Vahaolana mahomby ho an'ny firenena

1. niryna ( 03/01/2012 17:48)
Tsotra ihany ny valiny: Efa notenenina ombieny ombieny ny tokony hiverenana amin'Andriamanitra sy ny fanaovana fibebahana ary ny fiaikena ny fahotana raha tiana ho sitranin'Andriamanitra ny tany rehetra.
Ny I Samoela 7 3-4 no manambara izany amintsika rehetra
Ary hoy Samoela tamin'ny taranak'Israely rehetra;Raha miverina amin'i Jehovah amin'ny fonareo rehetra tokoa ary hianareo. dia ario hiala aminareo ny andriamanikafa sy ireo Astarta,ka ampiomany ny fonareo ho an'i Jehovah ,ary aoka Izy ihany no ho tompoinareo,dia hamonjy anareo amin'ny tanan'ny Filistina Izy( he will rescue you from the power of the Philistines) Dia nanary ireo Bala sy Astarta ny Zanak'Israely ka [u] nanompo an'i Jehovah irery ihany.
novalian'i jesuisla ny 19/01/2012 18:13
2. Tefigasy ( 04/01/2012 06:23)

niryna:

Tsotra ihany ny valiny: Efa notenenina ombieny ombieny ny tokony hiverenana amin'Andriamanitra sy ny fanaovana fibebahana ary ny fiaikena ny fahotana raha tiana ho sitranin'Andriamanitra ny tany rehetra.
Ny I Samoela 7 3-4


Tsara dia tsara ilay hevitr'ise saingy tsy misy hiraharahian'ny HAT an"izany na kely akory aza. Jereo tsara ny zava-nataony niaraka tamin'ireo izay nisora-tena ho mpiandry raha naka ny fitondrana fa dia nataony fitaovana ny baiboly mba hanantaterahana izay tiany atao fa tsy izay sitrak'andriamanitra akory.
Mety hiteny ianao hoe tsy ny mpitondra no cible @ io fa isika vahoaka entina. Marina izany saingy raha tsy ny lohany mihitsy no miova tsy misy zavatra hilamina eto. Firfiry izay mpanompon'andriamanitra nivavaka ho an'ity madagasikara ity izay fa mbola izao aloha hatreto ny zava-misy !
Na izany na tsy izany, katsaho aloha ny fanjakan'andriamanitra dia hanampy ho anao izany rehetra izany. Rehefa mandroso ny fanjakan'andriamanitra, mandroso hoazy ny firenena !
3. didi10 ( 04/01/2012 10:49)
Tsara ny Tompo

Somary haningom-paingotra anao aho namana Tefy fa ny fankahalan'ny olona toa anao ny HAT sy ny fiandanianao amin'ny antoko politika hafa no mbola mampikorontana ny firenentsika.

Izaho dia sahy miteny fa samy lalaovin'i Satana ny fitiavana na ny fankahalan'ny olona an'i Ravalo na Andry mba ifampiandaniantsika sy hanalavirantsika ny fifankatiavana sy ny fahamarinana.

Ny tenin'Andriamanitra anie manome vaha-olana fa isika no tsy mety mampiatra azy e!

Jak 3 16-18
Fa izay misy fialonana sy fifampiandaniana dia misy fikorontanana mbamin'izay asa ratsy rehetra. 17 Fa ny fahendrena izay avy any ambony dia madio aloha, ary tia fihavanana, mandefitra, mora alahatra, be famindrampo sy be voka-tsoa, tsy miahanahana na mihatsaravelatsihy. 18 Ary ny vokatry ny fahamarinana dia afafy amin'ny fihavanana ho an'izay mampandroso ny fihavanana.
4. Tefigasy ( 04/01/2012 11:11)

didi10:

Tsara ny Tompo

Somary haningom-paingotra anao aho namana Tefy fa ny fankahalan'ny olona toa anao ny HAT sy ny fiandanianao amin'ny antoko politika hafa no mbola mampikorontana ny firenentsika.

iza moa no miteny aminao hoe miandany amin'ny antoko politika iray i Tefigasy raha milaza ny heviny manokana?
Sao dia ianao no efa voadonan'ny antoko politika tany ?

didi10:

Izaho dia sahy miteny fa samy lalaovin'i Satana ny fitiavana na ny fankahalan'ny olona an'i Ravalo na Andry mba ifampiandaniantsika sy hanalavirantsika ny fifankatiavana sy ny fahamarinana.

