IRAY ao amin'ny RAY i Kristy

1. Miharena ( 27/05/2011 11:18)
Miharena:

JAONA 17 : 5 Ary ankehitriny, Ray ô, mankalazà Ahy amin'ny tenanao, dia amin'ny voninahitra hiarahako nanana taminao, fony tsy mbola ary izao tontolo izao.

Ity tanisa ity Rekinbelo no mamaritra an'i Kristy. Izany hoe mbola tsy ary izao tontolo izao dia efa nanana voninahitra miaraka tamin'Andriamanitra Izy. Isika no mety ho taty aoriana fa Izy efa hatrizay nanorenana izao rehetra izao. Izay no mahaIRAY ao amin'ny Ray Azy.


Novalian'i Mpanazava

Mapanazava:

Amin'ny saina tsy mitanila, tsy persona 2 samy hafa ve vao mahavita an'io resaka nifanaovan'i Jesosy sy ny Rainy io?

Nanampiandohana ve i Jesosy , ary ny i Jehovah?

Tsy aleo ve hanokafana lohahevitra vaovao ny tohin'io sao mivona. Soso-kevitra ny ahy.


Mba hanomezana fahafaham-po an'i Mpanazava dia natao loha-hevitra Iray ao amin'ny Ray i Kristy no entina hanokafana ity lohahevitra ity mba tsy hifangaro amin'ny lohahevitra hafa.

Araka ny fanontaniana moa dia misy tokoa io resaka nolazain'i Mpanazava fa persona roa no miresaka eo ambony io. Marina tokoa izany ary tsy mandà izany mihitsy ny fanazavana ny momba ny fomba fiasa ao amin'ny vontoatin-kevitra rehetra novoizina momba an'Andriamanitra Ray sy Kristy ary ny Fanahy Masina. Ilay fomba filaza azy hoe Trinité nofaritana hoe Andriamanitra tokana olona telo (persona telo saingy iray saina sy sitrapo) no mampiambakavaka ny fisainan'i Mpanazava azy angamba. Izany hoe tsy mety ho iray mifamatotra angamba no fandraisana azy sa inona marina no azo hanazavana azy io arak'i Mpanazava?
Izany hoe raha i Mpanazava izany dia milaza fa izay ataon'ny Ray dia tsy fantatry ny Zanaka ary tsy fantatry ny Fanahy Masina. Dia miteraka fanasarahana tsotra ilay izy ary tsy ho tanteraka mihitsy izany ny vavaka nataon'i Kristy hoe : Ho iray ihany anie izy rehetra toy ny maha-iaray Ahy ao AMINAO.

Raha entina amin'ny fahalavirana sy ny fe-potoana dia misy ny fisarahana nefa na i Kristy aza anie ka nilaza ny tsy maha-manankery ny fotoana e! Izany no nahatonga ny hoe ny voalohany no ho farany ary ny farany no ho voalohany. Izany hoe tsy manan-danja ny fotoana eo anatrehan'Andriamanitra sy Kristy ary ny Fanahy Masina satria IZY no IZY izay hatrizay ka ho mandrakizay ary miara-manjaka.

Ny fandrika hita matetika dia io fe-potoana io hatrany no entin'ny olona hanangolena ny mpiara-belona aminy ary tsy hatoro tsara arak'izao hoe tsy misy lanjany eo amin'ny Tompo ny fe-potoana fa ny fahatsoram-po no tadiaviNY.

Io fe-potoana io no zary lasa fitaovana hanagonana olona ao amin'ny fiainana mandrakizay nefa efa lova izany vao fantatra fa fofon'ain'Andriamanitra ny tsirairay.

