INO-VAOVAO? FAMINDRAM-PON’NY FILOHA : Fanenan-tsazy 3 volana ho an’ireo latsaky ny 65 taona

1. rijadolly ( 11/01/2012 15:56)
TAONA VAOVAO 2012
FAMINDRAM-PON’NY FILOHA : Fanenan-tsazy 3 volana ho an’ireo latsaky ny 65 taona



Nandritra ny lanonana fifampiarahabana tratry ny taona, natao teny Iavoloha ny alarobia teo, dia nisy ny fanomezan’ny Filohan’ny fahefana avon’ny tetezamita, Rajoelina Andry fanalefahan-tsazy ho an’ireo voafonja (grace presidentiel). 11 janvier 2012

Ireo efa voatsara rehetra ka latsaky ny 65 taona amin’izao fotoana izao, dia mahazo fanalefahan-tsazy telo volana. Ireo mihoatra ny 65 taona kosa dia hahazo fahafahana tanteraka.

Ireo rehetra voakasiky ny heloka bevava tahaka ny famonoana olona sy fandri-pahana ain’olona dia tsy hahazo izany. Ireo voafonja efa voatsara noho ny raharaham-pitsarana tsotra ihany, araka izany, no hahazo tombony amin’ity fanenan-tsazy ity, raha ny nambaran’ny Filohan’ny fahefana avon’ny tetezamita, teny Iavoloha.

Samy nahazo ny tandrify azy

Nandrandrain’ny maro tokoa ity kabarin’ny Filoha ity noho izao fahatrarana ny taona vaovao izao, ka samy niandry fatratra izay tandrify azy ny sokajin’olona rehetra. Raha izay ny amin’ireo olona voafonja, dia nahazo ny anjarany ihany koa ny mpiasam-panjakana sy ny miaramila. Nisondrotra ho 7 isan-jato ny karaman’ireo mpiasam-panjakana ambony indrindra ary hisondrotra hatrany amin’ny 15 isan-jato ny karama ambany indrindra.

Ho an’ny miaramila indray, dia mihatra amin’ity volana ity ny « retenu sur salaire ». Amin’ny maha tonon-taona ny andro, dia tsy nohadinoin’ny Filoha ihany koa ny nitanisa ny asa nisongadina tamin’ireo vita tamin’iny taon-dasa iny. Ny goavana indrindra amin’ireny dia ny fanamboarana ireo fotodrafitrasa hahazoana soa iombonana, tahaka ny hopitaly manara-penitra sy ny trano fonenan’ny mpianatra manerana ireo faritra rehetra. Hopitaly CsbII 185 tamin’ireo 241 manerana ny Faritra ihany koa izao no efa misokatra.

Tojo R.
http://www.inovaovao.com/spip.php?article7212
novalian'i pulm ny 12/01/2012 05:46
2. pulm ( 12/01/2012 05:46)
fa ny fahatran'ny vahoaka tsy mba nojereny e? firifiry moa izao no maty noho ny hanoanana sy ny sisy? ary ny asan-jiolahy ve mba nasiany resaka akory? firy isan'andro ny vaky trano? ny vono olona? sns.... sa ireny tsy miatsaika amin'zareo dia tsy misy dikany? isika vahoaka no itako fa tena dondrona atao gauche de gauche, droite de droite; ny mpanao politika moa rehefa mahazo toerana dia mangina, fa raha mbola tsy eo dia lazaina fa tiavahoaka nefa rehefa mahazo toerana tonga dia any dia tsy hita
Le fisondrotana karama indray no tena mampalahelo, fanga moa mpiasam-panjakana daholo ny vahoaka malagasy? no dia ny azy irery no nampiakarina fa tsy nasiana resaka ny an'ny tsimiankina? nefa izao no tadidio tsika fotsiny, raha vao miteny rafanja hoe miakatra 15% ny karama dia jereo ange fa @alatsinainy miakatra 20% ny vidin-javatre!sa ho an'ny mpiasam-panjakana ihany no miakatra ny vidin-javatra?
Dia izay no ilazako hoe mampalahelo le gasy kely miaritra ny tsy fidiny eto foana, rahoviana vao mba hisy masoandro miposaka? angamba.....rehefa any ankoatra any??????????
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2768