vongany fotsiny io e!

1. pulm ( 28/06/2012 10:32)
Ay ve ka tena marina le hiran' i Redy Metaly iny hoe:" vongany fotsiny io e! fa ny ao anatiny pokaty, manao satroka pô! de mitomany...." Mampalahely ny zava-misy aiza hatrami'ny tany no misy hoe: misy dahalo eto @ firenena dia anafarana MIARAMILA FIRANITSAY ande anafika an'i Remenabila, fa aninona fotsiny ireo miaramilantsika? nefa vao avy nanao demositrasiao teny Mahamasina ny 26? sa ve oe misy olona mitana basy dia tsy sahy? fa raha ny vahoaka maneo hevitra kely etsy @ kianjan' ny demonikirasia dia atao haza lambo atsany anaty tsena sy ny elakelatrano? (reo ange tsinona tsy atahorana ho ahafaty e! satria tsy manana basy dia atao minan'ny fatiny)
Gaga aho androany nahita ny sarin'ny Remenabila, ay olona kely tsitako izay ataorana azy na dia kely fotsiny aza, iny raha misy tsy ho 45 kilao? nefa atahoran' dry le vongany!
Zany ary ohatra ka misy hanafika i Madagasikara§! dia iza no firenena ho atsoina hiady @panafika? marina ny an-dRavalo taloha ampiandrasina omby ireo vongany ireo satria tsimisy ilaina azy!
Aiza ve ka ny fitaovana aratiraty nefa ny aina tsisy akory, aninona fotsiny ry be galona isany,ary tsy henoheno intsony i MBOMBA a! fa lasa aiza? ita mihitsy oe raintete! nefa te hifidy ny masony eo,nefa ra teo Ambohijatovo angamba io efa rarakopana ny lakirimozena! aiza ry MBAOMBA APESAO NY HERINAO, fa aza manao kivavany fotsiny e!
novalian'i dadabe ny 01/07/2012 18:57
2. cyril ( 28/06/2012 15:06)
Mba nitombo kosa ny nahazo galona, chevalier de l'ordre, chancelier de l'ordre...
Afomanga manginy fotsiny. Baolina kitra, baskety, adin'akoho...
Izany ka 26.
Ny dahalo izao foana no menomenomana. Ny filoha TGV miaraka tamin'ny ekipa 30 izao nao nirevina avy any Brezil nitondra teknolojia vaovao iharovana ny tontolo iainana.
3. dadabe ( 01/07/2012 18:57)
tandremo fa tsy ny hakelin nynremenabila no mikaonty fa ny herin'ny ody gasy nananany ..mahery vaika be
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2781