VAOVAO MATV 24 JANVIER 2012

1. rijadolly ( 25/01/2012 09:45)
Ao Pretoria no hanatanterahana ny fihaonan'ireo mpanao politika malagasy. Mitodika any ny mason'ny mpanara-baovao.


.............................................................................................................


Manoloana ny fihaonana any Pretoria Afrika atsimo, dia nitondra ny heviny Gilbert Raharizatovo filohan'ny antoko RPM.

...............................................................................................................

Naneho ny heviny mikasika ny fodian'ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana an-tanindrazana ny fikambanan'ny niharam-boina tamin'ny 07 febroary na ny AV7.

..............................................................................................................

Ny fifandeferana sy ny fitoniana araka ny toe-tsaina voizina ao anatin'ny tondrozotra no tena vahaolana fa tsy ny fandehanana any Afrika Atsimo, hoy ny pastora Nestor Razafindramanitra, avy ao amin'ny Raiamandreny mijoro.

..............................................................................................................

Ho fametrahana ny fahatoniana ara-politika, ny herinandro lasa teo, no nandinihan'ny governemanta manokana ny voafonja miaramila.

..............................................................................................................

Misy tamin'ireo miaramila voafonja tao Tsiafahy no marary dia ny lieutenant-colonel Charles Andrianasoavina sy ny colonel Coutiti.

..............................................................................................................

Nandritry ny fihaonana tamin'ny mpanao gazety androany tolakandro no nilazan'ireo antoko sy fikambanana politika ao amin'ny Escopol fa zava-dehibe ny firosoana amin'ny fihavanam-pirenena.

..............................................................................................................

Nitohy androany ny fivorian'ny mpikambana ao amin'ny kongresin'ny tetezamita. Androany dia ny momba ny CENI no nodinihana.

..............................................................................................................

Mijaly ny mpandraharaha ara-dalàna amin'ny resaka andramena raha ny hevitry ny filohan'ny Vaomieran'ny Tontolo Iainana sy ny Ala ao amin'ny Kongresin'ny Tetezamita, ka tokony hafainganina ny famahana ny olana.

..............................................................................................................

Mbola maro ny taha-pahafatesan'ny reny sy ny zaza eo am-ptierahana eto Madagasikara. Anisan'ny antony mahatonga izany dia mbola tsy manara-penitra ny kalitaon'ny fandraisana an-tanana ny vehivavy eo am-piterahana

..............................................................................................................

Etsiky ny Mpampianatra mpikaroka SECES sy ny mpianatra

..............................................................................................................

Ao anaty vanim-potoana fanolorana ny « Mémoire » ireo mpianatra ao amin'ny kilasy fahatelo ao amin'ny oniversite Aceem etsy Manakambahiny, amin'izao fotoana izao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4547