JOURNAL 29 NOV 2011; VAOVAO 29 NOV 2011

1. rijadolly ( 29/11/2011 18:40)
JOURNAL 29 NOV 2011 http://blip.tv/tv-plus-madagascar/journal-du-29-nov-2011-5777971
novalian'i rijadolly ny 30/11/2011 10:14
2. rijadolly ( 30/11/2011 01:39)
VAOVAO 29 NOV 2011 http://blip.tv/tv-plus-madagascar/vaovao-du-29-nov-2011-5778480
3. rijadolly ( 30/11/2011 10:14)
Notanterahana androany maraina ny filan-kevitry ny governemanta faharoa. Nifantoka tamin'ny fandinihana ny teti-bola 2012 sy ny mahakasika ny fiverenan'ny sesitany politika eto an-tanindrazana ny fotoana.


Nilaza atoa Marc Ravalomanana, filoha teo aloha tamin'izany fa rehefa tsy hanaraka antsakany sy andavany ny sori-dalana ny fitondrana ankehitriny dia tsy hitany izay hijanon'ny ministra avy amin'ny ankolafiny ao amin'io governemanta io.


Mikasika ny raharaha fiantsoana an'i Tojo Ravalomanana dia nanambara ny jeneraly Ravalomanana Richard fa hanaovana fanadihadiana momba an'i Ferry John no niantsoana azy.


Mitohy ny fifampidinihana iarahan'ny filoha teo aloha ny amiraly Didier Ratsiraka amin'ireo hery velona eto amin'ny firenena.


Manoloana ny raharaham-pirenena amin'izao fotoana izao dia nitondra ny heviny Rasolo André avy amin'ny fiarahamonim-pirenena CNOSC.


Nitondra ny fomba fijeriny ny fivoaran'ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny ny GJMD na ny Groupe des Jeunes malagasy pour la Démocratie.


Rehefa tsy nety niditra tao amin'ny governemanta ary nanome ny fitantanana ny minisiteran'ny Asam-panjakana ny sekretera jeneraly, atoa Tabera Randriamanantsoa dia nandray ny fitantanana ity ministera ity ihany izy io maraina io.


Araka ny fanadihadiana natao tamin'ny taona 2008, ny 80% ny vehivavy no iharan'ny herisetra eto Madagasikara. Ka ho fanamarihana ny andro iraisam-pirenena iadiana amin'ny herisetra atao amin'ny vehivavy dia nisy ny «diabe» nanodidina ny farihin'Anosy, androany.


Herinandro vitsivitsy tsy ahatongavan'ny fetin'ny noely sy ny faran'ny taona dia misy amin'ireo entana ilaina amin'ny fiainana andavanandro no nahitana fiakarana ny vidiny.


Isan'ny lasibatry ny fahatapahan-jiro sy rano izay hita amin'ny toerana maro eto an-drenivohitra ihany koa amin'izao ny oniversiten'Antananarivo sy ny trano fonenan'ny mpianatra eny an-toerana.


Nofaranana omaly ny fifaninana Amboara Tsiadana eo amin'ny baolina kitra ho an'olona 7.


Lakolosy eletronika maneno isaky ny ora iray no natolotry ny SAMPATI EDENA 215è tao amin'ny FJKM Manarintsoa Finoana ny alahady lasa teo noho ny faha-10 taona nijoroan'ity Sampati ity.


Hisokatra rahampitso ny varavaran'ny lapan'ny fanatanjahan-tena sy ny kolotsaina etsy Mahamasina, izay handray ilay hetsika « La Grande Foire de Madagascar », karakarain'ny Fimafm.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.417