Azo atao ve ny mampirafy ?

1. 201007jacky ( 09/03/2013 08:02)
Salama aby ehh!

Hono hoy aho ry namako isany ,azo atao ve , hadisoana ve , tsa fahotana ve ny mampirafy ?
Aminahy , ny mampirafy dia ny fanagnana olon-tiana roa miaraka , amina fotoagna iray miaraka , ka ny iray efa taloha , dia ny hafa asisika na tiavina ihany.

Ny hevitso moko de zao : ao amin'ny bible ao de milaza hoe mitiraha , eko maminoa ny tany.
Ny mpanjakan'Imerina Andrianampoinimerina dia nanam-bady 12 be izao , nefa i de nohiverina fa ona tena nalaza sady hendry NEFA nampirafy.Tsa nisy afaka nilaza hoe manota io ona io na manaonao fahatany.
Misy koa ona mpanan-karem-be nefa mampirafy dia tsa magnahy.

Ka moa ve zany ty rah ity arakaraky ny fahifana anagnana na ny harena anagnana na ny fahatahoran'ny ona ona no ahafahana mampirafy sy tsy azo anaovana izany?

MBA VALIO MOA ZAFAD FA HEVITSO IHANY. Az ny tegnako no ariana fa ny teniko no ario lehe misy tsa net na nanafintohina ny tenik.
2. ral_ ( 09/03/2013 16:06)
Salama koa!

Sambatra izay tia mizara, mety io raha tia mizara koa ny vadinao ... tsy marina ny hoe viavy telo lehilahy iray no isantsika olombelona fa mifanahatsahana ihany. Aza matahotra fa tsy haka ny anjaranao aho...
3. hery ( 09/03/2013 16:26)
Maninona tokoa moa rehefa ifanarahana hoe ianao manambady telo, dia ny vadinao koa avelanao hanambady telo. Mety ve?

Raha mety ho an'ny lehilahy mantsy ilay izy dia tokony ho mety ho an'ny vehivavy koa.
4. mirananirina ( 11/03/2013 17:30)
Azo atao ve ny mampiarafy? Toa fanontaniana tsara nefa sarotra valiana! Betsaka ny lafiratsiny! Mampirafy ianao dia tianao ve raha mampirafy anao koa ny vady na sipanao? Ho zakanao ve izany? Hany lafitsaran ny mampirafy dia lafatra ny fiainana sns... Ary tsy mahatsapa fa any ho any dia misy olona marary fo sy mijaly noho izany! Betsaka tokoa ny olona manambady marofahiny na ao anaty baiboly aza misy izany koa
5. Nehemiah ( 12/03/2013 05:36)
T@ andron'Andrianampoinimerina dia tsy nahalala an'Andriamanitra ny olona, ka nandeferan'Andriamanitra ny fotoana nahabado azy ireo (Asa. 17:30), fa @'izao iaraha-mahalala ny Gen. 2:24 : "Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ ny vadiny; ary dia ho nofo iray ihany ireo." ary efa kisarisarin'ny fanambadiana ny fampiarahana, ka ataoko fa tsy tian'Andriamanitra ny fampirafesana (na dia ny voambolana aza mahalaza azy tsara).

