bandy kanosa be

1. nilex ( 07/02/2011 13:54)
Misy bandy izay any efa 25 ans nedala dia nahabevoka sipa,tsy nety nanambady an'ilay sipa anefa izy fa tsy mbola vonona hono sady lery tsy miasa fa zanaka olona manana fotsiny.Nefa izy tsy mahafoy ilay zaza hono fa azy io.Ny ray amandreniny anefa tsy mahafoy ilay zafikeliny fa hikarakara ilay vehivavy hono.Rehefa tena niala nenina ny fianakaviana roa tonta tamin'ny fampiheritreretana ity rainjaza dia nanda hatramin'ny farany izy ary dia nilaza fa aleo hono ho teraka ny zaza dia ho jereny raha mitovy aminy izay vao hanambady izy.Ny tena marina anefa dia fialana bala fotsiny io satria nandritra ny fifampidinihina rehetra dia niaiky hatrany izy fa tena zanany io ary ho raisiny ny andraikiny.Lery aloha dia jiolamboto mihintsy e,misotro toaka,mifoka sigara,mety mifoka moly koa angamba fa mahay manafina toetra be mihintsy an.Mpanataka sipa no ataon'ilery mody mampalahelo dia maka vola fotsiny no ataony.
Araka ny hevitrao mpamaky,tokony mbola hanambitamby azy ve ity tovovavy ity sa ahoana,tokonoy hitory ve?sa tokony hipetraka fotsiny.Ny maman'ilay bandy manambitamby be an'ilay vehivavy nefa tsy manampy akory ,tsy fantatra mihintsy izay heviny fa toa fetsifetsy.Tsy foiny ny zafikeliny nefa na ariary aza tsy foiny mba hikarakarana ny reniny.
Raha misy manana hevitra dia resaho eto e,misaotra indrindra .
novalian'i Aynah ny 04/03/2011 13:00
2. soanja ( 07/02/2011 21:16)
Inona re ry lanitra no aniriana hanambady olona toy izany e?
Raha manome fanampiana amin'ny famelomana ny zaza ry zareo dia isaory Andriamanitra fa raha amin'ny toeran' ilay vehivavy aho dia mampionon-tena aho, ary tsy hanantena valala an-danitra.
Na izany na tsy izany anefa dia tsara lalandava ny ahafantaran'ilay zaza ny ray nipoirany raha tsy hoe efa lehilahy ratsy sy mpanimbazimba izy. Ampafantaro ny zanakao iza no nahaolona azy teto an-tany. Omeo azy ny fahafahana hitia ny nahitany masoandro. Ny fototra amin'izao dia ilay zaza indray fa tsy hoe ny dadany sy ny reniny. Izay tsy mifankatia aoka tsy hifanambady.
3. nilex ( 08/02/2011 05:47)
Marina mihintsy ny teninao fa izy aloha dia irony bandy tsy faka vady mihintsy.Fa raha ny paoziny aloha dia toy ireny olona ireny fa raha ny ao anaty sainy dia toa biby.
Ny tsy azonao dia izao tamin'ny voalohany izy dia niaiky tsara fa zanany io ary efa nidinika raharaha mihintsy aza izy roa kely.Avy eo lery nahita sipa manja be dia nivadika tanteraka ary rehefa noteren'ny fianakaviana aza lery dia nolazainy fa tsy zanany indray io fa aleo aloha ho teraka hono dia ho itany eo.Ny mandreraka ny sain'ny fianakaviana dia izao,izy tsy miraharaha ny zanany,ny ray sy reniny anefa misisika mafy nefa tsy manampy ilay tovovavy koa.
Ny olana dia izao,ny renin'ny zaza dia vao 23 ans,tena tsara tarehy izany hoe mbola mety hanana ny hoaviny hafa mihintsy satria izay zaza iray misy bandy mahavita an'izany e.
Nefa iretsy manelingelina eo nefa tsy hita izay ataony.Mampifilafila nefa tsy hanao.
Rehefa nodinihina ny cas anlery dia izao ;zanaka mpanana izy nefa tsy dia nianatra firy ka matahotra ny tsy hahavita hamelona vady,lany revy fotsiny ny fotoana.Rehefa tonga ny olana dia tsy sahy satria tsy manana na inona na inona.Mampalahelo
4. Belle ( 08/02/2011 12:27)
Midi-kizo ho an'ny androm-piainany ho avy ilay vehivavy raha misisika manambady izany bandy izany.

