Ahoana no hahatanteraka izany?
1. ari.malala
(
23/02/2012 08:51)
Miarahaba ny rehetra.
Misy manitikitika ahy ity, samy novangian'ny anjely ihany na i Maria na i Zakaria, samy nilazana zavatra toa impossible eo imason'ny olombelona (i Maria moa virjiny no nilazna hoe hanan-janaka ary i Zakaria efa antitra no nilazana koa hoe hananjanaka) Samy nanontany izy roa tonta hoe ahoana no hahatanteraka izany, koa maninona no rehefa i Maria no nanontany dia ts naninona ny anjely fa nony Zakaria no nanontany d tonga d notsarain'ny anjely fa hoe tsy nino ary voasazy lasa moana?

novalian'i mirananirina ny 29/02/2012 18:11
2. didi10
(
23/02/2012 10:15)
Zakaria lioka 1 18-20
18 Ary hoy Zakaria tamin'ilay anjely: Inona no hahafantarako izany? fa izaho efa antitra, ary efa antitra koa ny vadiko. 19 Ary ilay anjely namaly ka nanao taminy hoe: Izaho no Gabriela, izay mitsangana eo anatrehan'Andriamanitra; ary nirahina hiteny aminao aho ka hilaza aminao izany teny mahafaly izany. 20 Koa, indro ho moana hianao ka tsy hahay miteny ambara-pahatongan'ny andro hisehoan'izany zavatra izany, ho valin'ny tsy ninoanao ny teniko, izay ho tanteraka amin'ny fotoany.
Maria lioka 1 34-37
34 Ary hoy Maria tamin'ilay anjely: Hanao ahoana re no hahatanteraka izany, fa tsy mahalala lahy aho? 35 Ary ilay anjely namaly ka nanao taminy hoe: Ny Fanahy Masina ho tonga ao aminao, ary hisy herin'ny Avo indrindra hanaloka anao; koa ny Masina Izay hateraka dia hatao hoe Zanak'Andriamanitra. 36 Ary, indro, Elizabeta havanao dia efa mitoe-jaza koa, na dia efa antitra aza; ary efa mandray enina izy izao, izay natao hoe momba. 37 Fa tsy hisy tsy ho tanteraka ny teny rehetra ataon'Andriamanitra. 38 Dia hoy Maria: Inty ny ankizivavin'ny Tompo; aoka anie ho tonga amiko araka ny teninao. Dia nandao azy ilay anjely.
Zakaria manontany hoe: Zany ve ho possible? = Tsy finoana
Maria manontany hoe: Amin'ny fomba ahoana? = Finoana

3. bichette
(
23/02/2012 10:47)
Zakaria manontany hoe: Zany ve ho possible? = Tsy finoana
Maria manontany hoe: Amin'ny fomba ahoana? = Finoana
[/quote]
misaotra anao !!!
fanampiny fotsiny, Andriamanitra mahalala ny fond ny tsirairay avy izay tsy takantsika, ka ny hoe maninona i Zakaria no natao moana, Andriamanitra irery ihany no mahalala ny tena antony sy ny ao ampon'ny tsirairay. ;-)
4. bor2lais
(
23/02/2012 14:40)
Ahoana tokoa moa no ilazana fa tsy nino i Zakaria e ?
Araka ny fijeriko azy dia ireto angamba :
- mpisorona izy (olona heverina fa tokony tena manana finoana an'Andriamanitra tokoa)
- eo am-panaovana izany asany izany izy (v.9) no nahita ilay anjely izay nilaza fa
- v.13 "... efa nohenoina ny fangatahanao, ka Elizabeta vadinao dia hiteraka zazalahy aminao ..."
nefa dia io lazain'i Radidi eo ambony io (Lioka 1.18-20) ny tohiny ...
Raha ny tantara no zohina dia azo heverina fa efa ela (nandritra ny "fahatanorany") angamba izy roa no naniry hanan-janaka nefa toa antitra ihany izy ireo fa tsy nisy valim-bavaka hita foana.
Izany hoe tsy nino (intsony) izy fa nohenoin'Andriamanitra ange ny fangatahany !