Miala tsiny amin'izay mamaky fa ny ahy moa dia maneho ny fomba fijeriko mahitsy aho amin'ny famaritana izay hatao tsy azo hozongozonina. Toy ny hoe Andriamanitra no nanao izao rehetra izao ka mila miverina ho fomba fijery matotra arak'izay no tokony ho tohin'ny fahazoan"ny olombelona AZY. Fa tsy hoe rehefa misy milaza fa nisy nisaraka Taminy dia very ny maha-mpamorona izao rehetra izao Azy.
Ilay IRAY ao AMINY no sitrapoNY.
novalian'i rijadolly ny 31/05/2011 19:36
2. Mpanazava ( 27/05/2011 11:53)
Misaotra amin'ny fanomezana fahafaham-po sy ny famoahan-kevitra.
Nanampiandohana ve i Jesosy , ary ny i Jehovah?
Mbola tsy voavaly sa tsisy valiny?
Miharena
Araka ny fanontaniana moa dia misy tokoa io resaka nolazain'i Mpanazava fa persona roa no miresaka eo ambony io.

Tsara!!

Ilay fomba filaza azy hoe Trinité nofaritana hoe Andriamanitra tokana olona telo (persona telo saingy iray saina sy sitrapo) no mampiambakavaka ny fisainan'i Mpanazava azy angamba.

Tena azonao no mampiambakavaka ahy satria tsy iray saina izy fa mifanaran-tsaina, Tsy iray sitrapo koa indraindray fa mihezaka hatrany ny zanaka hanahaka ny sitrapon-drainy.


Raha entina amin'ny fahalavirana sy ny fe-potoana dia misy ny fisarahana nefa na i Kristy aza anie ka nilaza ny tsy maha-manankery ny fotoana e! Izany no nahatonga ny hoe ny voalohany no ho farany ary ny farany no ho voalohany. Izany hoe tsy manan-danja ny fotoana eo anatrehan'Andriamanitra sy Kristy ary ny Fanahy Masina satria IZY no IZY izay hatrizay ka ho mandrakizay ary miara-manjaka.


Izy telo ve ilay IZY?

Famitinana: Amin'ny miharena izany dia :
- Samy efa nisy hatrizay ka ho mandrakizay ny Ray ,ny Zanaka ary ny Fanahy Masina?
- Saina sy Fo iray ihany no mibaiko an'i Ray, Zanaka ary Fanahy Masina Miaraka?
- Sao dia ilay mino hoe i Jehovah amin'ny Soratra hebreo ihany no i Jesosy amin'ny soratra Grika sa tsy izany?

Icône de la Sainte Trinité
Russie Début XIX° siècle




3. Miharena ( 27/05/2011 16:39)
Mpanazava:

Nanampiandohana ve i Jesosy , ary ny i Jehovah?
Mbola tsy voavaly sa tsisy valiny?


Ireto Teny miverina in-telo ao amin'ny Apokalypsy ireto no valiny azo omena an'i Mpanazava :


Apokalypsy 1:8 Izaho no Alfa sy omega hoy ny Tompo Andriamanitra Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy, dia ny Tsitoha.
Apokalypsy 21:6 Ary hoy koa Izy tamiko: Tanteraka ireo. Izaho no Alfa sy omega, ny fiandohana sy ny fiafarana. Izaho hanome maimaimpoana amin'ny loharanon'ny ranon'aina ho an'izay mangetaheta.
Apokalypsy 22:13 Izaho no Alfa sy omega, ny Voalohany sy ny Farany, ny fiandohana sy ny fiafarana.


Hafatra avy amin'Iza ireo Mpanazava?


Mpanazava:

Tena azonao no mampiambakavaka ahy satria tsy iray saina izy fa mifanaran-tsaina, Tsy iray sitrapo koa indraindray fa mihezaka hatrany ny zanaka hanahaka ny sitrapon-drainy.


Misaraka fiasa izany IZY telo amin'i Mpanazava. Dia zava-poronina daholo izany ny resaka nataon'i Kristy nilaza ny hoe "Iray ao amin'ny RAY" sy ny hoe "Izaho ao amin'ny Ray ary ny Ray ato Amiko" sy ny hoe "Miray amin'ny Ray amin'ny zava-drehetra".

