Borné sa malala-tsaina !

1. bor2lais ( 08/04/2011 09:26)
Averiko eto ity lohateny nataon'i Hery ity mba "hakan-drivotra" kely ! Ialako tsiny amin'i Hery ny famerenana azy eto.

-copier/coller-

hery - 09/09/2010 15:47

Mazava ho azy fa mifanohitra ny olona borné sy malala-tsaina. Ka ity misy fitsapan-tena kely hoe borné ve ianao sa malala-tsaina raha resaka finoana no jerena.

Amin'ny Fanontaniana rehetra eto ambany, raha ny valiny a) no raisinao dia borné ianao izay. Raha ny valiny b) dia malala-tsaina enao izay. Dia aza mifampitsaratsara fa samia mitsara tena.

1. Ahoana ny fiheveranao ny tsy mitovy firehana aminao?
a. Diso manontolo
b. Misy marina ihany

2. Ny tenin'iza no marina?
a. Ny ahy irery ihany
b. Mety ho ny an'ny hafa koa

3. Afaka miara-mivavaka amin'ny mpino hafa ve ianao?
a. Sanatria
b. Afaka manotrona aho

4. Firy ny olona ho voavonjy?
a. 144.000
b. Andriamanitra no mahalala

5. Ahoana ny fahitanao ny tsy mitovy finoana aminao?
a. Very any amin'ny afobe ireny
b. Miasa amin'ny rehetra ny Fanahy Masina

fin - copier/coller-----------------
Mazava ho azy fa afaka miteny milaza ny heviny ny rehetra ary isaorana mialoha aza !
novalian'i Dan23 ny 16/04/2011 09:30
2. bor2lais ( 08/04/2011 11:57)
Hafa mety tsy misy ifandraisany fa mba mety tsara vakina sy eritreretina fotsiny ! Resaka mikasika ny sekta izy ity !

--------- copier/coller --------

hery - 10/08/2010 01:30

Voalohany indrindra aloha dia tsy hiresaka ilay dikan'ny sekta ara-bakiteny ilay hoe nisampana aho satria raha izany dia azo lazaina sekta daholo ny fivavahana rehetra.

Fa ilay famaritana ara-kevitra (ara-dalàna, araka ny zo maha-olona, ara-potokevitra) no tiana havoitra.

Ireto misy fomba vitsivitsy hahafantarana ny atao hoe sekta.

- Fanasana atidoha (fandemen-tsaina atao amin'ny mpikambana) mahatonga anao hanameloka ny tenanao sy tsy hanana estime de soi intsony

- Fanerena ankolaka amin'ny ara-bola (Takomana amin'ny hoe hampandroso ny fikambanana sns) Amin'ny voalohany dia tsy dia maninona loatra fa rehefa elaela dia manjary hanome izay rehetra hananana mihitsy... misy mivaro-pananana

- Fisarahana tsikelikely amin'ny fiaraha-monina tsy ao anatin'ny fikambanana (miteraka ady amin'ny fianakaviana mihitsy indraindray) Misy mpivady miady satria ny iray tsy ao anatiny

- Fibaikoana manontolo ny mahaolona ilay mpikambana (tsy tompon'ny tenany intsony fa manao izay lazain'ny Gourou... matahotra izay lazainy, manaraka am-bokony)

- Fiainana anatin'ny tahotra (farandro, fahotan'ny hafa, matahotra fifaneraserana)

- Fiheverana fa ny an'ny tena no tena fiangonana fa ny hafa dia fahaverezana daholo.

Fa ny tena goavana dia Sarotra dia sarotra ny miala ao anaty sekta.

Raha ao amin'ny Fiangonana iray ianao no miala tsy misy arakaraka sy romoromo fa malalaka tsara dia tsy sekta izy izay. Fa raha vao manomboka tezitra mafy ny mpitarika, manao fara-teny, manozona mihitsy aza... dia misaora fa tafavoaka.

--fin copier/coller--
------------
Misaotra an'i Hery nizara !
3. mirananirina ( 08/04/2011 13:19)
Tena marina ireo teny natsipin'ireo namana tetsy ambony.Raha manam-pinoana marina ianao dia tsy voahozongozon'ny finoana hafa,ny tena maharatsy azy koa dia ireto misy manao vavolom-belona mpandainga.....narary aho de sitrana....tsy nety bevohoka aho de lasa bevohoka(satria nivavaka tao?)Fa na aiza na aiza mivavaka rehefa mino sy matoky dia tanteraka ny faniriana.Amiko natao ampianatra sy mampita ny finoana ny pasitera sy mopera sns...fa tsy natao hanala devoly na manao fahagagana toy i Jeso sa mitady hitovy toerana aminy izy ireo?.
4. 0uioui ( 08/04/2011 14:33)
tonga dia aleo valiana eo akilany le hevitry hery tsy aritr i ngah io ary !..