Ka ilay heverintsika hoe "sazy" (moana) amiko dia toa famerenana ny finoany ihany (fitiavan'Andriamanitra azy) satria tsy mandra-pahafatiny akory izy no moana : izany hoe natao tahaka an'i Tomasy (tsy mino raha tsy mahita) izy hany ka tsy navela hiteniteny intsony (fa mi-méditer mangina ao) izy mandra-pahaterak'i Elizabeta (izany hoe, mandra-pahitany fa marina ny tenin'ilay anjely). Marihina fa tsy natao jamba izy a ! :-)
Mba fomba fijeriko ihany anefa izay ry ari.malala a ! ;-)

5. Ratoa
(
23/02/2012 21:00)
Inona no hahafantarako izany?
Hanao ahoana re no hahatanteraka izany,
Iza no tena tsy mino eto? "Inona no hafantarako" dia midika hoe "Par quoi (inona no) le saurai-je" ary "ahoana no hatanteraka izany" dia midika hoe "comment (ahoana) cela se réalisera-t-il?
?????????????????????
6. LazaDaddy
(
23/02/2012 21:56)
bor2lais:Miombon-kevitra aminao aho.
Ka ilay heverintsika hoe "sazy" (moana) amiko dia toa famerenana ny finoany ihany
Ny fijerin'Andriamanitra tsy mba tahaka ny fijerin'olombelona (ohatra ny tantaran'i Josefa sy ny rahalahiny nihevitra nivarotra azy tany Egipta).
Izay no maha samihafa ny fitondran-tena sy fisainan'ny olona miorim-paka amin'ny Tenin'Andriamanitra sy ireo mbola somary mareforefo ny finoany. Sarotra amin'iretsy farany ny ahalala ny nambaran'i Paoly hoe: "izahay manana ny fisainan'i Kristy"
7. RBNIR
(
24/02/2012 06:08)
bichette:
fanampiny fotsiny, Andriamanitra mahalala ny fond ny tsirairay avy izay tsy takantsika, ka ny hoe maninona i Zakaria no natao moana, Andriamanitra irery ihany no mahalala ny tena antony sy ny ao ampon'ny tsirairay. ;-)
Faly miarahaba ny namana rehetra indray,
Inty valitenin'ny namana bichette ity no hitako fa mamaly ny lohahevitra.
Fa rehefa tena tsy takatra koa anie dia azo raisina ihany koa ireto manaraka ireto e :
« Fa hoy Izy tamin'i Mosesy: Izaho hiantra izay hiantrako, ary hamindra fo amin'izay hamindrako fo (Eks. 33. 19). » (Romana 9:15)
« Koa izay tiany hamindrana fo no amindrany fo, ary izay tiany hohamafìna fo no hamafiny fo. » (Romana 9:18)
Sy ny hoe :
« araka ny voasoratra hoe: Jakoba no tiako, fa Esao no halako (Mal. 1. 2, 3). » (Romana 9:13)
Fa saingy izao : FADIO NY MANDRAFY AN ANDRIAMANITRA AN! Fa iza tokoa moa isika no hahatakatra ny fihevitr'Andriamanitra. Vakio ny tantaran'i Joba fa misy lesona tsara B.
Dia samy ho tahin'ny Tompo daholo indray
8. didi10
(
24/02/2012 09:42)
Ratoa:
Inona no hahafantarako izany?
Hanao ahoana re no hahatanteraka izany,
Iza no tena tsy mino eto? "Inona no hafantarako" dia midika hoe "Par quoi (inona no) le saurai-je" ary "ahoana no hatanteraka izany" dia midika hoe "comment (ahoana) cela se réalisera-t-il?
?????????????????????
Ny hoe inona no hahafantarako izany? dia fanontaniana mitaky porofo = tsy finoana
9. diamondra27
(
26/02/2012 12:04)
didi10:
Ratoa:
Inona no hahafantarako izany?
Hanao ahoana re no hahatanteraka izany,
Iza no tena tsy mino eto? "Inona no hafantarako" dia midika hoe "Par quoi (inona no) le saurai-je" ary "ahoana no hatanteraka izany" dia midika hoe "comment (ahoana) cela se réalisera-t-il?
?????????????????????
