efa vonona ny hametraka dossier izay tokony misokatra androany no hanaovana izany, dia i Patrick Raharimanana ao amin'ny Vitatsika io.
Patrick Raharimanana:
"Zoma faran'ny herin'andro. 8 ora sisa hiasana dia tonga ny fotoana hametrahana ny antotataratasy filatsahankofidiana Filoham-pirenena.
Nefa ny lalàna fampiharana (décret d'application) tsy misy.
Tokony hanao filazam-panana ny candidat, tsy misy lalàna mamoaka ny formulaire.
Tokony hanome ny sary sy soratra amin'ny bulletin. Tsy misy ny toromarika.
Tokony hanome certificat fa tsy hananan'ny fanjakana vola ary voaloha daholo ny hetra. Tsy misy ambara aloha hatreto ny Direction des impôts.
Tokony andoha caution. Tsy misy resaka ny Tresor.
Atao ankamehina toy ny nanaovana ny fihanihanana Cour speciale électorale omaly indray ve ? Mety ho diso aho, fa mba misy nahita ny conseil des ministres nanendry ireo
membres Cour Spéciale électorale ireo ve?"
Misy fanazavana misimisy nataony moa ao amin'ny vaovaon'ny MaTV
Ka raha ny fahitako azy dia fifidianana tandrametaka fotsiny ity tsy maintsy hatao ity. Fifidianana tery vay manta. Satria tapi-dalan-kaleha ny tetezamita dia tsy maintsy hanao fifidianana na ho any na tsy ho any. Izy ireo no tompon'andraikitra voalohany amin'izay mety ho voka-dratsin'io fifidianana io. Raha fifidianana karakaraina toa izao mantsy, raha tsy hoe misy ny fahagagana, dia tsy maintsy hisy handà indray ny vokatra, dia hisy hanongana indray izay lany eo, dia tetezamita indray.
Tsy hoe alahelon'ny tongolon'i Ejipta fa raha tsy nisy fanonganam-panjakana izao dia efa nizotra tamin'ny fifidianana araka ny tokony ho izy isika tamin'ity taona ity. Fifidianana karakarain'ny fanjakana izay lany mandat naturel. Fifidianana izay tohanan'ny firaisam-be Afrikana sy ny Vondrona iraisam-pirenena. Fifidianana izay azo kianina mazava raha misy vokatra tsy mety. Saingy efa tsy izany moa amin'izao fa efa amin'ny fifidianana "manara-penitra".
Koa samia mizaka ny vokany e.
novalian'i hadji ny 13/04/2013 08:29
2. nilex
(
05/04/2013 05:50)
Ka manahirana be nge ity fitondrana ity e,tsy fantatra mihintsy izay tena tanjondry zalahy fa dia ahodikodiny eo ilay izy e.Hita mihintsy hoe tsy tiandry zalahy ho vita ity tetezamita ity.
Eo nge izaho mino fa misy miketrika fangalaram-bato goavana ao fa raha dinihina ireto olona izay voalaza sy voatonontonona ho candidat ny tgv toa olona tsy dia misy antenaina daholo.Tsy misy mahafantatra akory ireny ka tsy hisy hifidy akory.

3. ravatorano
(
06/04/2013 10:23)
marina ny voalazan Ingahy Patrick Raharimanana io ary mahagaga mihitsy satria ohatran'ny hoe mbola tsi nisy nanao fifidianana ka nitakiana ireo antontantaratasy ireo taloha,ary ny taratasim panjakana mihitsy no tenna mbola tsy vonona sa kosa v d hilaza indray zareo hoe aza taitra fa efa eo ampikarakarana aza izahay izao ary vetivety io dia ho vita.Ny fifidianana anefa ity terena mihitsy ny hahavita azy satria raha tsy misy fifidianana amin ity taona ity d mety amin'ny 2020 indray vao hisy mpamatsy vola eto ka maninona moa izany raha atao tetezamita hatramin'ny 2020 mihitsy hahahahahahhahah ! sa za no ketrina amlizany hihihih
5. hery
(
06/04/2013 16:49)
Izay no tsy nanonganako fanjakana :-)
Tsy te ho responsable am'zavatra ohatra an'izao.
Tsy te ho responsable am'zavatra ohatra an'izao.
6. bazylou
(
06/04/2013 16:51)
lany amin'ny fomba naturel hon nefa i le8 aza nangala bato. dia hoe eken'ny oua sy ny vondrona iraisam pirenena..
iza koa no iraharaha izay vondrona iraisam pirenena lany daty io.
Tsia , tsy mila ireo ny any mada e.
beeeuurk
iza koa no iraharaha izay vondrona iraisam pirenena lany daty io.
Tsia , tsy mila ireo ny any mada e.
beeeuurk