Raha ny hitory ilay bandy indray dia tsy misy dikany satria samy efa ampy taona rizareo ary nifanarahana ny zavatra natao fa tsy voaolana akory razazavavy raha ny voalaza.

Ny fahendrena dia mitazona ny zaza sy mamelona azy tsy misy raorao, fa mampahafantatra azy ny rainy fotsiny rehefa tonga ny fotoana mahamety izany.

Mahereza e!
5. nilex ( 08/02/2011 13:28)
Ka izao ary e,marina daholo izany fa izao no anontaniako aminareo.Ilay bandy ankehitriny dia tsy manaiky indray hoe zanany io,ka raha tsy manaiky hatramin'ny farany ary ve izy dia tokony ho lazaina amin'ilay zaza izany ,tsy handratra ny sain'ny zaza ve ?satria mety ho ailikiny fotsiny ilay zaza.Mino aho mantsy fa ilay filazany hoe tsy zanany io dia fialana bala fotsiny satria tsy te handray andraikitra izy.
Raha ny fitoriana indray dia izao.Marina fa ampy taona ry zareo.Ny managadra azy no tsy mety fa ny manery azy azo atao ,efa nanantona olona ambony tao amin'ny fitsarana ry zareo fa misy ny azo atao nefa raha ho terena koa izy dia ho tokatrano mampihomehy be no hitranga eo.
6. mirananirina ( 08/02/2011 14:59)
Tena ratsy dia ratsy tokoa ny zaza tsy manana ray,ataovy izay anjanahany ny zanany raha vao teraka izy.(na tsy vadiny aza aloha enao)Amin'ny tambitamby sns.....raha sanatria ka mbola tsy mety ihany izy dia ilazao azy izao:Aza matahotra enao fa na ny anaranao aza dia tsy ampahafantariko an'io zaza io.Tapaho tanteraka ny fifandraisana aminy,any andro mbola homen'Andriamanitra ray ny zanakao.Tandremo @ sisa ny manao bevohoka tsy manambady.Ny lhl tsy azotsika terena @ izay tiany.Mahereza
(Raha efa majeur ilay vhv dia tsy afaka mitory azy mihitsy)
7. soanja ( 08/02/2011 19:28)

nilex:

Marina mihintsy ny teninao fa izy aloha dia irony bandy tsy faka vady mihintsy.Fa raha ny paoziny aloha dia toy ireny olona ireny fa raha ny ao anaty sainy dia toa biby.
Ny tsy azonao dia izao tamin'ny voalohany izy dia niaiky tsara fa zanany io ary efa nidinika raharaha mihintsy aza izy roa kely.Avy eo lery nahita sipa manja be dia nivadika tanteraka ary rehefa noteren'ny fianakaviana aza lery dia nolazainy fa tsy zanany indray io fa aleo aloha ho teraka hono dia ho itany eo.Ny mandreraka ny sain'ny fianakaviana dia izao,izy tsy miraharaha ny zanany,ny ray sy reniny anefa misisika mafy nefa tsy manampy ilay tovovavy koa.
Ny olana dia izao,ny renin'ny zaza dia vao 23 ans,tena tsara tarehy izany hoe mbola mety hanana ny hoaviny hafa mihintsy satria izay zaza iray misy bandy mahavita an'izany e.
Nefa iretsy manelingelina eo nefa tsy hita izay ataony.Mampifilafila nefa tsy hanao.
Rehefa nodinihina ny cas anlery dia izao ;zanaka mpanana izy nefa tsy dia nianatra firy ka matahotra ny tsy hahavita hamelona vady,lany revy fotsiny ny fotoana.Rehefa tonga ny olana dia tsy sahy satria tsy manana na inona na inona.Mampalahelo


Ny fahitako azy dia matoa bevohoka ny olona iray dia zavatra niaraha-nanao ary samy olondehibe raha ny taona ka mahalala avy ny fiantraikan'izany hoe manao bevohoka izany, indrindra tsy ao anaty fanambadiana.