Mahita ve ianao fa mila tohanana izao fitondran'ny HAT efa hita fa tsy misy fanajana zon'olombelona izao, sitrapon'andriamanitra ve izany sa sitrapon'i satana ka mila faranana ?

didi10:

Ny tenin'Andriamanitra anie manome vaha-olana fa isika no tsy mety mampiatra azy e!
Jak 3 16-18
Fa izay misy fialonana sy fifampiandaniana dia misy fikorontanana mbamin'izay asa ratsy rehetra. 17 Fa ny fahendrena izay avy any ambony dia madio aloha, ary tia fihavanana, mandefitra, mora alahatra, be famindrampo sy be voka-tsoa, tsy miahanahana na mihatsaravelatsihy. 18 Ary ny vokatry ny fahamarinana dia afafy amin'ny fihavanana ho an'izay mampandroso ny fihavanana.


Iza izao no hitanao fa tena tsy mampihatra ilay tenin'andriamnaitra?
mandehana eny iavoloha de mitondra megaphone, mitatatata eo raha misy andry rajoelina hihaino anao akory fa ianao indray ary no ahiako alefany any tsiafahy !
5. Tefigasy ( 04/01/2012 11:17)
vao nanomboka izao krizy izao no efa nivavaka ho an'iny Andry rajoelina iny aho mba tsy hanekeny ho fitaovana ampiasan'ny devoly, saingy matoa mbola manamafy ny fony Andriamanitra mandrak'androany, misy antony ao!
6. niryna ( 12/01/2012 04:09)

niryna:

Raha miverina amin'i Jehovah amin'ny fonareo rehetra tokoa ary hianareo. dia ario hiala aminareo ny andriamanikafa sy ireo Astarta,ka ampiomany ny fonareo ho an'i Jehovah ,ary aoka Izy ihany no ho tompoinareo,dia hamonjy anareo amin'ny tanan'ny Filistina Izy( he will rescue you from the power of the Philistines) Dia nanary ireo Bala sy Astarta ny Zanak'Israely ka [u] nanompo an'i Jehovah irery ihany.[/b] [/color]
ka eo no mbola lesoka be k'nou ! sady mandeha ny vavaka no miainga any ny dadarabe.Tsy afaka manompo an'Andriamanitra sy ny vola isika,tsy afaka sady anaiky ho raviravian'i satana no mivavaka amin'Atra isika
7. niryna ( 12/01/2012 04:16)

niryna:

Tsotra ihany ny valiny: Efa notenenina ombieny ombieny ny tokony hiverenana amin'Andriamanitra sy ny fanaovana fibebahana ary ny fiaikena ny fahotana raha tiana ho sitranin'Andriamanitra ny tany rehetra.

Ny I Samoela 7 3-4
[/quote]
Tefigasy:


Tsara dia tsara ilay hevitr'ise saingy tsy misy hiraharahian'ny HAT an"izany na kely akory aza. Jereo tsara ny zava-nataony niaraka tamin'ireo izay nisora-tena ho mpiandry raha naka ny fitondrana fa dia nataony fitaovana ny baiboly mba hanantaterahana izay tiany atao fa tsy izay sitrak'andriamanitra akory.
izaho aloha tsy miresaka politika fa na iza na iza tonga eo rehefa vandana dia kary avokoa.
Ahoana hoy ny soratra masina: Jeremia 17: 5-6 Ho voaozona izay olona matoky olona sy manao ny nofo ho sandriny.Ka miala amin'i Jehovah ny fony.Fa ho tahaka ny olona mahantra any an-tani-hay izy ka tsy mba hahita ,na dia avy aza ny soa
8. danielio ( 17/01/2012 05:47)
Raha @ fotoana misy ny firenena tahaka izao dia sarotra ny ahatafavoahana raha tsy misy ny fidiran'Andriamanitra antsehatra @ raharaha mpirenena iazy hoe tokony hisy antso avo ataony President aminy olona manana Andriamanitra ka zao ny faninana manao zavatra iray tsy vitan'olombelona ohatra mamantatra ny nofiny president ary atao mivantana @ tele dia ho hita eo izay manana Andriamanitra marina tahaka t@ Nebokadinezara sy Farao
9. bor2lais ( 17/01/2012 08:45)
danielio:

dia ho hita eo izay manana Andriamanitra marina tahaka t@ Nebokadinezara sy Farao

