Mampianatra tany fisaka ve ny Baiboly

1. Nehemiah ( 16/03/2013 08:24)
Angamba tsy misy olona tia ny antsoina hoe "mpandala ny tany fisaka", nefa betsaka ny olona mieritreritra fa nampianatra ny Fiangonana t@ andro fahiny hoe fisaka ny tany , na dia tsy marina aza izany. Noravan'ny mpahay Tantara Jeffrey Burton Russel tanteraka ity angano ity t@ bokiny "Inventing the Flat Earth". Tsy nahita afa-tsy mpanoratra 5 tsy fantatra avy aiza izy tao anatin'ny 1 500 taona voalohan'ny finoana kristiana izay nandà ny Tany ho boribory. Fanampin'izay, mitantara ny mpahay tantaran'ny siansa John Heilbron @ bokiny "The Sun in the Church" fa nanohana ny mpandinika habakabaka ny fiangonana t@ namelany hampiasa ny katedraly anaovany observatoire fandinihana ny masoandro.

Ny Baiboly koa dia manome famantarana vitsivitsy momba ny endriky ny tany. Ny tena fanta-daza @'izany dia ny Is. 40:22. Tsy dia hita taratra loatra izany @'ireo dikany @ teny gasy, fa milaza izao ny version Louis Segond hoe : "C'est lui qui est assis au-dessus du cercle de la terre, Et ceux qui l'habitent sont comme des sauterelles; Il étend les cieux comme une étoffe légère, Il les déploie comme une tente, pour en faire sa demeure." Ilay teny Hebreo "chuwg" izay nadika hoe "cercle" eto dia manambara zavatra boribory tahaky ny baolina kitra raha ny marimarina kokoa.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1899