hagadrano

1. arialy ( 19/04/2011 11:58)
miarahaba ny rehetra indray
hono hoa misy aminareo ve no efa nisy hagadrano? fa tena manirikiry ahy lay izy,
tsy haiko fa toa nisy hagadrano tampoka izany ny lohako, mangihidihidy be tsy laitra, noheveriko fa volofotsy tamin'ny voalohany, fa ohatry ny nisy kiry aho nisy fotoana dia
nalako, kay hagadrano, nividy shampoing anti-pelliculaire marque Dop aho, fa ohatry ny
mananihany ilay izy, maina be ny hodi-dohako, sarotra bangoina ny volo fa otry ny
miraikidraikitra be izany.
sao dia misy mahita vahaolana hafa kay azafady?
isaorana mialoha
dia mirary herinandro masina ho antsika rehetra.
novalian'i soanja ny 10/05/2011 01:28
2. sitlo ( 19/04/2011 17:56)
Hitako ny ahy no tsy hitako...
3. vale ( 19/04/2011 18:09)

sitlo:

Hitako ny ahy no tsy hitako...

lol
4. vale ( 19/04/2011 18:11)
arialy> nahare za fa hosorana anandrano manta hono ny hodi-doha mahafak azy. za loha tsy ùbola nahita olona nanao ilay izy fa asa na tena mety na tsia!
5. arialy ( 20/04/2011 15:15)
sitlo< nifindra taty ve lay izy lol tsss
Vale< zany? tamin'ny za nohongotra volo no nisy nanoro anio, oe tsy ampy fer, dia tonga dia nahosotra direct tamin"ny hodi-doha ny haga-drano dia nijanona tokoa ny fihintsanany.
Sasaiko imbetsaka isan-kerinandro ilay voloko amizao fa tsy tantiko nefa misy milaza koa fa
mety vao maiko ho irrité ny hodi-doha
andramako ndray io anandrano io izany. misaotra
6. sitlo ( 22/04/2011 18:15)
Vazivazy iny fa haiko ny fika.

Seborrheic Dermatitis no anarany. Ireo sary ireo amin'ny tarehy fa rehefa any amin'ny hodi-doha ilay izay dia antsoina hoe angadrano (na hagadrano, tsy haiko ny manoratra azy), na "dandruff".

Tsy haiko hoe inona izany Dop fa rehefa mividy shampoo fanalana azy dia ny ao anatiny jerena. Araka io pejy io dia ny iray amin'ireto no ilaina: salicylic acid, coal tar, zinc, resorcin, ketoconazole, na selenium.

Araka ny fantatro dia voarara any Eoropa ny "coal tar" fa mety mitarika cancer. Fa tsy voarara ilay izy amin'ny amerikanina. Mila prescription avy amin'ny dokotera raha mila pourcentage ambony. Raha tena enjana be vao mankany fa aza mankany raha tsotsotra fotsiny. Misy lafy ratsiny koa mantsy ilay pourcentage ambony.

__________________________________

Bla bla daholo ireny fa miverina foana io raha tsy ny antony mihitsy no tsaboina. Ny fahalalako azy dia ny toxin ao anaty no mahatonga azy. Raha ny tena izy dia ny kaks sy ny pips ary ny hatsembohana no manala ireo. Raha tsy maaraka anefa ireo dia avoakan'ny vatana amin'ny ratra ilay izy. Dia izy no ieritreretako mampiverina ny angadrano foana satria ny vatana mihitsy no mikolokolo ilay olatra kely.
Raha manify ny tsinay, dia mihinana sakafo manatevina azy.
Aza mihinana antibiotique be loatra.
Raha nihinana antibiotique dia mividiana ilay bacterie mahasalama ao amin'ny tsinay ireny. Ireny koa mantsy mety novonoin'ny antibiotika.
Vinaigre paoma ampiasaina raha mampiasa vinaigre fa ireny mamono olatra "fungus", ao amin'ny tsinay.
Misotroa rano matetika hanadio ny voa.
Dia miezaha ho tsemboka farafaharatsiny in-dray isa-kerinandro.
Dia aza adino koa ny mivoaka matetika. Misy kay fivavahana in-droa isa-kerinandro ihany no mikaks. Aza manao an'izany fa trofin'ny tsinay daholo ny toxin rehetra ao.

