Ny finoantsika : mahandresy izao tontolo izao

1. niryna ( 08/03/2012 17:51)
[b] Izay rehetra mino fa Jesosy no kristy dia naterak'Andriamanitra ;ary izay rehetra tia Izay niteraka dia tia izay nateraka koa .Izao no ahafantarana fa tia ireo zanan'Andriamanitra isika,dia ny itiavantsika ny didiny.Fa izao no fitiavan'Andriamanitra ,dia ny hitandremantsika ny didiny,sady tsy mavesatra ny didiny. [b]Fa izay rehetra naterak'Andriamanitra dia maharesy izao tontolo izao ;ary ny fandresena izay enti-maharesy izao tontolo izao dia ny finoantsika . . Iza moa no maharesy izao tontolo izao afa-tsy izay mino fa Jesosy no Zanak'Andrimanitra? Izy ilay avy tamin'ny rano sy ny ra .dia Jesosy kristy;tsy tamin'ny rano ihany fa tamin'ny rano sy ny ra.Ary ny Fanahy no manambara satria ny Fanahy no Fahamarinana.Fa misy telo izay manambara dia ny Fanahy sy ny rano ary ny ra ;ary mifanaraka tsara izy telo . I Jaona 5 1-8
Ahoana izany finoana no ahandresentsika izao tontolo izao izany ?
Mba misy afaka manazava ny hoe :Fanahy sy ny rano ary ny ra ve? mitovy ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy masina ve izany sa hafa?
Eto aloha dia misy fiangonana tsy nametraka io I Jaona 5:8 farany io ao anatin'ny baiboliny.
Misaotra mialoha
novalian'i jesuisla ny 14/03/2012 01:05
2. Miharena ( 08/03/2012 20:08)
Raha momba ny Fanahy sy ny rano ary ny rà dia mazava fa manana asa mitovy ireo dia ny fahavelomana. Ny Fanahy no Fototra mandrakizay ary ny rano sy ny ra no marika hita maso azo avy amin'ny zava-mivaingana dia ny nofo nahatogavaNY hanamarina fa IZY ilay FANAHY Fahamarinana.

Ny TRINITE dia ilay Fanahy Fahamarinana, Kristy miseho amin'ny endrika telo RAY, ZANAKA, FANAHY MASINA efa nisy hatrizay ka ho mandrakizay, Fototry ny famoronana rehetra ary ao amin'ny olombelona rehetra araka ny maha-endrik'Andriamanitra azy avy tsy ankanavaka.

Ny mino dia misotro, izany hoe mampiditra ao anaty, ary rehefa izay no heviny dia mazava fa iray lasa mikoriana any amin'ny ra izany rano sotroina izany. Amin'ny ara-panahy dia mazava fa manome TENY fiainana ny finoana. IO ilay SARY marina ary MAZAVA momba an'Andriamanitra Ray Tsitoha entitsika mandresy izao tontolo izao izay fahamaizinana na fahajambana

Inona no mitarika fahajambana? izao manaraka izao no valiny:

3è Testament p259: 21. Ceux qui , dans leur fanatisme religieus, n'attendent dans l'Au-Delà que le châtiment de l'enfer, tant qu'ils conserveront cette croyance, ils forgerons eux-mémes leur enfer, parce que le trouble de leur esprit, bien que plus puissant, ressemble à celui de l'intelligence humaine. 22. Vous M'intérrogez: Maitre, le salut existe-t-il pour ceux-là? Et Moi, de vous répondre: Le salut existe pour tous mais la paix et la lumière ne parviendront à cet esprit que lorsque les rénèbres du trouble auront disparu. ..

Azo vakiana ny tohiny raha liana ianao fa hazavaiNY aminao ao anaty boky izany.

Samy hazavain'ny Tompo isika mianakavy ary samy hazava ao AMINY ka hitondra izany amin'izao tontolo izao.
3. RBNIR ( 09/03/2012 06:10)
Miharena:

3è Testament p259: 21. Ceux qui , dans leur fanatisme religieus, n'attendent dans l'Au-Delà que le châtiment de l'enfer, tant qu'ils conserveront cette croyance, ils forgerons eux-mémes leur enfer, parce que le trouble de leur esprit, bien que plus puissant, ressemble à celui de l'intelligence humaine. 22. Vous M'intérrogez: Maitre, le salut existe-t-il pour ceux-là? Et Moi, de vous répondre: Le salut existe pour tous mais la paix et la lumière ne parviendront à cet esprit que lorsque les rénèbres du trouble auront disparu. ..

