Ny zanako koa nalefako tany

1. niryna ( 27/09/2012 04:20)
Sendra tafaresaka tamin'ity rangahy iray ity hono ity manamboninahitra iray ka nitaraina mafy fa ny zanany nalefany tany Israely ary rehefa niverina nody dia lasa nivadika ho kristiana
Ny ahy koa hoy ity iray nalefako tany ka inona hoy hianao no nitranga fa nivadika kristiana koa izy.Asainy mibebaka hono izahay,asaina mandray an'izany kristy izany hono,lazainy koa hoe fa izy irery ihany koa no lalana mankany amin'ny ray fa tsy misy afa-tsy izy irery ihany.
Inona ary hoy ity voalohany no ataontsika? Andao ary angataka amin'Andriamanitra isika fa sao mba misy azoNy atao.
Andriamanitra o,ampio izahay,vonjeo izahay fa nivadika ho kristiana daholo ny zanakay izay nalefanay tany Israely.Fa inona re no loza mahazo anay ity e? Ampio izahay Andriamanitra o!
Nihaino azy roa lahy tsara tokoa Andriamanitra ,toy Izy mihaino ny vavaka ataontsika ao am-po na tora-po.Inona tokoa moa izany atao hoe mivavaka fa tsy miresaka amiNy toy isika miresaka amin'ny olona?
Dia namaly azy ireo Andriamanitra tamin'ny feo malefaka hoe: Ny Zanako koa nalefako tany.
novalian'i hadji ny 01/10/2012 05:17
2. didi10 ( 27/09/2012 06:30)

Dia namaly azy ireo Andriamanitra tamin'ny feo malefaka hoe: Ny Zanako koa nalefako tany.


Ohatry ny blagy izany no fahazoako ilay tantara.
Very hevitra koa ve izany Andriamanitra fa ny zanany koa aza lasa Kristiana fa nalefany tany?
3. Lars ( 27/09/2012 07:00)
Angano,angano,arira,arira
4. hadji ( 01/10/2012 05:17)
ianareo mpitantara izahay mpihaino
5. hadji ( 01/10/2012 05:17)
ianareo mpitantara izahay mpihaino
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.169