Nitandrina SABATA ve sa ALAHADY ireo Martiora?
1. tsitialainga
(
28/03/2013 07:20)
Araka ny voalazan'ny raki-tsoratra sasan-tsasany toy ny iray @ ireny mitondra ny loha-teny hoe "NY MARTIORA MALAGASY" nosoratan-dRABARY Mpitandrina tao Avaratrandohalo M.P.F, pejy faha-89, Toko XXI, mikasika ny tantaran-dRAFARALAHY ANDRIAMAZOTO dia mahalasa saina ihany fa vao nandika SABATA hono izy dia nisy vay fito (7) niara-niforona t@ tenany.
Mba anehoy hevitra kely hoe ry namana mpisera isany?

novalian'i sitlo ny 28/03/2013 22:27
2. hery
(
28/03/2013 08:01)
Fa inona no nolazainy tao fa izahay tsy namaky?
Izany hoe nisy stigmates izany izy?
Izy angamba izany no gasy nisy stigmates voalohany. Betsaka ihany no efa henoko misy an'io fery fito io. http://fr.wikipedia.org/wiki/Stigmates

3. didi10
(
28/03/2013 08:29)
tsitialainga:
Araka ny voalazan'ny raki-tsoratra sasan-tsasany toy ny iray @ ireny mitondra ny loha-teny hoe "NY MARTIORA MALAGASY" nosoratan-dRABARY Mpitandrina tao Avaratrandohalo M.P.F, pejy faha-89, Toko XXI, mikasika ny tantaran-dRAFARALAHY ANDRIAMAZOTO dia mahalasa saina ihany fa vao nandika SABATA hono izy dia nisy vay fito (7) niara-niforona t@ tenany.
Mba anehoy hevitra kely hoe ry namana mpisera isany?
Mety Sabata alahady angamba no tiany lazaina fa araka ny fahafantarako azy dia tsy nisy misionnera sabatista tamin'izany taon-jato izany, raha tsy hoe nandinika ny Baiboly izy ka lasa nitandrina ny sabata tena izy ka izay no anisan'ny namonoana azy! :-)
4. sitlo
(
28/03/2013 22:27)
didi10> tsara kosa angamba aloha ny manao fikarohana kely vao mamaly!
tsitialainga> izaho mino fa raha misy ny placebo dia misy ny "placemal". Izany hoe rehefa enjehin'ny eritreriny ny olona iray dia itoeran'ny zavatra ratsy tahaka ny hakamoana... Ary io mety mitohy mitohy ka miafara amin'ny fahasalamana sns
Fa fanontaniana tsotra no apetrako, raha ny tsy nitandremana ny andro sabata 7 no hoe nahatonga azy hisy vay fito. Dia nahoana Ranavalona nahatonga izany no tsy tena feno vay be dia be?
Ny valiteniko dia hoe, satria Ranavalona tsy nenjehin'ny eritreriny ka afaka nikarakara tena. Fa Rafaralahy Andriamazoto dia nenjehin'ny eritreriny ka very fanahy mbola velona.