1. Ahoana ny fiheveranao ny tsy mitovy firehana aminao?
a. Diso manontolo ---- analysé-na ka raha tsy ao anaty baiboly na manohitra baiboly dia tsy izy
b. Misy marina ihany

2. Ny tenin'iza no marina? ----izay mifandraika amin'ny tenin'Atra (baiboly)ka tsy olombelona no namorona azy
a. Ny ahy irery ihany
b. Mety ho ny an'ny hafa koa

3. Afaka miara-mivavaka amin'ny mpino hafa ve ianao? ---raha mitovitovy fomba fijery sy doctrine dia mety tsara mihitsy ,fa raha hivavaka amin'ny sary vongana sy Olona na olontsambatra na ...dia tsy mety amiko
a. Sanatria
b. Afaka manotrona aho

4. Firy ny olona ho voavonjy? ----minoa an'i jesosy Tompo dia ho voanjena hianao sy ny ankohonanao = tsy voafetra
a. 144.000
b. Andriamanitra no mahalala

5. Ahoana ny fahitanao ny tsy mitovy finoana aminao? ---mifampianatra sy mifanazava izay lala-marina ny roa tonta ,raha tsisy resy lahatra dia samy mitazona ny finoany no mety
a. Very any amin'ny afobe ireny
b. Miasa amin'ny rehetra ny Fanahy Masina


anatra kely:rahefa hita kosa anefa fa tena mivaona tanteraka ny sasany !!ohatra hoe mivavaka sy manoroka sary vongana na olona na olontsambatra na milalao faty na vovopaty na manao ny Ray ho ety antany ,nefa Atra irery ihany no Ray Masina dia tokony ampahafantarina azy ny lalamahitsy na ny marina azo hambara !..
5. bor2lais ( 08/04/2011 15:11)
Ra-ouioui kosa mamorona valiny c) ! Tandremo fa mety 0/5 ny naoty raha fanadinana io a !!!
6. rijadolly ( 08/04/2011 19:57)
hihihihihi! mampihomehy koa nareo ka!

Ity ny loza:
Na dia efa fantatrao izao aza hoe tsy mety kosa izany lazain' mpitandrina(mopera, pastera, evanjely,...)izany dia tapenana tsotra izao ny sofina ka lazaina fa "marina mihitsy izany, Amena!"

efa voavaliko ato anatiko ny ahy, tsy mety ve izany sa tsy maintsy aseho na a) na b).

Ny hevitra azoko ambara fotsiny dia ny hoe: Andriamanitra aza nanome safidy malalaka antsika zanany, noho izany tokony tsy misy antery ny fitoriana ka hanaiky be fahatany, fa ambara sy toriana ny marina dia ny olona no misafidy ny tiany aleha.
7. 0uioui ( 11/04/2011 05:41)
Bor2lais à Tena naleoko namorona anio valiny""c" nasianao remarque io satria tsy nataonao i hery le izy ..nefa tokony ho eo amn toeran ny "c" ......tokony mbola hisy "d" aza izy io ra ny hevitro...satria diniho anie fa otran biz (oui où non) fotsiny. E de zay tsy mety amiko
8. bor2lais ( 11/04/2011 08:00)
Ra-Ouioui a ! Rehefa manao QCM ange tsy voatery ao daholo ny valiny marina rehetra e ! Saingy ny valinteny atolotra kosa (matetika) dia tsy diso daholo akory !

Vazivazy fa izay koa ange no nanaovako azy hoe "fakan-drivotra" e ! Raha ny tena izy tokoa mantsy dia lohateny 5 samy hafa ireo ka azo velabelarina tsara tahaka ny nataonao : misaotra anao na dia izany aza !
9. rekinbelo ( 11/04/2011 09:57)
amiko ny olona tsy mora tezitra na dia manana ny heviny sy ny fotopinoany fa tia mifanakalo hevitra mba ahafahany mivelatra kokoa no atao hoe malala-tsaina.
10. bor2lais ( 11/04/2011 11:43)
Misaotra an'i rekinbelo amin'ny famaritana nomeny momba ny antsoina hoe malala-tsaina !