Farany

Mpanazava:

Famitinana: Amin'ny miharena izany dia :
- Samy efa nisy hatrizay ka ho mandrakizay ny Ray ,ny Zanaka ary ny Fanahy Masina?
- Saina sy Fo iray ihany no mibaiko an'i Ray, Zanaka ary Fanahy Masina Miaraka?
- Sao dia ilay mino hoe i Jehovah amin'ny Soratra hebreo ihany no i Jesosy amin'ny soratra Grika sa tsy izany?

Ireo famintinana roa voalohany amin'ireo voalazanao no marina amiko.

Ilay fahatelo kosa dia mbola tsy afaka hiteny aho hoe Jehovah marina ve no tokony hiantsoana AZY satria tsy nilaza io anarana io mihitsy Kristy tao amin'ny Testamenta Vaovao.
Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina ihany no voambarany ao ary tsy niantso ny RAY tamin'ny Anarany mihitsy Izy fa hoy Izy hoe Ny Ray no miteny ao Aminy ka zaraiNY amin'ny olona.

Ilay izy moa Mpanazava asa na azonao tsara daholo izay fanazavana arosoko ary tsy arak'io sary ataonao eo ambony io mihitsy ny fahazoana izay fanazavako satria izay tsy manana endrika ara-nofo tsy azontsika omena izany mihitsy dia ny Ray sy Kristy ary ny Fanahy Masina izany. Ny Asa sy ny TENY tsy azo tsapain-tanana ka tsy mety angamba ny mametraka sary toy io notsimponinao tany ho any io, miala tsiny indrindra.

Vonona hatrany hanome fahafaham-po aho raha fanazavana izay tsy azonao.

Ny Hazavan'ny Tompo anie hamonto ny fonao Mpanazava.


4. daran ( 27/05/2011 17:05)
Fa maninona ary no lasa adihevitra b foana ny resaka Jesosy sy ny Ray e?

Iray izy ireo ouz ny baiboly. Tsy maintsy ekentsika zany.
Mety misy olona 2 nefa antsoina koa hoe iray iany ankoatran'i Jesosy sy ny Rainy (ohatra ny mpivady) ; tsy midika kory zany hoe mme iany no ramosé fa samy manana ny maha izy azy ry zareo. Ka naona ref Jesosy sy ny Rainy d lasa misy ady hevitra b.

Ref tety an-tany i Jesosy d niresaka, nivavaka, nitalaho tamin'ny RAINY. Nivavaka aza izy hoe aoka tsy ny sitrapoko no atao fa ny anao. Matio 26: 39. Mety afaka manana ny sitrapony koa zany i Jesosy ohatra sa aona?
5. Miharena ( 27/05/2011 19:07)
Daran:

Mety afaka manana ny sitrapony koa zany i Jesosy ohatra sa aona?


Fitiavana no sitrapoNY ary mampiray ny rehetra ary izay ihany no sitrapon'ny Ray ka! Dia mitovy izany ny sitrapon-dry zareo. Ary izay koa no mbola ivavahan'ny olona an-tapitrisany andro aman-alina mba hahatanteraka izay firaisana izay. Izany hoe IRAY FO.
6. rijadolly ( 29/05/2011 04:36)
Aleo angamba tonga dia ahitsy ilay loha hevitra e!

- Tokana ve Andriamanitra Ray, Jesoa Kristy, ary ny Fanahy Masina? izany hoe ilay RAY no niova ho Kristy, dia ilay RAY io ihany no niova ho Fanahy Masina, sa,

- Mizara telo ve izy ireo? fa mitovy kosa ny tanjona, ny sitrapony. ary ny farany

- Samy manana ny heviny izay maha diavolana ny sainy ve?

Miray hevitra amin' ty voalaza ity aho
bor2lais - 20/05/2011 11:00 Iza no nanangana an' Jesoa Kristy:

Ny Trinité ange ry Mpanazava dia teny iray entina milaza fa Jesoa dia Andriamanitra ihany koa fa tsy tahaka ny olombelona rehetra e ! Ary io no tsy ekenao (na nareo) raha tsy diso aho ka mahatonga ny tadin-dokanga tsy hifanaraka mihitsy !

