Te hiala sigara

1. Neal ( 22/11/2011 14:35)
inona ny foimba mahomby indrindra re te hiala sigara?
novalian'i jesuisla ny 19/01/2012 16:58
2. nomeja ( 23/11/2011 17:03)
zanko tahakanao
3. made21 ( 24/11/2011 15:00)
miankina aminao fotsiny anie! ohatra an'i beau frère ko niala sigara... mihinana anao rehefa mahatsiaro te hifoka...na raha nifoka 1 paquet par jour anao de mifoka 1/2 rahampitso de afaka rahampitso mifoka 2 na 3 de @ farany tsy mifoka...fa tsy azo atao koa ny manala azy directe...
4. kooool4 ( 04/12/2011 05:50)
Misy koa ny mampiasa patch-na nicotine mba tsy hahenoana an'ilay fitadiavana azy iny sy mba tsy hitrangan'ilay marary an-doha na tsy mahavita mifantoka amin'ny zavatra iray sns (syndrome du severage) rehefa tsy mifoka, mba hialana amin'ny mety ho fiverenana na récidive satria ny tena loza amin'ny sigara dia tsy ny nicotine loatra fa ny zavatra maro hafa ao anatin'ny setroka tahaka ny goudron... Fanampin'izay koa ny fanaovana fanatajahan-tena dia manampy hiala amin'ny sigara, ary ny fomba fiainanao amboary mba hahita zavatra hatao foana satria rehefa tsy manao na inona na inona dia lasa mitady sigara matetika fa rehefa mifantoka manao zavatra iray dia mihena ny filàna.

Raha ny fandinihako dia ao an-tsaina daholo ihany io fa misy ny mahavita, misy ny tsy mahavita... Dadatoako izay izao amin'ilay mahalany 2 paquets isan'andro ireny fa niala ho azy fotsiny tsy hoe nahena na nisy zavatra hafa fa leo be fotsiny izy dia najanony dia izay, mila faharesen-dahatra sy hamafisan-tsaina fa tsy hoe mafy be nefa ny sigara aza tsy resy sy tsy vita ny miala aminy na dia efa mivandravandra izao aza ny loza ateraky ny sigara sy ny fandaniam-bola mihoa-papana lany ividianana azy, izay mety efa nahatsangana trano raha nangonina ka diniho tsara ihany...
5. fanour ( 23/12/2011 05:01)
Le izy zany ra ny fieritreretako an'azy manonkana d herin-tsaina no fialana @ sigara! Za d mifoka fa hatreto alou mbola tsy afaka satria mbola ts ampy ny herin-tsaiko hialako aminy. Indray andro any za alou ts maintsy ho afaka ihany eh
6. jesuisla ( 17/01/2012 18:08)
Ny lalàna fototra na ny norme eo @ voary d ny fady. Otaina fady ny zavatra 1,d miala izy. Ny ratsy anefa no ota fady ny zavatra rehetra. Sigiara ratsy no fohana, d mararay, ary tonga d afaka, f maloiloy avy hatrany.
7. jesuisla ( 17/01/2012 19:26)
misy fanazavana nataoko f tsy hitako eto. rehefa marary vao tena tsara azo araraotina @ fialana sigiara. mihinana bonbon, na pecto, na misotro rano langatsiaka, na mihinana vosarimakirana, na silgoma, na voanjo rehefa marary nefa mahatsiaro azy. tsy mila mifanerasera @ mpifoka. olana, ny mpifoka, mpisotro, mihinana kafe d misafidy 1, f tsy afany ireo rehetra ireo.
8. fanour ( 18/01/2012 04:02)
Amiko aloa d ts d ilaina ilay miandry hoe marary na ny bonbon sns fa ny toe-tsaina ihany no mitondra an'io hoe hiala sigara za d zay
9. rijadolly ( 18/01/2012 04:50)
Raha te- hiala sigara isika dia ilaina tokoa ny herin-tsaina entina miady izany.

Ireto misy tetika tsotra sy mahomby tokoa.

1) Manontany tena hoe: Tena tiako tokoa ve ny miala sigara? sa mbola tsy foiko izy eto amin'ny fotoana ohatry izao(wc, lanonana, miaraka @ namana, avy misakafo,...)?
2) Ny fahalalana ny maha-ratsy ny sigara.( atao ny addition lanin'ny sigara /an, ary jerena izay zavatra mahasoa izay tsy vita nefa tokony ho vitan'io fandaniana io,...)
3) Fijerena ny hafa, na fanajana azy ireo izay tsy mifoka eo ankaikinao.(Birao, vady aman-janaka, iray auto, trano filanonana, eny an-dàlana,zaridaina ho an'rehetra, ...)

Eto ny ady

1) Tsy mandrehatra sigara na miara-mifoka rehefa misy mifoka eo anilanao.
2) Rehefa irery ka te-hifoka dia arehitra ny sigara fa tsy fohana, izany hoe jerena fotsiny.
3) Fadiana ny maka zavatra hafa atao hanoherana ilay zavatra manentana anao hifoka.
10. jesuisla ( 19/01/2012 16:36)
Marina ny torohevitrareo, ary tena marina tokoa. Saingy tsy mitovy ny olona, sy ny zavatra manodidina azy. Ilay dokotera mihitsy aza no niteny t@ ilay marariny fa mila mifoka sigiara ilay marary noho ny karazana aretina ao aminy, mikasika ny rà sy ny tension.Izany hoe,nanome rà ity olona, nefa d tsy maintsy mody any ambanivohitra antongotra 12km aller.Ary d tratran' tension lay mpanome rà
11. jesuisla ( 19/01/2012 16:58)
ny olana manko d hoe, misy ny mety nefa tsy azo tanterahina, na ahoana na ahoana. Ohatra, mila mianatra ny ankizy, nefa noho ny antony maro d tsy afaka mianatra izy. Dinona àry ny vahaolana atao? Tsy hoe terena rangah izy hianatra, f tsy hekeko zany. F zavatra hafa omena azy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3936