Faly miarahaba namana Miharena,
Ilay 3ème hoy aho tsy voasoratra tao amin'ireo 1er sy 2ème ny fihaviany.
Ary raha misy aza tokony tsy hifanohitra amin'ireo 2 voalohany. Ny tanjony dia tokony hitaona ny olona hatahotra an'Andriamanitra ka hanantateraka ny sitrapony.
Miala tsiny aho fa raha ny hafatra nampitainao teto dia toa mifanohitra amin'izay fa toa manome vahana ny fandikandalana rehetra napetrak'Andriamanitra ary mety ho faly sy ho betsaka tokoa ny hanaraka anao nefa mety mahasoa v izany?
Tsarovy mandrakariva ny hafatr'i ny Tompo : « Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra. » (Matio 7:21).

Samy ho tahin'ny Tompo namana,
4. RBNIR ( 09/03/2012 06:38)
niryna:

Ahoana izany finoana no ahandresentsika izao tontolo izao izany ?

Faly miarahaba namana,
Efa nomena antsika ilay tena famaritana ny atao hoe finoana.
«  Ary ny finoana no fahatokiana ny amin'ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita. » (Hebreo 11:1)
Aoka hatoky ary hanantena isika fa tena misy tokoa ilay FIAINANA MANDRAK IZAY nampanantenain'i Jesosy Kristy Tompo isika na dia mbola tsy hitan'ny mason-tsika aza izany.

Izay manana izay finoana izany no manana ilay finoana nananan'i Abrahama namana.

Raha manana io finoana io ianao dia ho resinao avokoa izao tontolo izao satria manomboka eo dia tena "HIKATSAKA" tokoa ilay FIAINANA MANDRAK IZAY ianao ; ary tsy hihemotra na inona na inona fa tokana ny tanjona dia ny ahazoana ilay LOKA SAROBIDY.

Samy ho tahin'ny Tompo namana

5. Miharena ( 09/03/2012 06:51)
Efa miteny izay voalazan'ny 3e Testament ianao RBNIR raha vao milaza hoe tsy izay rehetra manao Amiko hoe Tompoko Tompoko ... (= Fanatisme) fa izay manantanteraka ny Sitrapon'ny Raiko (Miasa Mandresy ny haizina = Le salut existe pour tous mais la paix et la lumière ne parviendront à cet esprit que lorsque les ténèbres du trouble auront disparu. ..)

Diniho tsara ireo tanisa aloha vao mamaly ianao hoe tsy izay niteny io teny ao anaty Baiboly io no niteny ilay voatanisa aty aoriana.

Fantaro tsara ny Tomponao fa aza dia minia mikimpy alohan'ny hizaranao ho an'ny hafa satria mazava ny ady amin'y haizina izay ao anatin"ny tsirairay avy fa tsy misy miady amin'ny rivotra akory.
Fanavotam-panahy amin'ny rariny sy hitsiny izy ity RBNIR fa tsy famonoana fanahy amin'ny fahadisoam-piheverana.
Ny teny hoe "Aoka ho tanteraka aminao noho ny finoanao" dia tsy miova omaly anio ary mandrakizay ary raha mbola tazoninao izay diso dia entinao hatrany io mandra-pahalaninao sy handevonanao ny vokatry ny fahotanao rehetra dia ny fahadisoam-piheverana afafintsika ihany. Io no tsy mampandroso ny fanahy fa manome sakana azy tsy hanatrika ny Tavan'ny Ray.

Raha diso ny fiheverako dia avereno ho ahy, raha marina dia ataovy toy ny voankazo an'ala, ny mamy atelemo, ny mangidy aloavy. Tsoriko fotsiny aloha fa raha tsy nahavaky ny Baiboly iray manotnolo aho tsy hahatakatra izay voambara ao amin'ny 3e Testament fa tsy tanisa izy ity moa fa asa matoa mizara.