Ny fahazoako azy mantsy (raha ny resaka mandeha eto no jerena) aminareo dia tsy misy afa-tsy ny Ray (na Jehovah hoy ianareo izay) ihany no antsoina hoe Andriamanitra e ! Ilay Teny tonga nofo kosa lavinareo fa raisinareo tahaka i Elia na Petera na iray amin'ny mpaminany ...

Izany hoe lavinareo ny fisian'ny hoe :
- Andriamanitra Ray
- Andriamanitra Zanaka
- Andriamanitra Fanahy
izay miara-miasa tsy azo sarahina (ary mifaniraka) !

Tsetsatsetsa kely ny ahy ity ary fijeriko manokana ka mba (averiko) zaraina :

Na ny firafitry ny Baiboly izay eken'ny maro fa "manambara" an'Andriamanitra aza ange ka ahitana ireo lafiny telo tsy azo sarahina ireo raha ny fahitako azy koa e :
- Testamenta Taloha (manambara ny asan'ny Ray)
- Filazantsara (manambara ny asan'ny Zanaka)
- Epistily (manambara ny asan'ny Fanahy Masina)

Ka raha miteny ianao hoe tsy voasoratra ao amin'ny Baiboly ny Trinité : amiko, sao dia variana loatra miondrika ao amin'ilay soratra kosa ary isika ka tsy mahita ny zavatra mibaribary !

Asa fa fomba fijeriko ihany anefa io a !
7. Miharena ( 30/05/2011 15:59)
Mazava be tokoa ny an'i Bor2lais io Rijadolly a! Misaotra mamerina ny hevitra fa manjary mihodinkodina tokoa rehefa sendra ny olona tsy dia mamaky tanteraka ny Soratra Masina manontolo sy mahay mandray tsara ny vontoatin'ny hafatra tiana hampiainana ny olombelona ao anatiny.

Ankoatr'izany, ny tena hita fa tsy mahatafita mihitsy ny resaka hoe IRAY dia ny fisia'n'ny olona manava-tena ary tia mampisaraka nefa na dia ny fiandohana aza dia IRAY daholo ary mihamaro avy eo. Toy ny sela ao anaty kibo io ary mitombo dia lasa olona misy taova maromaro samy manana ny asany, ka tsy hilaza izy hoe tsy tenako ny tanako na ny volo amin'ny vatako.

Izay ilay hoe IRAY no nipoirantsika rehetra sy izao rehetra izao fa ny mpampisaraka dia izay manana fijery mikobona ka mihevitra fa misaraka tanteraka Andriamanitra sy ny tenan'ny tsirairay. Mila mandrava io rindrina mampisaraka io isika raha te-hanana ny MAZAVA.
8. Mpanazava ( 31/05/2011 06:25)
Misaotra antsika rehetra tamin'ny hevitra rehetra e!

Ny fahazoako azy mantsy (raha ny resaka mandeha eto no jerena) aminareo dia tsy misy afa-tsy ny Ray (na Jehovah hoy ianareo izay) ihany no antsoina hoe Andriamanitra e ! Ilay Teny tonga nofo kosa lavinareo fa raisinareo tahaka i Elia na Petera na iray amin'ny mpaminany


Aiza amin'ny resaka mandeha eo no anaporofoinao an'izany?
Tsy mbola nilaza mihitsy Mpanazava teo hoe tsy "andriamanitra" i Jesosy. Fa na ny devoly aza atsoin'ny baiboly hoe andriamanitra koa!!! Tsara faritana koa angamba ny mahasamy hafa ny hoe Andriamanitra sy ny hoe"Jehovah" na i "Jesosy" sao de afangaronareo.
Ny tsy mampitovy antsika dia TSY MITOVY AMIN'I JEHOVAH I JESOSY. Tsy fantako izany raha tsy i Jesosy sy ny mpaminany ary mpanoratra baiboly hafa no nanabara izany izay tsy hekenareo.
Raha niresaka tamin'ny Mosesy ohatra i Andriamanitra de mariho ny navalin'Andriamanitra rehefa nanontany momba ny anarany i Mosesy: (Ekso3:13-15) (... Izao no holazainao amin'ny zanak'Israely, 'Jehovah Andriamanitry ny razanareo, dia Adriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'i Isaka ary Andriamanitr'i Jakoba, no naniraka ahy ho aty aminareo.' Izany no ANARAKO mandritra ny fotoana tsy voafetra"
Iza ilay anarana hoi Andriamanitra a?
Ho avy ny tohiny fa maika hiasa kely aloha. Miala tsiny.
9. bor2lais ( 31/05/2011 07:24)
mpanazava:

