JOURNAL 30 NOV 2011, VAOVAO 30 NOV 2011

1. rijadolly ( 01/12/2011 00:49)
JOURNAL 30 NOV 2011, http://blip.tv/tv-plus-madagascar/journal-du-30-novembre-2011-5781899


VAOVAO 30 NOV 2011 http://blip.tv/tv-plus-madagascar/vaovao-du-30-novambra-2011-5782113
novalian'i rijadolly ny 01/12/2011 04:20
2. rijadolly ( 01/12/2011 04:20)
601 no handrafitra ireo parlemanta roa, dia ny CT sy ny CST raha araka ny fantatra.


Tontosa ny fanaterana ny lisitra ho an'ny Hery politika mitambatra sy ry zareo avy amin'ny UDR-C. Nanamarika izy ireo fa tokony hanana solotena ao anatin'ny parlemanta ny vondrona politika nanao sonia ho fanohanana ny soridalana.


Androany, dia nanatanteraka fihaonana tamin'ny mpanao gazety Me Hanitra Razafimanantsoa, mpisolovava ny fianakaviana Ravalomanana.


Haverina amin'ny laoniny ny orinasa Tiko. Anisan'ny anton-dian'i Tojo Ravalomanana eto an-toerana ny hanangana indray ity orinasa ity.


Ny 27 hatramin'ny 29 Novambra lasa teo, dia nanatanteraka fitsidihana teto Madagasikara ny minisitry ny Raharaham-bahiny seychellois, izay mitarika ny kaomisionan'ny oseanina indianina. Nisy ny tatitra nataony momba izay fivahinianany izay.


Nitondra ny heviny mikasika ny fandrafetana ny parlemanta vaovao ny filohan'ny Antoko Maitso Hasin'ny Madagasikara, izay ao anatin'ny Groupement des Forces Centristes.


Manaiky am-pahibemaso ny maha filohan'ny tetezamita iraisana an'i Andry Rajoelina ankehitriny ny Groupement des Jeunes de la Mouvance Ravalomanana.


Nanao fitsidihana tetsy amin'ny Cnaps Ampefiloha androany maraina ny minisitry ny Asam-panjakana sy ny Lalana sosialy, atoa Tabera Randriamanantsoa.


Nosokafana io maraina io ny fivorian'ny tompon'andraikitra ambony eo anivon'ny zandarimariam-pirenena manerana ny nosy, izay tsy hifarana raha tsy rahampitso tolakandro.


Ho fanafainganana ny fikirakirana ny antonta-taratasy samihafa eny anivon'ny boriboritany enina, dia nisy ny fametrahana ny « caisse enregistreuse » isaky ny boriboritany.


Nahazo toeram-pivoriana iraisam-pirenena ny ao Antsirabe. Notokanana omaly izany ivotoerana izany.


Ho fanomezana fahafaham-po hatrany ny mpanjifa, dia manolotra « chaînes » 21 vaovao ho an'ny mpanjifa ny orinasa Canal Plus, mpaninjara ny vokatra Canal Sat


Nisokatra io maraina io ny varavaran'ny lapan'ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena, izay mampiantrano ilay hetsika «La Grande Foire de Madagascar».


Taorian'ny filazan'ny ekipan'ny CNaPS Sport ny tsy hilalaovany amin'ny Super Coupe eo amin'ny taranja baolina kitra, dia nilaza ny heviny ka namory mpanao gazety ihany koa ny FMF.


Akanjo mihaja sy lohahevitra maro isan-karazany no entina amin'ity laharana 209 amin'ny gazety Soa ity.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1686