FAMINANIANA 1

1. ydifas ( 03/04/2011 19:07)
Miarahaba antsika amin'ny Anaran'i Kristy ny tenako
Anio dia hafatra ara-paminaniana (message prophétique) voaraina mpanompon'Andriamanitra maro momba an'i Madagasikara no ampitaina amintsika (hafatra natambatambatra). Izany hoe, tsy avy amiko ity fa sendra reko tamina onjam-peo iray. Miangavy anao aho mba hanamparitaka arak'izay tratranao amin'ny malagasy rehetra fantatrao ary hanoro hevitra azy koa hanao toa izany.

"Hoy Jesosy: Ry Madagasikarako, ankehitriny dia hitako ny manjo anao: tebiteby, ahiahy, fanahiana ny ho avy, ny tahotra noho ny tsy fisian'ny fandriam-pahalemana. Tsy hita eo aminao intsony ilay tena fihavanana nindraindrainao taloha. Tsarovy ny lokaloka natao taminao nataon'ireo firenena maro nampanantena ny hanampy sy hamoaka anao ao anaty fahantràna nefa laingany izany. Ny tombontsoany no tadiaviny ao aminao. Vao mainka aza ny hamotika anao no tanjony, ny hampahantra anao bebe kokoa no katsahiny. Ny hahatonga anao ho andevo ara-tsaina, ara-batana ka hiankina aminy mandrakariva no imasoany. Diniho anie, vao misy olana (krizy) eo aminao dia mandà tsy hanampy anao intsony izy ireo, tsy mifanaraka amin'ny fampanantenany ny fihetsiny aminao. Matahotra izy mantsy fa ho very ny tombotsoany. Tsy am-pitiavana no anampiany anao fa fitiavan-tena hahazoany mampikipy ny masonao tsy hahalala izay tiany hatao.

Ankehitriny, ampy izay fotoana nanompoanao ireo firenena hafa ireo izay, ampy izay nampanalavirany Ahy anao izay, efa mihoatra ny fangoronany ny harena rehetra teo aminao. Tsy fantany fa Izaho no robainy satria avy Amiko ireny ary an'ny zanako dia ianao izany. Anio Aho manambara aminao fa tsy manadino anao Aho ary esoriko tsy ho eo aminao izay nandrava anao (Isaia 49/15-17)
Ry Madagasikarako, fitiavana mandrakizay no itiavako anao. Mijoro eto am-baravaranao Aho mivimbina fiadanana, mitondra ny tsara indrindra ho anao. Fahafinaretana ho Ahy ny mahita anao mifaly, mahasondriana Ahy ny fanetre-tenanao amin'ny ataonao rehetra, mety amiko ny toetra tia mandefitra ao anatinao ary afaka miasa ao anatinao sy eo amin'ny taninao Aho noho izany toetra mendrika anananao izany.

Fantaro, ry Madagasikarako, fa efa vitako ny famonjena anao. Efa nofantsihiko teo amin'ny hazofijaliana ny fahotanao. Efa nentiko ny aretinao sy ny fijalianao. Efa resiko avokoa ny adinao. Efa voaloako ny trosam-pahotanao rehetra. Efa ety an-tanako ny fahafahanao sy ny fiadanana ary ny fahasambarana tadiavinao any aman'olona sy any amin'ny sampy.
Ankehitriny, miantso anao Aho ka mitodiha. Aza mitanondrika intsony, atsaharo ny ranomasonao ka mifalia. Ajanony ny fanompoan-tsampy fa tsy mahasoa anao izany.
Raiso ny tanako fa vonona hitantana anao Aho, vonona ny hiaro anao ka handamina izay mikitaontaona eo anoloanao. Sokafy ny fonao fa hofenoiko fitiavana tsy manam-pahataperana, ny fahazavako no hanazava ny sainao ary ny Fanahiko no ampitoeriko ao anatinao."


Mbola hitohy ity hafatra ity.
Ho an'Andriamanitra irery anie ny voninahitra. Amena
novalian'i rijadolly ny 07/04/2011 02:50
2. christian777 ( 04/04/2011 13:34)
fiangonana aiza no mampiseho faminaniana toy ireo
Tandremo ary aza maiky mpiombona ka manao sonia hoe Jesosy no niteny an'ireo?
Omeo aloha ny anaran'ilay fiangonana azafady.
3. Miharena ( 05/04/2011 15:12)
Miandry ny tohiny izahay ydifas a! Tsy maninona izay loharano nahazoana ny hafatra fa ny hany lazaina dia hoe afaka manana saina manavaka tsara izay marina sy diso izay mamaky ny hafatra.
4. rijadolly ( 05/04/2011 16:45)
Ydifas:

Ho an'Andriamanitra irery anie ny voninahitra. Amena

5. christian777 ( 06/04/2011 05:55)

rijadolly:

Ydifas:

Ho an'Andriamanitra irery anie ny voninahitra. Amena



Betsaka ny atao hoe Andriamanitra
Ary tsy izay rehetra manao amiko hoe tompoko tompoko
Fa Andriamanitrareo io miteny io fa tsy ny ahy
6. Miharena ( 06/04/2011 06:16)
Tsy hoe tia mitsaratsara Christian fa mikombona be ny fijerinao ny zavatra rehetra. Andriamananitrao tsy Andriamanitray hoy ianao.
Farito tsara àry izay Andriamanitra tianao hambara fa tsy mahalala afa-tsy Andriamanitra Tokana izahay izay nahary ahy sy ianao ary izao rehetra izao.
7. christian777 ( 06/04/2011 06:21)
(Matio 24:24) « Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana ka haneho famantarana lehibe sy fahagagana, ary raha azo atao, na dia ny olom-boafidy aza dia hofitahiny. »

I Miharena Tandremo fa ny tsy hananao fiangona dia midika mazava tsara hoe tafasaraka amin'i Kristy ianao satria i Kristy no lohan'ny Fiangonana
8. Miharena ( 06/04/2011 07:29)
Hamarininao anie izany ny fiangonana rehetra Christian777 raha lazainao fa Kristy no lohan'ny fiangonana e!
Ny ahy tsy holazaiko hoe ity no fiangonako satria tsy ny fefy no mihazona ahy ao amin'ny Tompo fa "IZY ao anatiko".