Ka asakasak'ianao raha zakanao izay na tsia.
6. 201007jacky ( 12/03/2013 07:36)
Misaotra tam sosokevitra rehetra fa mahafinaritra. Fahalalana ankapobeny ihany iny.
Misaots eh
7. nilex ( 14/03/2013 07:08)
Io mianikina amin'ny toerana sy ny fotokevitra misy anao.Fa raha ny anay krisitanina dia tsy mihintsy ny mampirafy ary tsy misy fanazavana azo ho entina fa diso ny mpampirafy.
Fa raha dinihina tsotra kosa anefa dia midia olona tsy dia matotra sy tia tena fotsiny ny mpampirafy.Mitady ny tonga lafatra izay tsy ho hitany mihintsy ry zareo satria tsy misy io fa ny fahaizana misafidy sy mihonona amin'izay an'ny tena no tena fahendrena lehibe.Ny mampalahelo dia izao,ireny olona mampirafy ireny dia tena tsy mahazaka mihintsy hampirafesina .Tia tena izany.
8. MIANTSATIA ( 14/03/2013 10:58)
salamaby e,
Tsotra be ny valiny. raha nahary an'i Adama Atra d Eva irery ihany no nomeny ho vadiny, sa nisy hafa koa fa izaho no tsy mamaky tsara ? koa noho izany dia fahotana mahafaty ny fapirafesana. btsk ny toko sy andininy ao anaty Baiboly milaza ny fankahalan'Atra ny fapirafesana, ny famaliany n y olona fahiny nampirafy ny vadiny, ny niafaran'ny zaza azo tamin'ny fijangajangana sns...
ho fehiny dia fahotana lehibe indrindra sy halan'Atra indrindra ny fampirafesana.
9. hery ( 14/03/2013 11:53)
Raha ara-baiboly aloha dia nampirafy ny olon'Andriamanitra (Abrahama, Davida, Salomona sns)... nefa izy ireo tokony nahalala hoe lahy iray sy vavy iray. Ka angamba tsy dia any loatra ny olana fa hoe Fitiavana ve no ateraky ny fampirafesana sa fifandrafesana sy ady?

10. Nehemiah ( 14/03/2013 12:27)
Tsy ianao ihany moa no niteny hoe tokony jerena akaiky ny kolon-tsaina sy ny andro nivelomany ?

F'angaha nampirafy i Josefa ?
11. MIANTSATIA ( 14/03/2013 12:38)
Na talou na akehitriny, refa manota dia manota, satri tsisy ota talou sy ota zao, fa manota no anarana iombonana. noho izany dia manota ny mpijangajanga sy mpampirafy.
12. 5laody ( 23/03/2013 16:08)
Rehefa samy mahatanty daholo dia tsisy olana e. lol

fa ny tena mampihomehy dia ity,
- fa maninona ianareo no nisaraka?
-ka izy nampirafy dia tsy tantiko
-ary ianao maninona no mampirafy
-ka amin'izay tsy mba irery aho raha misaraka amiko izy.
13. hadji ( 14/05/2013 08:40)
FAMPIRAFESANA VE? andramo fa hitanao fa hizara ny ranon'ainanao amin'ny isan'ny sipanao dia mividiana dinamic rehefa tonga ny titulaire
14. niaina07 ( 17/07/2013 15:22)
slt.enao angamba anisan ireny olona tia filan ny nofo reny;fa ny ahy dia zao:rehefa manao firaisana amin ny olona tsy vadinao ianao dia fijangajangana avy hatrany izany araky ny voalazan ny baiboly.tandremo fa ratsy ny hevitrao
15. niaina07 ( 17/07/2013 15:23)
slt.enao angamba anisan ireny olona tia filan ny nofo reny;fa ny ahy dia zao:rehefa manao firaisana amin ny olona tsy vadinao ianao dia fijangajangana avy hatrany izany araky ny voalazan ny baiboly.tandremo fa ratsy ny hevitrao
16. nilex ( 19/07/2013 05:54)
Marina tsy misy ady hevitra ny anao ra namana fa saingy tsy tian'ny sasany ny mihaino izany satria mamely mafy azy sady manenjika azy.Raha olona tsy mihiditra am-piangonana indray moa ny ankilany dia tsy olana fa raha vao miditra kosa dia efa meloka eo anatrehan'Atra izay.
17. mpisotrtoaka ( 28/04/2014 10:23)
hahahahahahahaha ! Resaka mahamamo noho ny toaka ity ! Ratsy ny mampirafy ! Izay no valiny fa aza mtady excuse bdb eo daholo e ! Rf izay d izay ! Fa mis manao d mis ts manao ! Ny ratsy koa anefa ts voatery ts hisy sahy hijabaka aminy !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6328