hono oa ! noho ity tsunami sy loza marobe ! sao de tokony ...

1. cyril ( 22/03/2011 09:52)
hiverina hiankohoka amin'i Masina Maria amizay isika zanak'olombelona eratany fa mety izany no mahatezitra an'Andriamanitra de hanasaziny ny olombelona satria be loatra isika kristianina tsy mety manaiky sy miankohoka amin'i Masina Maria sy ireo Masimbavy , masindahy , Olona natsangana ho olontsambatra ,ireo olomasina efa maty ao Vatican zay mila antsoina matetika sy horohana ny sariny sns ....

--mila miverina isika zanak'olombelona miankohoka sy mivavaka amin'ireo de ho foanan'Antra amzay angamba ty loza tsy toko tsy forohana ty !...

diniho ihany anie fa marina zany e !...mandiniha !!!
novalian'i bor2lais ny 05/04/2011 11:54
2. cyril ( 22/03/2011 11:58)


--mila miverina isika zanak'olombelona miankohoka sy mivavaka amin'ireo olomasina ireo de mety ho foanan'Antra amzay angamba ty loza tsy toko tsy forohana miseho ty !...

3. ledala ( 22/03/2011 19:09)
Tena marina tokoa ny anao ny hoe, sao dia fotoana tokoa izao hiverenana bebekokoa amin'ilay nahary ny tany sy ny lanitra, tsy resaka tsonamia ihany fa izao rehetra mitranga maneran-tany izao.
Ny hoe mivavaka amin' i Masina Maria sy ny sisa angamba tsy fombatsika malagasy izany; mangata-pitahiana amin'ny Razana no fiteny fa tsy hoe mivavaka sy miankohaka amin'ny Razana
4. RBNIR ( 23/03/2011 05:07)
cyril:

hiverina hiankohoka amin'i Masina Maria amizay isika zanak'olombelona eratany fa mety izany no mahatezitra an'Andriamanitra de hanasaziny ny olombelona satria be loatra isika kristianina tsy mety manaiky sy miankohoka amin'i Masina Maria sy ireo Masimbavy , masindahy , Olona natsangana ho olontsambatra ,ireo olomasina efa maty ao Vatican zay mila antsoina matetika sy horohana ny sariny sns ....

--mila miverina isika zanak'olombelona miankohoka sy mivavaka amin'ireo de ho foanan'Antra amzay angamba ty loza tsy toko tsy forohana ty !...

diniho ihany anie fa marina zany e !...mandiniha !!!

Faly miarahaba cyrill,

Angamba ataoko fa tsy ho tsiniko raha hamaly ity fanontanianao ity aho mba ho fifampitaizana ary koa ho fanitsiana izay diso araka ny voasoratra hoe « Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana, » (2 Timoty 3:16).
Raha ara-baiboly dia Andriamanitra irery ihany no tokony iankohofana sy hivavahana (Andriamanitra Ray, Zanaka ary Fanahy Masina na ny trinité Masina io). Tena tsy azo atao mihitsy ny miankohoka sy mivavaka amin'ny olona, na olona Masina izy na Tsia, eny fa na dia Anjely aza. Ny apostoly Jaona efa nanao io fahadisoana io ka niankohoka tamin'ny anjely izay nitondra ny hafatr'i Jesosy Kristy Tompo ho azy saingy nahitsin'ilay anjely avy hatrany izy « Dia niankohoka teo amin'ny tongony aho mba hivavaka aminy. Ary hoy izy tamiko: Tandremo. aza manao izao; fa mpanompo namanao ihany aho sady naman'ireo rahalahinao izay mitana ny filazana an'i Jesosy; Andriamanitra ihany no ivavaho; fa ny filazana an'i Jesosy no fanahin'ny faminaniana. » (Apokalypsy 19:10).
Tandremo, fa ny sitrapon'Andriamanitra ihany no tokony arahintsika ary tokony hariana avikoa izay mifanohitra amin'izany.