Ho ao amintsika anie ny Fanahy Masina hanadio antsika amin'ny fiheveran-diso rehetra. AMEN

6. niryna ( 10/03/2012 20:58)
Miharena:

Inona no mitarika fahajambana? izao manaraka izao no valiny:

3è Testament p259: 21. Ceux qui , dans leur fanatisme religieus, n'attendent dans l'Au-Delà que le châtiment de l'enfer, tant qu'ils conserveront cette croyance, ils forgerons eux-mémes leur enfer, parce que le trouble de leur esprit, bien que plus puissant, ressemble à celui de l'intelligence humaine. 22. Vous M'intérrogez: Maitre, le salut existe-t-il pour ceux-là? Et Moi, de vous répondre: Le salut existe pour tous mais la paix et la lumière ne parviendront à cet esprit que lorsque les rénèbres du trouble auront disparu. ..
mba afaka hazavanao ve e
7. niryna ( 10/03/2012 21:03)

RBNIR:

Faly miarahaba namana Miharena,
Ilay 3ème hoy aho tsy voasoratra tao amin'ireo 1er sy 2ème ny fihaviany.
Ary raha misy aza tokony tsy hifanohitra amin'ireo 2 voalohany. Ny tanjony dia tokony hitaona ny olona hatahotra an'Andriamanitra ka hanantateraka ny sitrapony.
aleloia,misaotra anao nizara.Ity iray vaovao ity anie dia mifanohitra izay voalaza ny ao amin'izy roa e

Miala tsiny aho fa raha ny hafatra nampitainao teto dia toa mifanohitra amin'izay fa toa manome vahana ny fandikandalana rehetra napetrak'Andriamanitra ary mety ho faly sy ho betsaka tokoa ny hanaraka anao nefa mety mahasoa v izany?
izay indrindra mantsy ,eo isika izao.Asesiny hoe jereo ao amin'ny 3e ..rehefa fantatro izao ve fa mifanohitra ny Teny izay nomen'Atra dia mbola hidirako oops

Tsarovy mandrakariva ny hafatr'i ny Tompo : « Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra. » (Matio 7:21).

Samy ho tahin'ny Tompo namana,
misaotra tompoko
8. Miharena ( 10/03/2012 21:29)
Miharena:

Inona no mitarika fahajambana? izao manaraka izao no valiny:

3è Testament p259: 21. Ceux qui , dans leur fanatisme religieux, n'attendent dans l'Au-Delà que le châtiment de l'enfer, tant qu'ils conserveront cette croyance, ils forgerons eux-mémes leur enfer, parce que le trouble de leur esprit, bien que plus puissant, ressemble à celui de l'intelligence humaine. 22. Vous M'intérrogez: Maitre, le salut existe-t-il pour ceux-là? Et Moi, de vous répondre: Le salut existe pour tous mais la paix et la lumière ne parviendront à cet esprit que lorsque les rénèbres du trouble auront disparu. ..

Niryna:

mba afaka hazavanao ve e

Misaotra anao Niryna mitady fanazavana. Efa nolazaiko mazava fa Be Fitiavana Andriamanitra ka tsy hamela na oviana na oviana ny VoariNY ho ringana, na dia iray aza.

Ilay hoe les ténèbres auront disparu dia mazava fa fikasana ary tsy misy mahasakana izany rehefa IZY no miteny.

Ahoana moa no tsy ahafantaran'ny Tompo fa haizina no mangeja ny Fofon'AINY tsy hivelatra sy hitombo araka ny hanantenaNY azy?
Dia ivereno jerena daholo ny fomba fitondran'ny Tompo ny lalana amoahaNY ny olona amin'io geja io dia ho fantatrao ary hazava ianao. Raha sendra tsy hitanao ao anaty Baiboly satria heverinao fa tsy takatra izany Fitiavan'Andriamanitra izany dia manitara kely mamaky izay fanazavana tsotra indrindra avy AMINY.

