Ny kolontsaina malagasy sy ny kolontsaina vahiny

1. 201007jacky ( 12/03/2012 15:00)
Amin'izao vanin'andro iainantsika izao dia tsapa sy hita mibaribary ny fahaverezana tsikelikelin'ireo kolontsaintsika malagasy. Izany indrindra no nahatonga anay hanasongadina eto ny kolontsaina malagasy manoloana ny riba vahiny ary hamelabelatra amintsika araka izay hita sy tsapa ary ré fa voasinton'ny riba vahiny ny ankamaroan'ny Malagasy (tanora indrindra).Manoloana izany dia mihamanjavona ny zava-bita malagasy ary dia inoana fa hanjavona tanteraka afaka taona vitsivitsy.
Raha nilaza izahay tetsy ambony dia nanambara fa fahaverezana tsikelikely , nefa mety ho diso ihany izany amin'ny ampahany fa misy ireo kolontsaina mampiavaka ny faritra iray eto Madagasikara no efa tsy hita mihintsy intsony.Ao ireo faritra sasany mbola mampiasa azy , nefa raha tontaina isa izany dia any ho any amin'ny telompolo isan-jaton'ny olona aùmin'io faritra io no mampihatra izany.Azo sary an-tsaina ve ny antony mahatonga izany ? Eny , tsy sary an-tsaina intsony fa efa sary an-tsapa .
Avy aiza ? Nahoana ?
Avy amin'ny fidirana sy fiondanana kolontsaina sy riba vahiny ny fahaverezana , satria io dia sahala amin'ny akanjo vaovao sy efa azo ela na elaela ihany.Rehefa nahazo akanjo vaovao ny olona iray dia azo inoana fa hitombo bebe kokoa ny fitiavany ilay vaovao .Mihen-danja araka izany ny fitiavana ilay voalohany efa tonga taloha teo.Dia tahaka izany hatrany hatrany , izany hoe raha vao misy zava-baovao "nouveauté", dia iny fa manaraka am-bokony ny sasany , hany ka mihavery tsikelikely ny an'ny tena.Lasa mitomany randrana tsy manendrika ny tena.Tsy voadinika akory na mahasoa ve na tsia fa variana fotsiny amin'ny mahafinaritra sy nyb manaitra ny olona fotsiny.Ny fandroana amina dobo tsy fantatra mantsy dia mety hiteraka aretina na mety hiteraka fahafatesana mihintsy , satria tsy fantatra na misy voay ve ao na dobo feno valan'aretina, sns.... fa dia irobohana fotsiny dia tafalatsaka.Na mba ny tokony ho natao aloha mitsapa ny halalin'ny rano.Raha tsy hilaza afa-tsy ny horonan-tsary mihetsika izay mamoa-fady , izay tena mifanohitra amina kolon-tsaina sy riba malagasy mihintsy.Amin'izany fotoana izany dia tsy misy intsony ny mpifady , fa dia miara-mijery ilay horonan-tsary ao daholo.
Eo amin'ny lafiny fomba fitafy ihany koa dia tena mahamenatra mihintsy ny ataon'ny sasany .Zipo manara-pe , tsy mivaky loha aho "je m'en fou" ,kilaoty fohy , borotsaka , ... . Moa ve mihevitra isika fa mety amin'ny maha-izy azy antsika ireny ? Mba nijery fitaratra ihany ve ianao na mba nieritreritra kely sy nanontany tena fa mety sa tsy mety ? Moa ve ireo olona sasany mihomehy anao ka heverinao ho fetezan'ilay zavatra atao ? Asa re....
Tsy milaza anefa izahay fa izay kolontsaina sy fombafomba fanao vahiny dia ratsy avokoa.
Misy amin'ireny kolntsaina vahiny ireny dia tena azo alain-tahaka tokoa ary hita fa mampandroso sy mampivoatra ny an'ny tena ireny raha mahay mampiasa azy.

(Mbola hitohy...)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5356