Samy ho tahin'ny Tompo anie isika rehetra

5. nyhaingo ( 24/03/2011 13:29)
o ry cyril a

tsy ny fivavahana amin'i maria akory no ratsy sy tsy mety anie hatramin'izay fa ilay fomba fivavaka amin'ireo olomasina mihitsy no tsy mety e ,
tokony ho atao daholo izay fombafomba rehetra entina mivavaka fa tsy hoe hivavaka fe hivavaka fotsiny ,ohatra :tokony sady mivavaka amin'ireo olomasina no mangatapitahiana aminy sady mba mivavaka amin'i maria mba hanala ny helotsika i zezo ,eo koa ny fomba fivavak'isika amin'ireo olomasina hoy aho , tokony arahana oroka amin'ireo tsangambatony fa tsy vavaka fotsiny no atao
6. varygasy ( 24/03/2011 18:13)
salama ry cyril sy ireo mitovy hevitra aminy!.
Ny tena hitako aminareo dia tsy ampy famakiana baiboly loatra angamba ka manjary manainky befahatany fotsiny izay lazain'ny Mômpera eo.
Tsy izay lazain'ny mômpera akory dia marina avokoa fa olona tahaka antsika ihany izy,ary ny baiboly efa nadika amin'ny teny Malagasy ka azon'ny rehetra atao ny mandalina azy.
Ny tiako ambara dia izao jereo ny Baiboly fa tsy misy mihintsy ao ny manamarina ny hoe mivavaka @ olomasina izatsy na izaroa na koa miankohoka @ sariny sy izay mitovy @ izany.Fampianarana noforonin'ny sain'olombelona fotsiny izany fa tsy araka ny baiboly izay arahintsika kristianina akory.
Enga anie ka samy handinika ny baiboly ampitandremana sy amin'ny saina mifantoka ny Kristianina rehetra dia ho ampy fahalalana ny @ tena finoana kristianina marina .
7. Miharena ( 26/03/2011 04:53)
Cyril:

hiverina hiankohoka amin'i Masina Maria amizay isika zanak'olombelona eratany fa mety izany no mahatezitra an'Andriamanitra de hanasaziny ny olombelona satria be loatra isika kristianina tsy mety manaiky sy miankohoka amin'i Masina Maria sy ireo Masimbavy , masindahy , Olona natsangana ho olontsambatra ,ireo olomasina efa maty ao Vatican zay mila antsoina matetika sy horohana ny sariny sns ....




Miala tsiny raha mandray ity adihevitra vokatry ny fametrahan-kevitra voalohany nataon'i Cyril ity. Toa tonga dia fifanoheran-kevitra no mibahana eto fa tsy mijery ny vontoatiny entina hilazana fa marina na tsia ny voalaza.
Fanontaniana tokony hovaliana aloha hoe, fantatra tsatra ve izay hiankohofana ary inona no antony hiankohofana aminy? Manome vokatra toy ny ahoana ny fiankohofana? Inona no heriny?

Fanontaniana faharoa: inona no antony hangatahana fanampiana? Iza no hangatahana izany? Inona no toetran'ny mpangataka? fantatry ny mpangataka tsara ve fa misy ary mamaly azy ilay hangatahany fanampiana sa miantefa amina ary manjavozavo fotsiny izany ?
8. nyhaingo ( 26/03/2011 07:46)
Inona no tia i miharena ho tenenina anzany fa le fanotanianao zao efa novaliko ao atsaiko. Ato daolo, tadidio ko anefa fa n'a ireo lelike aza de manoroka s'y miankohoka daolo à. Ohatra pape,évéque ,mopera, ...ka aona mo zay madinika. No ts mba hanao..sady zao ty nedala a tsy mamaky baiboly ko zany reo lehibe? Tsy possible zay..fa mazava tsara n hevitrareo ho dinihina e
9. nyhaingo ( 26/03/2011 07:49)
Azafd fa lehibe fa tsy lelike fa diso fanoratre saotr o..
10. nyhaingo ( 26/03/2011 07:54)
Azavao tsara le hevitrareo fa mampiroaroa saina be le reraka ,andefasako versets biblique ko hanamarinanao azy oe
11. Miharena ( 26/03/2011 14:36)
Raha verset biblique aloha dia tsy afaka isika ny hanao hoe ny fombafomban'ny olona hivavaka dia ho ao avokoa fa ny vontoatin'ny fahendrena FOTOTRA no ao. Ka izany no nangatahana ny hamaliana ireo fanontaniana eo ambony ireo hoe azo tokoa ve ny antony hanaovana ireo fombafomba ireo sa tsia ary inona no vokany? Extra-biblique izany fa tsy ao anatiny mihitsy rehefa manazava ny antony hanaovana ireo fombafomba.
12. andrywui ( 31/03/2011 19:06)
tokony mba asian'i Miharena ,varygasy , ledala versets biblique tokoa manamarina na mandiso an'izay hoe tsy piera no eo ambavahady zay fa manjary miroaroa saina tokoa zao na izaho aza ,sady raha vao itan'i hery sy ika eto zao ito dinika ito de ho avy hanazava ny heviny sy ny tena fototra doctrine manamarina an'io piera io eto ry zalah reo ,hoe tena i piera tokoa no mampiditra izay ho voavonjy sy zay ho verezina any amin'ny afobe na helo !...asio versets iany ry reto aa amzay takina ze mtady mbola hanamarina anizay ,....fa za ko anie oa zao miroaroa saina oe tena i piera tokoa a
13. Miharena ( 01/04/2011 06:41)
Miarahaba ny namana rehetra e!

