Fa tsy efa mazava be ve ao anaty ny tondrozotra fa anjaran'ny CENIT sy ny teknisianin'ny ONU no manapaka ny tetiandron'ny fifidianana e.Mbola mitabatataba indray ny lava sanga nefa ny tondrozotra mba voadika amin'ny teny gasy ihany fa fantatra mantsy fa ny teny anglisy tsy ainy.
Sao heveriny fa toy ny sonia tany Maputo indray ary izy ity ka hoe hivadihana.Tsy vendrana daholo akory ny olona.Diso kajy tanteraka mantsy ry zareo indrindra moa fa raha toa ka olona tsy miaraka aminy no ho filoha vaovao eo dia ho rava tanteraka ny tolona e.
Fa nga koa moa azy madagasikara ka ho baikony daholo ny zavatra atao eto.Efa fantatry ny olona koa nge ny paikandry zalahy e mitady mbola hamaritra be eo ihany nefa efa hita fa manimba firenena fotsiny.
Izaho izao tena gaga mihintsy fa mahay zavatra Atra satria efa naniry mafy ny haharava io fitondrana io hatry ny ela ny vahoaka fa tanteraka ihany izany afaka volana vitsy.
Misaotra ny Tompo e.