Dia iza hono no hanao ny "sujets" ary iza no "arbitres" ? :-)
Tandremo koa ny "fuite" a ! ;-)
10. danielio ( 18/01/2012 05:08)
Atao hoatra t@ Eli sy mpaminany ny bala atao mazava tsara ny fepetra apabemaso mety ho zavatra hafa koa ny sujet tsy hafahana misandoka fa ra misy manana Andriamanitra marina dia tsimaintsy voasakana ny heriny izay sandoka
11. niryna ( 18/01/2012 05:34)
danielio:

Raha @ fotoana misy ny firenena tahaka izao dia sarotra ny ahatafavoahana raha tsy misy ny fidiran'Andriamanitra antsehatra @ raharaha mpirenena i
ka izay no mahatonga ny firenentsika latsaka ankaterana toa izao ka,misy antony ao matoa tsy mbola tafavoaka foana isika.Mbola manizingizina ny heriny ihany ny olona ary feno fitiavantena izay tafiditra eo,tena tsy mbola nisy na iray aza sahy nijoro ka nitondra ny firenena tamin'ny marina(misy fitiavantena kely foana ary farany dia mibaribary itan'ny vahoaka)
zany hoe tokony hisy antso avo ataony President aminy olona manana Andriamanitra ka zao ny faninana manao zavatra iray tsy vitan'olombelona ohatra mamantatra ny nofiny president ary atao mivantana @ tele dia ho hita eo izay manana Andriamanitra marina tahaka t@ Nebokadinezara sy Farao
tsara izany hevitrao izany saingy mbola lavitry ny afo ny kitay. Jereo fotsiny ireny satroka mpanjaka teo ireny: avereno fa .... ka ho fantatra eo izay naka azy hoy ilay rangahy.Izany ve tsy manam-porofo fa mbola misy olona milaza mahita zavatra ? asa aloha fa mahalasa saina ilay izy.Ny olon'ny fanahy no miaraka ny fanahy masina satria Atra dia fanahy.Ka raha tsy mino na minomino fotsiny eo izy dia e,e
12. niryna ( 18/01/2012 05:38)

danielio:

dia ho hita eo izay manana Andriamanitra marina tahaka t@ Nebokadinezara sy Farao
bor2lais:

Dia iza hono no hanao ny "sujets" ary iza no "arbitres" ? :-)
Tandremo koa ny "fuite" a ! ;-)

samy maka mpanao sikidy izy ,hi,hi dia samy manokotoko eo,toy ireny amin'ny film malagasy miaraka ny tsaramaso hafaha ireny sa.. dia ho hita eo izay mahery sy mahay maminany ny fiafaran'ity firenena ity ha,ha
13. danielio ( 18/01/2012 06:53)
Tena ilaina io mpanolotsaina manana fanahy io satria ra ny Baiboly no jerena dia anisany firenena natanjaka izay nanana mpanolotsaina ara-panahy , azo averina amizao fotoana misy antsika izao anefa ireny zavatra ireny raha toa ka tonga saina ny vahoaka malagasy ,izany hoe mila zavatra azo tsapain-tanana avy hatrany hery voaporofo fa misy ary mifanaraka tsara ao amin'ny Baiboly
14. bor2lais ( 18/01/2012 09:12)
danielio > amiko indray dia ilay mpitondra mihitsy no tokony hanana ny FanahiNY fa tsy hiantehatra loatra amin'ny an'ny hafa ! Izany hoe izy mihitsy no tokony hanana toetra araka an'Andriamanitra ! :-)
15. danielio ( 18/01/2012 11:24)
Marina ny voalazanao tokony tokoa saingy indrisy moa tsy izany ny zava-misy ka dia aroso ny hevitra ao ampony mahalala atsipy ny tady antandroky ny omby ,misaotra tompoko
16. jesuisla ( 19/01/2012 18:13)
Vahaolana ve? Hopital no vahaolan' marary, nefa nahoana no mitaraina ny olon @ fanafody vidina nefa tsy ampiasaina, ny Dr tsy miasa, tsy mandray marary tsy misy vola. fiaraha-mientana no nataon' gasy t@ 47. Fa ny hevitra zato sy arivo tsy ahafahana manao trano na mividy biriky. Ts misy zavatr vit @ hevitr. Asa ihany no mitondra vokatra f tsy hevitra, na teny lazaina
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0094