Manararaotra kely : mba azon'i rekinbelo valiana ve raha tsy mahadiso ilay fanontaniana ery ambany (lohateny "firy marina") momba ny isa 144000, sns mba ahafahanay mivelatra kokoa amin'ny alalan'ny fifanakalozan-kevitra satria mety samy manana ny heviny sy ny foto-pinoany ny tsi11 eto ?

Misaotra mialoha anao !
11. Dan23 ( 13/04/2011 12:29)
Otran itako fa tsara o le "C"an'i OUIOUI na de ts natao tao anatinle eny ambony aza kou,rehefa tena dinihina le izy de za mahita oe valintenin'ny OUIOUI le "C" de naleony nexposéna teo fa sady valiny ho anazy io no mbola fisokafana famelabelarankevitra hafa ihany koa,koun e!!!!?????
Amiko manokana ny sekta ts de mapisy olana amiko loatra satri ra ohatra ve mo ka ao no aitan'ny olona iray fa mahamety aminy anakaikezany kokoa amin'Andriamanitra de inona moa no olana amzany fa mba samy mifapianatra eo.Misy teny izay ao am baiboly ao(miala tsiny fa tsy tadidiko ny toko sy andininy fa mba tadidiko fotsiny ilay izy de ataoko eto(mety tsy de mitovy loatra amle ao am baiboly ito soratako ito fa ezahako ampitoviana ny heviny a)
-Niteny an'i Jesosy ny mpianany: Mpampianatra ô,nisy olona tany amin'ny nalehanay nandroaka demonia tamin'ny anaranao nefa tsy mety manaraka anao dia noraranay mafy izy
Fa hoy Jesosy taminy:Aoka,rehefa tsy manohitra Ahy izy dia aza rarànareo.
Miala tsiny ry zareo f tsy tadidiko tsara ilay izy ary hifonako fa ohatranzay le dialogue taorian'ny nanirahan'i Jesosy ny mpianany rehefa nomeny fahefana amin'ny asany
12. Miharena ( 13/04/2011 15:30)
Miarahaba an'i Dan23
Ity ny toko sy andininy momba io resaka lazainao io.

Marka 9: 38 Ary hoy Jaona taminy: Mpampianatra ô, nahita olona anankiray namoaka demonia tamin'ny anaranao izahay, ka noraranay izy, satria tsy nanaraka antsika.

39 Fa hoy Jesosy: Aza mandrara azy; fa tsy misy olona izay hanao asa lehibe amin'ny anarako ka hahateny ratsy Ahy vetivety.

40 Fa izay tsy manohitra antsika dia momba antsika.

41 Fa na iza na iza no manome anareo rano eran'ny kapoaka hosotroinareo, satria an'i Kristy hianareo, dia lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho very ny valim-pitiany.

42 Ary na iza na iza no mahatafintohina na iray aza amin'ireo madinika mino Ahy ireo, dia tsara ho azy, raha anantonana vato lehibe fikosoham-bary ny vozony, ka hatsipy ao anaty ranomasina izy.

Midika hoe malala-tsaina Kristy ary mandray ny rehetra fa ireo mpianany indray no mitsaratsara sy manavakavaka.
13. bor2lais ( 13/04/2011 15:38)
Misaotra anao Dan23 mandray anjara amin'ity tafatafa ity !
Dan23:

Amiko manokana ny sekta ts de mapisy olana amiko loatra satri ra ohatra ve mo ka ao no aitan'ny olona iray fa mahamety aminy anakaikezany kokoa amin'Andriamanitra de inona moa no olana amzany fa mba samy mifapianatra eo.

