TASY AM TAREHY

1. bunny ( 01/02/2011 16:11)
mety efa niseho teto ngambany ity resaka ity fa haveriko ihany, inona no fanafody na menaka fanasorana tasy am tarehy sy tanana, mba nampiasa mpadio sy mpandalao fa toa tsisy fekaitrany e dia mitady hevitra avy am namana e!
misaotra
novalian'i Brune ny 11/09/2011 15:23
2. hana ( 02/02/2011 11:00)
panda ve ilay esorina? Fonds de teint ampiasaina, na masonjohany. Anaovanao izy androany, diovina tsara @ alina (raha fonds de teint) fa tsy haiko hoe azo hanaovana adiny firy ny masonjohany, dia rahampitso maraina hitanao hoe madio be ny tava. Afaka mampiasa crème de jour avy eo na izay efa fampiasanao. Ataovy isan-kerinandro izay.
Aty aoriana, fadio ny mitanin'andro, manaova satroka na mitondrà elo raha ilaina. dia aza manovaova zavatra ahosotra @ tarehy fa vao mainka manimba azy
mahereza e
3. bunny ( 02/02/2011 22:36)
hana:

misaotra hana, ny masonjoany izany ve azo hahositra @ al?
msotra e
4. hana ( 03/02/2011 11:49)
tsy mbola nampiasa masonjohany mihitsy aho fa olona efa nampiasa no fantatro. Ilay ohatry ny taniravo fanosotry ny vehivavy any @ faritra mafana, na indraindray; ataony ohatry ny soratsoratra @ tarehiny ireny ilay izy. Any @ homéopharma koa misy ka ry zareo anontaniana ny fampiasàna azy. Mety hanana vahaolana hafa atolotra annao koa aza ny homéopharma satria manana produits hafa fanao @ tarehy koa ry zareo
5. bunny ( 04/02/2011 19:31)
misaotra akia hana a!!!!
6. vale ( 06/02/2011 22:31)
Za koa matetika misy taches brunes (io ve klou le tasy?) fa jereo fa misy crème manala azy, DIADERMINE - anti-tâches ( crème de jour) efficace io, anti-âge alou ilay izy fa tsy maninona fa mety tsara raha olona efa feno 30ans miakatra!!!
7. niryna ( 07/02/2011 17:39)
Vokatry ny hafanana be any amintsika no antony iray mahatonga ny hoditry ny tavantsika misy tasy.Efa ela izany fa rehefa mazava ny hoditra dia hita eo ilay izy.Isika mantsy tsy mba nanao izany hoe menaka ahositra hiarovana ny tavana izany(contre soleil).Ny olon-dehibe koa no matetika mitondra elo fa tsy fahita firy izany tanora mitondra elo izany.Ny satroka moa dia e,e.
Io no antony iray ary ny antony manaraka dia aretina any anaty no mivoaka aty ivelany.Mety vavony na aty na zavatra hafa.Be ihany izay mimlaza azy ho mahasitrana izany fa temporaire avokoa ireny.Misy aza dia toy ny porcelaine mihitsy ny tavan'ny olona(manambola izy hividianana ireny produits maro karazany ireny kanefa ny mahazava-doza azy dia mivalo mainty ilay olona rehefa ho faty.Raha tena manahirana sy manembatsembana ny sainao ilay tasy kely eo amin'ny takolakao dia asio fond de teint kely fotsiny ,mila diovina tsara koa anefa ny takolaka aloan'ny atory.Rehefa tsy mivaky loha hianao fa manja foana na misy an'io na tsy misy an'io dia toa milentika ho azy ilay izy ary tsy misy maha-remarque izany na hianao aza ,ha,ha.Raha mahazaka misotro rano dia misotroa rano matimaty isan'andro ary indrindra raha vao mifoha maraina dia asio ranomboasarimakirana kely,vao mifoha io an sady manadio ny vatana ary indrindra moa miampy ny fanaovana exercices dia lasa avokoa ny hatsembohana rehetra.Aza tonga dia fafana na hoe tonga dia mandro fa miandrasa kely aloha dia avy eo sasao amin'ny rano matimaty miaraka ny savony ny tava ary asio menaka kely(na menaka olive kely io na menaka kely misy moisturized.
Ilay masonjohany hono tsy manala ny tasy izany fa manalefaka ny hoditra
8. bunny ( 07/02/2011 21:02)
niryna:

misaotra bdb @ torohevitra e fa tena manampy!!
9. vale ( 27/02/2011 13:03)
Hoy Nyrina:
Ilay masonjohany hono tsy manala ny tasy izany fa manalefaka ny hoditra
--------------------
za efa nipetraka tany amorontsiraka taloha ary efa nampiasa masonjohany fa iny natao hiarovana indrindra indrindra amin'ny masoandro izay miteraka ilay tasy, sady manalefaka ihany koa, fa zavatra iray mahavariana ahy koa anefa misy olona manao azy ireny isan'nandro, na ts mivoaka amin'ny masoandro aza, ary lasa mazavazava be ny lokon'ny tarehany, sodé tokony hanramana ihany sao mba mampazava ilay tas y aza?!; fa ny nanomezako io crème eo ambony io moa dia za tsy mba karazan'oul egoiste na felonana ireny ka oe tasy mizara ny sectret de beauté_ko (za akory ts miteny oe tsara za an eto, sodé misy manray tsy raisina eo indray aaa, mdr), fa mba fitiavana te hizara fotsiny, fa tena efficace io, ny mamako aza efa 50ans mahery vao nampiasa an'io tonga dia lasa malefaka kely ny tarehany sady niala dol ny tasy rehetra taminy, ary tsy mahafaty antoka ihany ny mividy an'izy io satria zavatsoa no azonao eo avy eo, tena afapo ianao, fa ilay oe rehefa aho faty dia miha-mangana indray aloha mety produits hafa mints izany satria toa tsy mbola naita izany cas izany za na nahare fa vao sambany, ity px nozaraiko ity mants tsy zavatra mahery be, fa toy ny crème de jour fanao andavanandro ian, raha tsy mety amin'i Bunny moa ilay izy dia andramo ian lé masoanjohany (satria natoraly ihany koa, araka ny itiavanao azy, bonne chance).
10. bazylou ( 03/03/2011 19:56)
asio goma
11. vale ( 04/03/2011 12:27)
lollll, raha tsy Bazylou indray ve moa tsy hiteny an'izany e, mdr!
12. arialy ( 08/03/2011 18:04)
ny tantely sy voasary makirana koa anie manadio tarehy sady mampihidy maso-koditra é
atao amin'ny maraina mifoha na lay andeha hatory iny, eo am 30mn dia kobanina am rano matimaty .
andramo raha mety aminao.
13. Brune ( 11/09/2011 15:23)
Bonjour, somary taraiky be le valiny fa ra ohatra ka mbola misy problème enao aminy le tasy aminy tarehy na aminy tanana dia mividiana crème d'ALOES, ra ohatra ka mila détails enao an dia contacteo fontsiny za satria io produit io an tsy ho hitanao aminy grande surface.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1516