Ity àry ny valiny tadiavina ry zareo a!

Ao amin'ny Romana 14 izao:

1 Ary raiso ny malemy finoana, nefa aza mandray azy hitsaranareo ny eritreriny.

2 Ny anankiray mino fa mahazo mihinana ny zavatra rehetra izy, fa ny anankiray kosa malemy finoana, ka dia mihinana zavamaniry ihany.

3 Aoka ny mihinana tsy hanamavo ny tsy mihinana; ary aoka kosa ny tsy mihinana tsy hitsara ny mihinana; fa Andriamanitra no efa nandray azy.

4 Iza moa hianao izay mitsara ny mpanompon'ny hafa? Amin'ny tompony ihany no ijoroany na ahalavoany. Nefa hampotoerina ihany izy; fa mahay mampitoetra azy ny Tompo.

5 Ny anankiray manao ny andro anankiray ho mihoatra noho ny andro sasany; ary ny anankiray kosa manao ny andro rehetra hitovy. Aoka samy hatoky tsara ao amin'ny sainy avy izy.

6 Ny mitandrina ny andro dia mitandrina izany ho an'ny Tompo. Ary ny mihinana dia mihinana ho an'ny Tompo, satria misaotra an'Andriamanitra izy; ary ny tsy mihinana kosa dia tsy mihinana ho an'ny Tompo, sady misaotra an'Andriamanitra koa izy.

7 Fa tsy misy velon-ko an'ny tenany isika, ary tsy misy maty ho an'ny tenany.

8 Fa raha velona isika, dia velona ho an'ny Tompo; ary raha maty isika, dia maty ho an'ny Tompo; koa amin'izany, na velona na maty isika, dia an'ny Tompo ihany.

9 Fa izany no nahafatesan'i Kristy sy nahavelomany indray, mba ho Tompon'ny maty sy ny velona Izy.

Ireo tsy matavy aloha dia mahafaoka ny resaka fomba fifantohana amin'ny Tompo samy manana ny azy, ary ireo sora-matavy kosa no iraisan'ny rehetra ka aza miroaroa saina izany fa rehefa fantatrao fa ao aminao ny Tompo ary matoky Azy amin'ny ASANY ianao dia izay no andrasana aminao fa tsy mierikerika mangarom-bilany any amin'ny hafa any fa izy sy ny Tompo efa nifanatrika ny momba izay fombany avy noho i Kristy.

Efa eo amin'ny fotoana hamelana an'Andrimanitra hanao ny asany tanteraka isika izao, izany hoe mametraka ny fiainana eo AMINY dia tsy miroaroa saina fa ireo be adisanina amin'ny hevitra isan-karazany dia ho herim-po very maina fotsiny raha tsy manaiky entina toy ny zaza.

Fa na izy moa be adisanina na tsia, na velona na maty dia an'ny Tompo e! Rehefa mahafantatra izay dia miaina miaraka Aminy.

Ary raha hoe Petera na ny Apostoly, efa ao amin'ny Tompo ireny ka izay fifampiresahana aminizy ireo dia mazava fa hevitra momba an'Andriamanitra daholo no horesahiny.
14. christian777 ( 04/04/2011 13:42)
Tandremo fa tsy azo atao ny mivavaka amin'ny olona masina

Tandremo fa tsy azo ampanarahina ny mahametimety anao ny voalaza ao amin'ny baiboly

Tandremo fa Fanahy masina no nanoratra an'io

Mivavaha alohan'ny hamakianao ny Baiboly

Tandremo fa masina ny Tenin'Andriamanitra

Mahereza mivavaka
15. bor2lais ( 05/04/2011 11:54)
christian777 > mba be "tandremo" koa ange any aminareo any izany a !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0515