NY FAT SY NY FILOHANY NO MELOKA VOALOHANY

1. RUZ9 ( 18/01/2011 11:35)
Hitsingerina tsy ho ela ity ny faharoa taonan'ny doro trano sy fandrobana goavana nataon' ny sasany t@ 26-012009, tsy hiantso mpanakanto vahiny angaha ry FAT hankalazana an'ireny a, ireny fampihorohoroana sy fan,drobana ireny mantsy no anisan' ny fitaovana nampiasainareo hahazoana ny fahefana.

AIZA ILAY HOE TSY MISY IMPUNITE?
Tokony ho menatra ireo bekintana milaza ho mpitandro ny filaminana kanjo miaro ny tompon'antoka t@ heloga beveva sy fampihorohoroana, fanaovana sorona olona teto @ firenena ho @ tombontsoany manokana.

Angaha moa tsy natao ho an'ny rehetra indray lalàna? natao ho ana DJ io na mpisolovava io na FAT io.....Tsy tonga hatr@ déportation indray angaha moa nysazy @ heloka toy ireny? Henatra ho an'ny firenena ianareo milaza ho mpitandro ny filaminan' ny FAT ireo, indrindra ireo bekintana.

AZO ANTOKA HIARO NY FIRENENA VE IREO RAHA MISY FANAFIHANA AVY ANY IVELANY? Tsy mino aho, ny tombontsoa manokana no ambony aminy noho ny firenena.

Ny @ ireo voakasiky ny raharaha BANI, raha meloka ireo, ny inona izany no itsarana azy? Ny fanonganam-panjakana nisy fampiasana fitaovam-piadiana t@ 2009 sa ny fanambarana tsy nisy herisetra narahina fifampinihana am-pitaka nataon'ny olon'ny FAT?

Tsy misy madio ao @ FAT, indrindra ny filohany ka mendrika fitsarana sy sazy, tsy misy tsy mahakasika azy ny heloka bevava nitranga teto @ firenena. Ny raharaha 26-01-2009 (fandrobana sy fanimbana fananan'olona ,tsy teto Antananarivo ihany fa saika nanerana an'i Mkara,ary namoizana ain'olona an-jatony, fanaovana sorona olona olona t@ 07 fev 2009 teny Ambohitsorohitra,fanonganam-panjakana sy fanambazana miaramila hikomy sy hamono olona, ny raharaha bois de rosé; ......ankoatr'izay miafina any ambadika any.

Tompon'andraikitra tanteraka ihany koa ny tenany ny @ fahaverezan'asan'ireo olona an'hetsiny noho ny Krizy novoleny sy kolokoiny hatr@ izao miaraka @ ireo mpiray antoka aminy.

Ny fandravana sy fanapotehana no manavanana ny FAT sy ny filohany, tsy mahagaga raha mihasahirana isan'andro ny firenena, ary miakatra tsy mitsahatra ny vidim-piainana noho ny tsy fahaizany mitantana. Ny vahaolana hitany dia mitondra any olana goavana kokoa hatrany, raha tsy hilaza afa-tsy ny tsena mora izay vao main ka nampiakatra ny vidim-bary eny an-tsena.

Tambatambazana fanondrotan-karama ny mpiasam-panjakana fa ho mafy ny ady, tsy voaloa hatrany nefa ny tambin-karaman'ny FRAM.

SOA FA TSY AFA-NITROSA raha tsy izany isika no ho sempotry ny fandoavana azy saingy ry FAT no hitavana azy. Be rehaka isak'izay miresaka mantsy ny filohan'ny FAT ka milaza fa sambany tsy nitrosa nandritra ny 50 taona, ny marina sambany tsy afa-nitrosa.

Tsaroako ingahy ingahy DJ tao @ kaominina izay tsy nahavita afa-tsy fitarainana marobe hoe tsy mahazo fanampiana avy @ fanajakana, tsy nanao afa-tsy niala tsiny. Dia izao iaraha-mahita izao ny zava-bitany rehefa tsisy ny fanampiana avy any ivelany. Zava-doza hatrany hatrany.

Dia hoa avy indray ity ny governemanta fampiraisana tanalahy sy ireo tsy manan-kevitra ijoroana fa mitady seza ipetrahana fotsiny, iondanana koa.

HAMARANAKO AZY, TSY MISY VAHAOLANA HAMAHANA NY KRIZY AFA-TSY NY FANESORANA NY FAT SY NY FILOHANYHAINGANA.
novalian'i RUZ9 ny 24/01/2011 09:24
2. milamm ( 18/01/2011 13:19)
tsy honohono izy ty fa tongo-bakivaky ny fanimbazimbana ny hasiny Tanindrazana iombonana vitany fat ankoatry ny fijoroana vavolombelona nataony ry sarla sy raoelina sns, mpanatanteraka zay nokakeriny amboa tiany, ireto atidoha nikotrika dia mazava eto toa ny masoandro be lohataona nanangana ny tetika: "Il faut trouver des chefs d'accusation, par exemple criminel/traitre" Dia ireny hoe "Daewoo/Ambohitsirohitra" ireny.Ao tsara dolidoly ny sariny fa tsy mpilalao sarimihetsika nindramina akory