Ary mazava be anie io teny lazaiNY io hoe raha mbola manaky ianao fa hisy ary misy ny AFOBE dia mazava fa manana izany ao aminao ianao ary mino izany e! Ka aoka hoy IZY ho tanteraka araka ny finoanao dia io efa lazaiNY io no tohiny fa hijalijaly ihany ianao mandram-pahafoana izay nafafinao sy ninoanao nefa tokony tsy misy.

Mety mazava ve? sa mbola maizina?
9. niryna ( 10/03/2012 21:52)

tsotra ny valiny RAISO JESOA HO TOMPO SY MPAMONJINAO
10. Miharena ( 11/03/2012 05:32)
Marina sady tsotra fa raha tsy arahina asa dia maty momoka.

Hazavao tsara hoe amin'ny fomba ahoana izany teny hoe RAISO izany fa aza tenenina fotsiny toy izany ka mahatonga ny olona mbola mitady ny vary hohaniny anio tsy hahafantatra izay tantaraintsika.

Rehefa fantatsika fa mangetaheta dia omena rano, rehefa fantatra fa maizina dia hazavaoina. Rehefa hita diso fomba fandinihina dia atoro tsotra hoe izao no fanaovana azy. Fa raha zarazaraina fotsiny eny ny teny fa tsy mazava amin'ny mpandray dia mandiniha tena aloha sao dia mampiasa teny amin'ny toerana tsy sahaza azy isika na manao kimpantsona fotsiny : poak'aty rehefa tsy eo ny mpampaneno azy.
11. niryna ( 11/03/2012 23:22)
niryna:

Ahoana izany finoana no ahandresentsika izao tontolo izao izany ?
RBNIR:

Faly miarahaba namana,
Efa nomena antsika ilay tena famaritana ny atao hoe finoana.
«  Ary ny finoana no fahatokiana ny amin'ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita. » (Hebreo 11:1)
Aoka hatoky ary hanantena isika fa tena misy tokoa ilay FIAINANA MANDRAK IZAY nampanantenain'i Jesosy Kristy Tompo isika na dia mbola tsy hitan'ny mason-tsika aza izany.
izay indraindra mantsy. Misy ilay fiainana mandrakizay fa ranamana Miharena azy milaza fa tsy misy ny helo,ny satana sy ny asany fa ny eritreritra no mahatonga izany araka ny 3e testament ooops ,hialana tsiny namana Miharena a

Izay manana izay finoana izany no manana ilay finoana nananan'i Abrahama namana.

Raha manana io finoana io ianao dia ho resinao avokoa izao tontolo izao satria manomboka eo dia tena "HIKATSAKA" tokoa ilay FIAINANA MANDRAK IZAY ianao ; ary tsy hihemotra na inona na inona fa tokana ny tanjona dia ny ahazoana ilay LOKA SAROBIDY.

Samy ho tahin'ny Tompo namana
misaotra anao

12. Miharena ( 12/03/2012 02:37)
Niryna:

Fa izay rehetra naterak'Andriamanitra dia maharesy izao tontolo izao ;ary ny fandresena izay enti-maharesy izao tontolo izao dia ny finoantsika