_____________________________
Fa tsy tena milay koa ange ilay tsy misy angadrano fa lasa kamo manasa loha eh! Dia lasa rasta kely
7. Herimiafina ( 24/04/2011 11:04)
Asio vinaigitra eran'ny sotro ny rano hanasana loha. Le anandrano koa mety, fa tsy midika hoe afaka tanteraka ny angadrano, miankina amin'ny toebatana sy ny toetr'andro koa, ny loton'ny rivotra.
8. niryna ( 24/04/2011 19:57)
Angadrano angamba no filaza azy e,toa hafafahafa be ilay hoe hagadrano
Indraindray toa manaranaka izy io: ary tena mahasorena tokoa ny mijery ilay izy eny amin'ny loha mivangongo toy ny bozaka
Tsy avy amin'ny loha ihany anefa no mety ahitana izany fa any anaty sofina, manodidina ny orona,ny volomaso ary misy aza mivoara-mena sy maina be.
Ny mety ho antony dia : harerahana( vizana ara-batana sy ara-tsaina),miady saina be loatra(stress),ny toetr'andro
Ao ihany koa ny shampoo ampiasaina(misy mantsy natokana @ maina ny hoditra kanefa dia ampiasain'ny olona mamoaka menaka ny hodiny ,na hoe be menaka ny vatany dia mety misy fiantraikany amin'ilay hodi-dohany koa izany.Anisan'izany koa ny lotion izay hosorana ny vatana ka mety miteraka ilay hoditra mangidihidy mena na maina be indrindra moa raha hoe tsy mahazaka alcohol ilay olona kanefa tsy mijery ilay lotion na mamaky ilay soratra shampoo dia izay koa no antony iray)
Ny tena mampalahelo aza dia misy mbola zazakely dia efa voa ihany koa.
Tsy vokatry ny hoe havoretrana na hakamoana na koa hoe mifindra ilay izy ary tsy
allergie ilay izy na hoe zava-doza.Fa araka ny nolazaiko dia misy mangidihidy ary mampihitsana ny volo mihitsy aza.Raha mangidihidy ilay izy ka hatraorina mafy koa dia mety ho mandeha ra na mivoara-mena ary mila mitandrina.
Ny mety sy tokony atao dia manontany any amin'ireny mpivarotra fanafody ireny fa misy shampoo fanalana ilay angadrano ary dia lemana tsara aloha ny loha ary dia atao massage eo amin'ny 5mn eo vao sasana,atao moramora anefa izany( io dia ilaina ho antsika rehetra rehefa manasa loha na tsy voan'ny angadrano aza = manao massage ny hodi-doha).Mila sasana isan'andro ny loha amin'io fotoana io(ilay misy angadrano io an) ary mila hesorina moramora na bangoina mihitsy aza ny volo mba hiala ilay angadrano.Raha zazakely moa dia atao toa izany koa ary bangoina amin'ny borosy malefaka ihany koa ny volony sainga mila mitandrina tsara mba atao moramora satria mbola malefaka ny hodiny.
Raha tsy dia mety miala tsara ilay angadrano dia mividiana ilay menaka kelin-jaza ireny (baby oil) ary hosory ireny (1 ora) ny volo dia avelao eo aloha ary fonosy serviette mafanafana kely.Raha zaza kely dia mila mijery ilay serviette tsy angantsiaka fa mampidina ny temperaturen'ny vatany ilay mangatsiaka atao amin'ny lohany.
Dia sasana amin'ny shampoo amin'izay ary esorina tsara ny ranon-tsavony.Borosina foana ny volo isaky ny avy sasana isan'andro ary toa izany koa ny an'ny zaza.
Toy ny olona sasany tsy maintsy mihinana fanafody koa izy io ka rehefa tsy mandaitra ilay shampoo dia mila manatona dokotera fa izy no anome fanafody na creme hosorana ny hodi-doha na ny vatana.
9. sipagasy ( 30/04/2011 16:14)
ilaina jerena koa ny sakafo ho haninao fa mety mahatonga ilay izy, izany hoe tsy fahatomombanana any anaty dia mivoaka ety ivelany no mety hahatonga ilay angadrano e!