http://www.youtube.com/watch?v=euqDOwSGX8c

Ny olona vory saina, tsy voazanaka/tsy andevoziny frantay(fa miezaka mividy ny fananana sy ny vokatr'asany) dia mihainga amin'ny zavanisy voa mikaroka "qualification" ( azo ambara fa "acte par lequel le juge definit des incriminations"), manarakzany olomboavidy tao @fitsarana fara-tampony(rajaonarivony j.michel sns, voakolikoliny ratsy rahonana nanao sonia iny famindrampahefana t@ lavanify). Tsy io Andriampanjakana io no melohina fa ny "mpitsara" ao, izay na tsy mahalala, na tsy mahafehy ny andraikiny: mpiandry sy mpiaro ny Lalampanorenana.
Raha voaporofo ny fivarontan-tena nataon'ny filohan'io Andriampanjakana io, ny loharanon'ny vola, ny nanolotra sy nikarakara azy,dia hivaha ny olana. Tsy vitan'izany fa tsy maintsy miakatra fitsarana sy sazy sahaza azy raha toa ka mikendry ny fialAna amin'ny fanitsakitsahana ny firenena sy ny vahoakany (jereo daholo anie ireo hitsivolana rehetra sady mifandaka no tsy misy "mifanaraka" ny lalampanorenana e!)tsy nisy hafa ilay ilay «fitsarana avo» nanofàna trano tany Mantasoa." ny raharaha 2002(fifidianana)

http://www.basyvava.com/2011/01/04/ibotity-tapa-pe/

tadidio fa ireo manodidina an lavanify ihany no anapaka ny nifiny tsy misy ny mafibe araky ny hevitry ilay namana 1 eto iny, ny vahoaka ihany no tsy maintsy mandresy mafibe, efa eo andalana izany





3. laza5700 ( 20/01/2011 00:35)
Mba asio maso ity ry zalah f'aza variana amin'ny fifanomezan-tsiny sy ompaompa na tsindry bokotra madinidinika a! Misy azo ioriranana tsara mihintsy ny voalazan'ity RAMAROLAHIHAINGONIRAINY ANTHONY ity ! Nisy nanamarika teto amin'ny serasera izy ity hoe mba jereo INVITÉ DU ZOMA tamin'ny 23 oktobra 2010 dia nitady aho fa tsy nanenenako na dia nanahirana aza fa tena milay ny voalazan'i leiry. Mba mivoaka ny adihevitra lavareny amin'ny hoe RAVALO sa TGV.

http://tvplusmadagascar.blip.tv/file/4463371/#
4. laza5700 ( 21/01/2011 18:22)
Mba réaliste daholo e. Aza mba miandry ny fitsarana izany hoe hanameloka an'iza sa iza fa tsy hahita inona eo akory nareo.

Taloha koa aho dia niandry be sy natoky ny mpitsara sy ny fitsarana ary nanome tsiny be fahatany ny mpitsara sy ny fitsarana aza refa nahita fa toa saribakolin'ny mpitondra fa refa namaky ny lahatsoratr'ity ranamana ity aho ary ( ireto ny hitako fa asa na misy hafa tsy fantatro, ampitapitao eo ihany raha misy sendra mahita hafa http://www.madagascar-tribune.com/_Anthony-Ramarolahihaingonirainy,3583_.html) refa avy nahita ny famelabelarana nataony tao amin'ny INVITÉ DU ZOMA tamin'ny 23 oktobra 2010 dia nihiratra ny masoko hoe tsy ny mpitsara no tokony hosoketaina fa ny rafitra misy sy ny lalàna velona mithinsy izay manome vahana ny mpitondra hanaboto ny mpitsara ka mahatonga ny hoe izay tian'drizareo mpitondra no atao.

Tsetsatsetsa tsy aritra, nandalo tao amin'ny MATV sy RTA sa RAVINALA sns koa hono io RAMAROLAHIHAINGONIRAINY ANTHONY io ka raha mba sendra misy manana ny lien idirana amin'ny vidéosn'ireo intervention ireo nareo dia mba ampitapitao eto. Tsy fomban'ny gasy ary tsy mahazatra ahy ny midoka olona fa tena refa nandinika lalina ny fomba fisainan'io Bandy io aho dia tena hitako fa mendrika ka tsy mahamenatra ny miteny hoe tsara ho fantatry ny rehetra.

http://tvplusmadagascar.blip.tv/file/4463371/#
5. RUZ9 ( 24/01/2011 09:24)
Izay niketrika sy nibaiko, no tompon'antoka voalohany @ zavatra rehetra dia ny filohan'ny FAT sy ny FATny izany, manaraka izay namatsy vola, ny @ mpitsara sy ny namany mandeha ho azy avy eo. Rehefa voaterin'ny vahoaka ireo izay efa mahalala ny tena marina ankehitriny, tsy maintsy miala. Tsy ekena raha lehiben'ny jiolahy sy mpandroba no hanosihosy lava ny hasin'ny Firenena sy hampahory vahoaka eto.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5875