Ity fomba fiteny ity angamba no tsy tantin'ny vavonin'ny olona izay toy ireo Fariseo izay raha vao nilazan'i Kristy hoe 'Izaho sy ny Ray dia iray ihany" dia nilaza fa manevateva an'Andriamanitra i Jesosy. Dia hanambara koa ny rehetra fa raha manana io fomba fijery io ny olona dia avy hatrany dia haneho hoe hanangana fiangonana hafa angaha ilehio na koa hoe hanao mpamnany sandoka.

Ilay solomaso no tokony hesorina aloha (andry be eo anoloan'ny maso ao anaty Baiboly) alohan'ny hijerena ifotony izay tsy mampety ny hafa (piti-kazo amin'ny mason'ny rahalahinao).

Miala tsiny Christian777 fa tsy manana loatra fijery mikombona aho fa malalaka be satria izay no hitako nozarain'ny TOMPO tamiko, izay inoako fa Tomponao koa. Ary tsy hoe hampiditra anao atsy na aroa fa ny hampahazava anao aza no ezahana mba hamokatra arivo heny koa ianao sy izay mamaky dinika toy izao.

Samy hitoeran'ny Fahazavan'i Kristy daholo anie.

9. christian777 ( 06/04/2011 07:39)
Eny fa na dia izany aza dia tsy maintsy nisy fiangonana nampianatra anao ihany anie e!
Tsy marina ve izany!
Ny zaza ary nisy toerana nianarany maika fa ny antsika ka mba lazalazao ny lasa mba haminavinana ny ho avy e!
10. bor2lais ( 06/04/2011 11:59)
christian777 : afaka miresaka sy mifanakalo ary mizara eto daholo na dia tsy manana Fiangonana aza ange e !
11. rijadolly ( 06/04/2011 16:18)
Ny naram_piangonana amin'izao fotoana izao no ahafantarana ve fa ho voavonjy ny olona iray? Tsia ny valiny.

Efa rakatro tery am-boalohany io fa tsy maintsy fitoriana anaram-Piangonana, ny anareo tsy voavonjy fa ny anay ihany no ho voavonjy.

Ahoana no hilazanao fa tsy ny Fiangonanao koa dia tsy voakasikan' hoe "MATIO 24: 24 Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana ka haneho famantarana lehibe sy fahagagana, ary raha azo atao, na dia ny olom-boafidy aza dia hofitahiny." dia hilaza izany koa ve izahay ety amin' Fiangonana hafa hoe ny anareo manao fahagaga tahaka ilay kristy sandoka? dia ahoana ny fitsara ny tsy mpino antsika rehetra amin'izay?

Ny tanjoko eto Cristian dia mba ahalalana bebekokoa(handrosoana) ilay Sitrapon'Andriamanitra sy ny fanomezam-boninahitra AZY. Ary tsy ambany noho izany ny fampitana izay sy ny fandresen-dahatrany ny tsy mino fa tsy ho an'izay salama tsara akory ka izaho indray ny anjono ireo mino izay efa ao anaty valan'Andrimanitra ka hitarika azy hivoaka ka hamerina azy ho ao antin'ilay vala ihany, aina very maina tahaka ilay nandevina ilay vola nampiasaina izay. Hifanoro mba tsy ho tsarain' tsy mino sisa no tokony atao fa tsy filazana azy hoe aty Kristy e!, dia ny hafa koa misarika azy hoe aty Kristy e! avy eo manararaotra amin'izay ilay sandoka miteny hoe izaho no kristy e! Ka ny tsy mpino aza amin'izay fanina tanteraka hoe tena Pasitera be bizina tokoa ireto araka ilay tenin'Rajao.
12. Miharena ( 06/04/2011 18:30)
Tafavily be ilay resaka faminaniana izay loha-hevitra eto fa aiza i Safidy mba hizara ny manaraka e!
Sao dia mampihemotra an'i Safidy ilay fanapohan-drano mangatsiaka ataonay eto?

Mifona amin'i Safidy fa lasa adihevitra mivoana ilay natao e!
13. rijadolly ( 07/04/2011 02:50)
Miharena:

Tafavily be ilay resaka faminaniana izay loha-hevitra eto fa aiza i Safidy mba hizara ny manaraka e!
Sao dia mampihemotra an'i Safidy ilay fanapohan-drano mangatsiaka ataonay eto?

Mifona amin'i Safidy fa lasa adihevitra mivoana ilay natao e!

Mialatsiny aho Miharena fa tsy nanaja ilay lalàna misy, ary dia solafaka ny tena noho ny lomotra napetraky ny sasany, dia iny fa nanaran-drenirano feno lomotra ka dia misaotra an'se nisitona ahy fa raha tsy izany angamba dia lasa HS be amin'ilay Lohahevitra ny resaka.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3403