Marina ary tazonina hatramin'ny farany fa naterak'Andriamanitra avokoa ny fanahy rehetra fa ny fifohazany no tsy mitovy ka arahan-tosika izy raha hita fa mbola malemy na mihozongozona. Izay no anton'ny fitoriana.
13. jesuisla ( 14/03/2012 01:05)
HAFATRA AVY AMIN’NY MASINA MARIA VIRIJINY
Voaray avy amin’ny Taranak’I Herzgovine ny 14/08/94
Ry zanako Malalako,
Misaotra anao aho androany amin’ny vavaka ataonareo; satria izany hampitsahatra ny ady mandatsa-drà izay mahafaty olona an’arivony sy fahasimban-javatra maro. Eo akaikinareo mandrakariva aho, amin’ny lanitra hanapotika sy handringana ny ratsy eto an-tany ary koa manafaka olona amin’ny loza tahaka ny ady. Mitory ny fitiavako, ary mivavaka ho anareo amin’Andriamanitra izay mahery indrindra aho.
Mivavaha in-3: ARAHABA RY MARIA, sy in-3 RAINAY IZAY ANY ANIDANITRA. Ity hafatra ity avy any Brésil dia tokony hanenika izao totolo izao. Adika in-21 ity hafatra ity. Alefa amin’olompantatra, fianakaviana, alohan’ny 8 andro, fa ahita fahagagana ianao. Aza heverina ho zava-poana ity hafatra ity.
I CHRISTIEN, naharay ity hafatra ity, novakiany ary nivavaka sy nangataka izy, avy eo nandika azy in-21 isa, valo andro taty aoriana dia nahazo ny Million de Dollard izy.
LAVIA, naharay ity hafatra ity, novakianay ary norovitiny. Nahita fahasahiranana isan’andro teo amin’ny fianakaviany, ary maty no niafarany.
MPIASA BIRAO, nahray ity, adinony izy io. Valo andro taty aoriana dia voaroaka tamin’y asany izy, tadidiny izany taty aoriana, ary najainy ny hafatra. Lasa mpanakarena sy anisan’ny olona malaza indrindra teto an-tany izy. Noho izany aza tsiratsiraina ity hafatra ity raha tsy te hahita fahasahiranana ianao. Nalefa tamiko ity araka ny fiangaviana tamiko dia notohizako ny fampielezana azy. Avy any VENEZUELA ny niaavian’ity hafatra ity.
Atoa BRANAIVO, naharay ity hafatra ity tamin’ny taona 1993, nanohy araka ny fangatahana taminy, sivy andro taty aoriana dia nahazo 55tapitrisa tamin’ny loterie iraisam-pirenena izy.
Atoa GETERE ihany koa, saingy nanadino ny fisian’ity hafatra ity. Indrisy voaroaka tamin’ny asany izy. Kanefa andro vitsivitsy taty aoriana dia sendra nahita ity taratasy nalefa taminy izy, dia nandika in-29. Sivy andro taty aoriana dia nahita asa tsara sy ambony noho ilay teo aloha izy.
Atoa BORI naharay ny hafatra, nandika in-29 ary nanely. Sivy andro taty aoriana dia nisondro-boninahitra teo amin’ny asany izy.
MADAMA izay nahazo ny azy, dia nodorany ka may ny tranony, simba tanteraka, maty ny ray aman-dreniny, ary niditra amponja ny vadiny.
Atoa BUCHILBAN dia nahazo, niangavy ny mpitan-tsoratrany izy handika azy in-29 ary nanely izany. Andro vitsivitsy taty aoriana dia vola 10 tapitrisa de dollard no azony. NOho izany, na inona na inona antony dia tokony hajaina ny hampielezana ity hafatra ity, ary adika in-29, ary alefa amin’ny olona. Afaka sivy andro dia hisy fahagagana hitranga amin’ny fiainanao.
Tsara ary ho tsara vintana ianao, ka ahita fitia avy amin’Andriamanitra sy ny olona. Tsy mila mandefa vola. Ny zavatra hiangaviako anao, aza mitahiry ity taratasy ity na dia ilay dikan-teny nataonao aza dia tokony hiala ao an-tranonao. Ity taratasy ity dia, tsy nataotao foana na dia tsy isan’ireo minmino foana aza, ka dia ezaho hitohy ity taratasy ity.
Misionera iray no nitrangan’ity hafatra sy vavaka avy any Saint Augustin. Afaka sivy andro dia ahita fahagagana lehibe ianao.
VAVAKA
Andriamanitra no nahary ahy, nisy aho satria nisy Andriamanitra. Tsy misy tsy azo aminy. Nomeny ahy ny aina, fitiavana, fifaliana. Izy no namonjy ny fiainako ka tiako hamonjy ny fiainanao koa. Manampy ny olona rehetra izy, tsy manadino ao amiko izy. Saingy izaho no minia tsy mandray azy. Ary mamela ahy izy amin’ny fahotako rehetra. Mihaino izay rehetra mivavaka izy saingy izaho no tsy manampaharetana. Andriamanotra ô! Manomboka izao aho dia hezaka ny hanara-dia Anao. Henoy ny fitarainako. Mitalaho Aminao aho. Haparitako izao vavaka izao mba ho fantatr’izay hadalovany. Nofafanao ny ranomasoko. Ampio aho Andriamaitra o ! Nahary ahy Ianao. Amen !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1574