Aiza avy ny la'lana vita any Mada

1. jekanefara ( 11/02/2011 20:44)
Raha mba misy afaka manoro hoe aiza ny lalana tody fiara (taxi-brousse ihany no ady eo) any Mada mba hanomanana vakansy any Mada? Efa 5 taona no tsy tany ka henonay ihany hoe nisy lalana vita talohaloha teo fa tsy hay ny atsipirihiny hoe hatraiza ka hatraiza. Misaotra indrindra o!
novalian'i tsintso ny 19/02/2011 17:13
2. hery ( 12/02/2011 19:00)
Salama

Arakarak'ilay tianao handehanana ihany aloha fa efa be be ihany izay lalana namboarin'i Ravalo izay. Misy fotsiny ny efa simba.
Ny lalana efa vita tsara izao dia iny RN7 iny tsy misy lalan-tany intsony hatrany Toliara. Iny antampon'Ihorombe iny vita Goudron daholo.
Ny miantsimo atsinanana koa dia vita tsara. Mananjary Farafangana Vangaindrano
Ny mianavaratra koa dia toa vita tsara daholo. Hatrany Antsohihy sy Mahajanga aloha no fantatro fa tsy fantatro ny any Antsiranana.
Ny RN2 mandeha any Toamasina moa tsy misy olana.

Ny olana dia Toamasina Foulpointe... ratsy be ny lalana.
Toliara mandeha Ifaty koa mbola ratsy be ny lalana.

Misy ny safidy izany e
3. soanja ( 13/02/2011 01:29)
Vita tsara koa ny lalana mankany Antsiranana na DIEGO ka. Misy simba kely fotsiny eny anelanelany saingy afaka ny fiara tsara mihitsy ary roa andro latsaka dia efa tonga any raha miala ao Antananarivo raha efatr'andro no haingana indrindra taloha.

Raha te hanao vakansy mahafinaritra dia ity misy lalana atoroko tena mahafapo ny fianakaviana. Mandeha fiara avy ao Antananarivo mankany Mananjary. Mijanona 2 andro ao Ranomafana Ifanadihana mitsidika parka avy eo manohy midina. Eo Mananjary amin'izay mandeha sambo/ kanoty miakatra an'i Nosy Varika mandeha amin'iny lakan-drano Pangalana iny, adiny 9 iny fa mahafinaritra be mihitsy. Rehefa tonga ao Nosy Varika dia maika aina kely dia manohy indray manaraka Pangalana ihany miakatra Mahanoro. Ao Mahanoro amin'izay mamonjy an'i Toamasina mandeha fiara indray. Raha mbola manampotoana mankany Soanierana Ivongo manohy dia mandray sambo mankany Ste Marie. Dia any Ste Marie maka ropilanina mody any Antananarivo na miverina amin'ny lalana miakatra dia mamangy an'i parka Andasibe vao Tana.

Mahita ny soa fa mamy ilay nosy.
4. tsintso ( 19/02/2011 17:13)
efa vita tanteraka izao ny lalana mankany antsiranana na diƩgo hafa ny taloha ireny na eo mampikony aza de tena efa vita e! milamina be azo indray andro antananarivo sy antsiranana na ny frais aza de eo amin ny 300 000fmg eo tana diego amizao ianao aza mbola afaka miady varotra satri efa be ny mpandeha sy ny fiara miasa any de manararaotra mitsidika an i nosy be
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2218