Ny hoe inona no hahafantarako izany? dia fanontaniana mitaky porofo = tsy finoana
----------------------------------
fanampiny:
zakaria mitaky famantarana vao mino , vao manaiky
maria tonga dia nanaiky ary niteny oe ahoana ary no ataoko
de indraindray isika refa mivavaka ka tsy mazava tsara ny fangatahantsika de tsy tanteraka izany satria arakaraka izay fangatahantsika no hamalian'Atra azy.
ny famantarana nomen'Atra izany dia hoe : ho moana ianao mandrapahatanteraka izany
11. bor2lais
(
28/02/2012 15:32)
mirananirina:
Ka Marie renin'i Jesoa, de nengarana angamba
Mety ho izay tokoa angamba e ! hihihi
Fa mety azo lazaina koa angamba hoe satria Marie mbola "innocente" fa Zakaria efa "vétéran" e ! :-)
12. bichette
(
29/02/2012 11:25)
bor2lais:
mirananirina:
Ka Marie renin'i Jesoa, de nengarana angamba
Mety ho izay tokoa angamba e ! hihihi
Fa mety azo lazaina koa angamba hoe satria Marie mbola "innocente" fa Zakaria efa "vétéran" e ! :-)
mitandrema ry namana amin'ny zavatra lazaina a ! raha miteny isika hoe miangatra Andriamanitra, tena fahotana be mihitsy izany satria mitsara an'Atra isika, iza moa isika no sahy mi juger an'Atra hoe "miangatra" izy ? : Andriamanitra dia marina ary juste dans son jugement !!!! tanteraka izy, masina izy. koa raha miteny isika hoe niangaran'Atra i Maria, tsy mino ny fahamarinany isika. mila hibebahana izany !!! tsy mifidy olona Izy, tsy manao favoritisme fa manome ny olona araky ny asany ihany.
mba jereo koa ny coté positif ny nahazo an'i zakaria. moana izy fa niverina niteny ary temoignage tamin'ny manodidina azy izy. nandray lesona i Zakaria, lesona nampitombo ny finoany ary indrindra nahitany sy nahatsapany fa "rien n'est impossible a Dieu".
ito misy dessin animé kely momba ilay zakaria mihitsy. dessin animé de la bible mi illustré momba an'i zakaria sy elizabeta, tamin'ny ilay anjely niteny taminy ary tamin'ny izy moana sy niteny indray . ny baiboly mihitsy no natao tantara !
http://www.youtube.com/watch?v=mXUrLWsWYEM saint jean baptiste 1/3
http://www.youtube.com/watch?v=xL5-1v-Osvw 2/3
http://www.youtube.com/watch?v=lRddPHGA7KI&feature=related 3/3
mazotoa
13. bor2lais
(
29/02/2012 12:57)
bichette:
mitandrema ry namana amin'ny zavatra lazaina a !
Oadray ! Miala tsiny be dia be amin'izay tohina ny tenako !
Tsy noheveriko ho hisy handray au 1er degré mantsy ilay izy fa nataoko "H.S" kely entre anay sy mirananirina izay noheveriko ihany koa fa nanao "H.S" au 1er degré ! ;-)
Ny amin'ny hoe "tsy mino ny fahamarinaNY isika, mila hibebahana izany ..." : Izy ihany no tena mahalala ny ao am-po tsy miloatra ka ! ;-)
Averiko indray : miala tsiny amin'ny rehetra tohina ary misaotra tsy nisorona nanitsy ! :-)
14. bichette
(
29/02/2012 16:37)

tsy tohina mihitsy ka ! inona moa no hahatohina ? tsy dia tsara loatra ny mananihany amin'ny zavatra sasany, indrindra momba an'Atra.raha zavatra hafa, entre nous dia mety fa raha mikasika an'Atra tsy dia tsara loatra.
raha miresaka amin'ny olona eto aho izao miteny hoe "o ry reto a, i bor2lais anie ry reto otran'ny rajako e ! sady misehoseho an !!!!!" anefa izany tsy marina akory, dia ataon'ny namana resaka eto ilay hoe otran'ny rajako sy orgueilleux , atao firesaka sy mba resaka fotsiny na dia tsy marina aza. Hahafinaritra anao ve ??? ;-) otran'izany koa Andriamanitra, lazaina fa miangatra izy angamba, c'est comme si on calomnie sur Dieu, tsy mahafinaritra anie izany e !
izay fotsiny ilay izy !!!! fa tsy tohina mihitsy aho ka !!!! menatra eo anatrehan'Atra fotsiny aho hoe lazaintsika fa miangatra Izy anefa tsy toetrany mihitsy izany, hevero hoe isika milaza fa niangatra an'i Maria Izy, hitany anie izany e ! raha isika no eo amin'ny toerany ve tsy halahelo ???
zay fotsiny ka ;-)
15. mirananirina
(
29/02/2012 18:11)
Andriamanitra tsy miangatra marina izany ,tiany daholo isika zanany na de nataony samihafa aza!na tsy mitovy aza ny fiainana