Aiza amin'ny resaka mandeha eo no anaporofoinao an'izany?
Tsy mbola nilaza mihitsy Mpanazava teo hoe tsy "andriamanitra" i Jesosy. Fa na ny devoly aza atsoin'ny baiboly hoe andriamanitra koa!!!

Io fehezan-teny faharoa sy fahatelo soratanao io indrindra ange no mahalaza ny tiako tenenina e !
Aminao (nareo), Jesoa dia andriamanitra (mitovy amin'ny devoly !!) fa amiko (nay) kosa Izy dia Andriamanitra !

Dia mbola mila porofo ihany ve Mpanazava ? :-)
10. rekinbelo ( 31/05/2011 12:02)
Ny olana miseho eto anie ry namana dia ny Divinitén'ny Jesosy Kristy e.tadidio ry mpanazava fa raha misy fivavahana 1000 eto an-tany dia 02 amin'ireo ihany no tsy mino ny Trinité.
Izany hoe tsy mampitovy ny Divinité ny Ray sy ny Zanaka.Koa anahirana iahny ny handresy lahatra andrizareo hoe tsy mitovy ny divinité ny Ray sy ny Zanaka.Ao @ Baiboly aza misy tantara fa mbola nilalao i Jesosy tany an-danitra raha mbola teo ampanamboaranq ny tany sy nandrefy ny lanitra i Jehovah.Io tantara io anefa dia hodianr'ireo mino ny Trinité tsy vakiana mihitsy na dinganiny tsotra izao aza.
amaranako azy dia misy dikany ilay vavak'i Jesosy hoe "HOHAMASININA ANIE NY ANARANAO"
Maro ireo mandoto ny Anaran'Atra @ hatramin'izay nisian'izao tontolo izao ka atr@ izao kanefa ho tanteraka tsy ho el io vavaka nataon'i Jesosy io ka hovoadio tanteraka ny anaran'Atra @ izay fotoana izay ka na ny fiantsoana Azy hoe Trinité aza dia tsy ho re na hotsarovana akory amndrakizay.
11. Miharena ( 31/05/2011 14:42)
Rekinbelo:

amaranako azy dia misy dikany ilay vavak'i Jesosy hoe "HOHAMASININA ANIE NY ANARANAO"
Maro ireo mandoto ny Anaran'Atra @ hatramin'izay nisian'izao tontolo izao ka atr@ izao kanefa ho tanteraka tsy ho el io vavaka nataon'i Jesosy io ka hovoadio tanteraka ny anaran'Atra @ izay fotoana izay ka na ny fiantsoana Azy hoe Trinité aza dia tsy ho re na hotsarovana akory amndrakizay.


Ny Trinité angamba aloha tsy hatao hoe fiantsoana fa famaritana momba an'Andriamanitra sy ny fiasaNY ao anatin'ny olombelona.
Asa iray no atao ka tsy feno sy tsy lavorary raha tsy amin'ny alalan'ny Trinité tsy misaraka ilay izy.
12. rijadolly ( 31/05/2011 19:36)
Entoko hanazavana ilay hevitry Miharena, dia hoe: tsy nilaina ve ny Fanahy Masina ohatra(ny iray amin' ilay Trinité)? tsy maintsy Nilaina, nanao izay saim-patany ve izy? tsy nanao ====> 3 izay 1, ohatry ny rano io, raha rano (Fanjakan'Andriamanitra) no tanjona, dia, tsy maintsy H+H+O izay vao mahazo rano H2O( miseho ho mahay chimie koa za zany)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.3819