na mety hoe fiasana loha be loatra ihany koa

ka ny tokony ho fantarina dia ny hoe inona no nahatonga ilay andgadrano?? sakafo veh, sa fiasana loha sa inoan??, dia avy eo hita ny vaha olana

mahereza hatrany
10. AndriambyII ( 01/05/2011 06:50)
Ny kely fantatro aloha dia ny fikorianan' ny rà @ hodi-doha no misangôjy , antony iray à 60% mampisy ny angadrano @ olona izany . Ary mety hisy angadrano na anaty sofina , ny orona , ny helika sns , @ vatan' olombelona manontolo rehefa tsentsina ny ankabeazan' ireo mini-veines @ hodi-doha na hodi-tarehy , na hoditry ny vata .Mahatonga ny sebum hivoaka ho azy @ tsy antony dia maha-maina ny hoditra @ faritra sasany hafa @ tena .
Manampy ireo nolazain' ny sasany eo ambony , mikasika ny massage dia marina , fa tena efficace izy raha ampiarahana @ fanaovana accunpucture ny faritry ny lohatsofina . Misy points enina tokony diovin' ny accunpuncture ao ambadiky ny sofina ,ary ampiarahina @ massage sy exercice taïchi ,na yoga , dia fanafana tena mandaitra mikasika ny fahasalaman' ny hoditra iray manontolo .
11. ravonjison ( 05/05/2011 15:06)

arialy:

miarahaba ny rehetra indray
hono hoa misy aminareo ve no efa nisy hagadrano? fa tena manirikiry ahy lay izy,
tsy haiko fa toa nisy hagadrano tampoka izany ny lohako, mangihidihidy be tsy laitra, noheveriko fa volofotsy tamin'ny voalohany, fa ohatry ny nisy kiry aho nisy fotoana dia
nalako, kay hagadrano, nividy shampoing anti-pelliculaire marque Dop aho, fa ohatry ny
mananihany ilay izy, maina be ny hodi-dohako, sarotra bangoina ny volo fa otry ny
miraikidraikitra be izany.
sao dia misy mahita vahaolana hafa kay azafady?
isaorana mialoha
dia mirary herinandro masina ho antsika rehetra.


Salut a.
Efa voalazan'ny namana etsy ambony daholo ny torohevitra rehetra , ka ezahiko tsinjaraina ny hevitra mba ahafahanao mandinika tsara sy mamaha ny olana.
Ny angadrano ( seborrheic dermatitis) dia misy antony be dia be ny mahatonga azy , ireto avy izany:
1- manaranaka izy io
2-aretina anaty ( aty, voa)
3-olana mikasika hormone
4-mycose sy bacterie ( chlamydie, candida sns...)
5- alergie isankarazany: ronono, atody, gluten..sns....
6-stress
7- sakafo
8- aretina miafina isankarazany: lupus erhytomathodes , sns...

Ireo antony ireo dia misy ny mahatonga ilay angadrano avy hatrany, misy kosa ny " mi-declancer ilay izy fotsiny , na manaratsy ny fisehony.Ohatra: efa misy ao aminao ilay izy avy amin'ny dadabenao, saingy rehefa tonga ny puberté vao nitrotra ny hormone ka niseho ilay izy, na koa rehefa nihinana sakafo tsy mahasalama volana maromaro ianao vao niseho ilay izy.
Ka raha toy izany ny fandehany , dia toy izao ny fomba fiasanao:

1- mampiasa fanafody izay manala ilay angadrano avy hatrany ianao : sampoing isankarazany misy ketoconazol na salicylic acid ( matiere principale ao amin'ny Aspirine). Tiako ho marihina anefa fa mizara roa ny angadrano ( angadrano lena sy angadrano maina) ka araka izay koa no hifidiananao ilay sampoing: raha angadrano maina ny anao dia sampoing sady mampamandina hoditra no fidinao, raha angadrano lena kosa dia sampoing manamaina hoditra no fidinao. Izany hoe: tsy andramandramanao fotsiny amin'izao izay sampoing hitanao na henonao etsy sy eroa.
2-ezahinao ovana ny sakafo hohaninao : ny zavatra masimasina loatra ( paoma, paiso...), mamy loatra ( limonady isankarazany), ny sauce vinaigrette isankarazany, ny alcool dia mety mampirongatra ny angadrano. Ezahinao esorina koa ny stress eo amin'ny fiainanao : matory tsara, misotro rano tsara ( na du thé), ezaho ny tsy mieritreritra olana loatra.
3- raha tsy mety afaka ilay izy ao anatin'ny telo volana, dia tsaratsara ny manantona dokotera ianao hijereny ireo mety possibilité ireto : alergie, hormone, aretina anaty.

Tsy azo atao faobe mantsina ilay izy, na koa tsapatsapa vodin'akoho , hoe: asina an'ity na itý dia vita.
Mila faharetana kely ianao, ny ankamaroany dia misy antony mazava ka mila fitsaboana maharitra. Indraindray koa anefa dia afaka hoazy fotsiny amin'izao.Avy eo dia mi-geste ny sasany hoe : ny toroheviny na ny fanafodiny no nahafaka ilay angadrano.
12. arialy ( 06/05/2011 07:58)
misaotra anareo rehetra fa efa nanantona dktr aho dia nilaza izy fa mifandraika tami'ny crise de foi nahazo ahy vao tsy ela (2volana), izay nanaovako cure d'eau ary nandaitra tokoa, ny hangadrano indray dia najanoko ilay DOP fa nosoloiko Fructis, nandaitra ihany koa ilay faharoa, manohy kely ihany aho 1f/sem.
Tena marina fa tia zavatra marikivy loatra aho, raha manao vinaigrette amin'ny salade aza dia ataoko farakizay mairikivy foana, efa novaiko izany.
nisy fotoana moa tsy navelan'ny dktr nihinana na dia agrumes aza mba hanadio ny anaty aloha.
Mankasitraka antsika rehetra
13. ravonjison ( 06/05/2011 08:47)

arialy:

misaotra anareo rehetra fa efa nanantona dktr aho dia nilaza izy fa mifandraika tami'ny crise de foi nahazo ahy vao tsy ela (2volana), izay nanaovako cure d'eau ary nandaitra tokoa, ny hangadrano indray dia najanoko ilay DOP fa nosoloiko Fructis, nandaitra ihany koa ilay faharoa, manohy kely ihany aho 1f/sem.
Tena marina fa tia zavatra marikivy loatra aho, raha manao vinaigrette amin'ny salade aza dia ataoko farakizay mairikivy foana, efa novaiko izany.
nisy fotoana moa tsy navelan'ny dktr nihinana na dia agrumes aza mba hanadio ny anaty aloha.
Mankasitraka antsika rehetra


Tsara izany rehefa fantatra ny antony. Mazotoa mikarakara volo e.
14. soanja ( 10/05/2011 01:27)
Menaka azo avy amin'ny arbre à thé (Melaleuca alternifolia)
Mahasitrana tsara ny angadrano. Misy mivarotra ny shapoo Biolage misy menaka tea tree oil

http://teatreeshampoo.info/matrix-biolage-cooling-mint-shampoo-13-5-ounce-bottle/

andramo anie.
15. soanja ( 10/05/2011 01:28)
Menaka azo avy amin'ny arbre à thé (Melaleuca alternifolia)
Mahasitrana tsara ny angadrano. Misy mivarotra ny shapoo Biolage misy menaka tea tree oil

http://teatreeshampoo.info/matrix-biolage-cooling-mint-shampoo-13-5-ounce-bottle/

andramo anie.
16. soanja ( 10/05/2011 01:28)
Menaka azo avy amin'ny arbre à thé (Melaleuca alternifolia)
Mahasitrana tsara ny angadrano. Misy mivarotra ny shapoo Biolage misy menaka tea tree oil

http://teatreeshampoo.info/matrix-biolage-cooling-mint-shampoo-13-5-ounce-bottle/

andramo anie.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.288