Raha miala bala ilay tovolahy dia mampalahelo izany, indrindra raha milaza fa tsy azy ny zaza. Raha misy lehilahy manao izany dia aza misisika akory. Aza miady mafy amin'izany fa hanimba fotsiny ny ho avin'ilay zaza. Fa rehefa lehibe sy mahatsapa tena ilay zalahy dia ho avy eo izy hitady ny zanany. dia eo koa mahita izy. Ankoatr'izay dia apetraho amin'Andriamanitra ny zava-drehetra dia izy mandahatra. Fa ny hoe hi-force sy hikiribiby hanosoketa azy ka hiady ny hanambadiany ny olon-tsy tiany intsony dia tsy fahendrena izany fa fitadiavana fijaliana na ho an'ilay reny na ho an'ilay zaza. Amiko misaora Andriamanitra fa mbola tsy tao anaty mariazy dia efa hita ny toetra ratsiny.

Izay hareny any. Tsy dia hitako ny idiran'izany eto aloha.
Karakarao izay haloakan'ny kibo fa izay manjeny aleo izy ho any fa izay ny momba azy. mahereza.
8. nilex ( 09/02/2011 05:31)
Misaotra antsika amin'ny toro hevitra fa tena mahafinaritra daholo.Fangalana ny hevitrareo ihany no natao teto manolona ny zavatra nitranga ary hita tokoa fa mifanojo amin'ny hevitray ihany.Fa ny tena marina dia izao,Ny mivavaka ho azy no azo atao fa ny manery azy tsy mety.Ahy ny famaliana hoy Jehovah fa hianareo Hangina.Ankinina aminy manontolo io dia ho hita eo ny sitrapony.Misaotra antsika rehetra.
9. 3188 ( 10/02/2011 17:32)
hyo i soanja hoe;inona re ry lanitra no aniriana anambady olona tahak'izany e!..........
10. Aynah ( 04/03/2011 13:00)
Nilex, marina daholo ireo! Ireto ny mba hevitro : Voalohany dia izay no sitrapon'Andriamanitra, tsisy zavatra tonga ho azy na dia fantatra aza fa manaonao foana raolombelona, fa ataon'Andriamanitra misy antony ny zava-drehetra, isaory azy foana na mangidy tsy telina aza fa Azy ny vahaolana. Faha2, aza misisika amizany olona izany, na manankarena an'izao tontolo izao aza izy, tsy izany no hahavaha ny olàna. Efa nolaviny ny zaza dia aleo mipetraka, tapahana ny fifandraisana sy fifaneraserana fa ny hahadongadonga ny zaza no atao. Iny zaza iny no avenir-nao fa tsy ny rainy akory! Miezaha, miasà, mivavaha! Mangataha dada sahaza ho an'ny zaza! Raha mbola kely izy (jusqu'à 6 ou 7ans) dia aza resahana izay rainy any fa manimba ny sainy sy ny fianarany, ary indrindra ny toetrany lasa misy esprit de rebelle, manohatra foana. Ezaho ny hahampy fitiavana sy tambitamby azy, ataovy hitany fa tia azy ianao reniny! Ho avy ny fotoana iray, ianao manja be, tanora be, tonga ny anjaranao, hazavao tsara amin'ilay rainy vaovao ny cas-nao fa raha tena tiany ianao dia hi-comprendre izy ary hanangana ny zaza! Rehefa tonga saina tsara ny aza vao ampahafantarina azy ny cas-n'ny rainy nahaolona azy! Ao aoriana kely, le sang appelle le sang, izany hoe tsy maintsy hisy fotoana hitadiavan'ny rainy ny zaza, ary ho avy izany, any ianao vao mila matotra tsara mamaly azy ny tokony ho fantany sy sahaza azy! Ary tsy ho anjaranao samirery ny hanapa-kevitra amizay hoe homena azy ve ny zaza rehefa lehibe sy dongadonga, fa mandray anjara koa ny zaza, mandray anjara ny ray aman-dreninao, mandray anjara izay vadinao vaovao eo! Fa ny voalohany ampandraiso anjara dia Jesosy Kristy! Zay fa mahereza satria be dia be ny cas ohatran'io surtout ny tanora ankehitriny....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4548