Tena miombon-kevitra aminao tokoa aho raha toa ka izay tokoa no zava-misy ! Indrisy anefa fa matoa noresahina izy ity dia ataoko fa misy ny "dérives" isan-karazany. Ka ny tiana avohitra eto (raha ny fahazoako ny resaky Hery) dia ny fampahafantarana ny fomba fiasa sy ny mety ho vokany ho an'izay tafiditra ao.
hery:

"Voalohany indrindra aloha dia tsy hiresaka ilay dikan'ny sekta ara-bakiteny ilay hoe nisampana aho satria raha izany dia azo lazaina sekta daholo ny fivavahana rehetra.
Fa ilay famaritana ara-kevitra (ara-dalàna, araka ny zo maha-olona, ara-potokevitra) no tiana havoitra."
14. Dan23 ( 14/04/2011 06:47)
Miarahaba antsika indray ôôôô
Miharena>misaotra anao be dia be fa izay tokoa le iz fa indrisy moa fa ny tenanay mbol ts de mahay toko sy andininy firy knooo,koun ee!!.
Ny tena tiko ahatongavana nge ry 'Lay dia ny hoe aleo tsy manenjika ny fivavahan'ny hafa(betsaka moa eto amtsika iz io izan oe raha ny fahalalako azy ny sekta dia tao amin'ny fiangonana iray no niala ka namorona manokana ho azy satria moa io zany samy manana ny hevitra voiziny izan hoe ra adika moa zan dia"miprotester" ve zan no ilazako azy) fa aleo samy mitazona ny azy nefa kosa eo amin'ny fifampiresahan'ny roa tonta no ijerevana izay marimaritra iraisana ka ifampianarana,sarotra mantsy ilay tonga dia miteny hoe"aaaa,diso izany na marina izany" mba analiséna tsara ny hevitry ny tsirairay dia afaka miteny nge rehefa samy tsy misy resy lahatra oe aleo ranga lo tazoniko ihany ny aahy dia hoatrizay koa nenao fa aleo ndray lo isika samy handinika izay voalaza rehetra teo na ny ahy na ny anao dia avy eo indray mba mifampitafa eo tsika a"Ataoko fa tsy hisy mihintsy ny ho tezitra amzay fa raha eo no tonga dia hoe ny anao ranga izao ve de inn ko zan fa ny ahy ihany no marina fa araho a,ngamba lasa ady totohondry ary mety hisy ra mandrika miintsy ôôô,otran le nitranga elaela ihany izay ts teto fa tany ivelany
Misaotra tompoko
15. bor2lais ( 14/04/2011 12:10)
dan23:

Ny tena tiko ahatongavana nge ry 'Lay dia ny hoe aleo tsy manenjika ny fivavahan'ny hafa(betsaka moa eto amtsika iz io izan oe raha ny fahalalako azy ny sekta dia tao amin'ny fiangonana iray no niala ka namorona manokana ho azy satria moa io zany samy manana ny hevitra voiziny izan hoe ra adika moa zan dia"miprotester" ve zan no ilazako azy) fa aleo samy mitazona ny azy ...

Tsy ny anaram-piangonana no enjehina (indrindra fa mitonona ho Kristiana rahateo matetika izy ireny) fa ny fomba ampiasainy izay mety hanimba ny maha-olona mihitsy raha tsy mitandrina no aseho eto ! Mariky ny fitiavana ny ilazana izany zavatra heverina fa tsy mety izany fa tsy fanenjehana akory !

Amiko manokana aloha (ary izay no maharesy lahatra ahy hatreto), ny fivavahana Kristiana dia natao ampivelatra ny maha-olona fa tsy hanidy akory !

Sa ahoana ry 'Lay ?
16. Dan23 ( 16/04/2011 09:30)

bor2lais:

dan23:

Ny tena tiko ahatongavana nge ry 'Lay dia ny hoe aleo tsy manenjika ny fivavahan'ny hafa(betsaka moa eto amtsika iz io izan oe raha ny fahalalako azy ny sekta dia tao amin'ny fiangonana iray no niala ka namorona manokana ho azy satria moa io zany samy manana ny hevitra voiziny izan hoe ra adika moa zan dia"miprotester" ve zan no ilazako azy) fa aleo samy mitazona ny azy ...

Tsy ny anaram-piangonana no enjehina (indrindra fa mitonona ho Kristiana rahateo matetika izy ireny) fa ny fomba ampiasainy izay mety hanimba ny maha-olona mihitsy raha tsy mitandrina no aseho eto ! Mariky ny fitiavana ny ilazana izany zavatra heverina fa tsy mety izany fa tsy fanenjehana akory !

Amiko manokana aloha (ary izay no maharesy lahatra ahy hatreto), ny fivavahana Kristiana dia natao ampivelatra ny maha-olona fa tsy hanidy akory !

Sa ahoana ry 'Lay ?

Eny oa e,ka zay nge le tenenik amn'le fifampiresaan e,mato mis nge ny fifampieresahana dia mis zay ilay fahalalahana sy fitiavana e,koun e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1602