MANKATELINA
1. ydifas
(
11/12/2010 17:48)
Ny fahasoavan'i Kristy anie ho amintsika ary hanjaka ao am-potsika anie ny fiadanany.
Nanao ahoana ny fijerintsika ity taona ity? Tao ny fahombiazana, tao ihany koa ny fatiantoka, tao ny fahakiviana, tao ny fikirizana, tao ny alahelo, tao ny hafaliana... nefa mino aho fa matoa isika mbola toa izao dia noho ny fahasoavan'Andriamanitra, noho ny fitiavany, noho ny famindram-pony.
Tsapako eto ary resy lahatra aho fa tena tia antsika Ilay Andriamanitra Ray Tsitoha. Nomeny antsika i Kristy ho fanehoany ny fitiavany antsika mba hamonjena antsika. Mendrika ny hotolorana saotra sy fankasitrahana tsy manam-pahataperana Izy noho izany. Ndeha hiombom-po amam-panahy isika ka hilaza hoe:
"Isaorana anie Jehovah nanome anay ity taona folo amby roarivo ity. Misaotra noho ny nanomezanao ny Zanakao Lahitokana dia Jesosy Kristy ho mariky ny fampihavananao ny Amintsika. Misaotra noho ny tombom-pahavelomana nomenao, misaotra noho ny fahafahana rehetra novelarinao teo aminay (afaka mijery, afaka miteny, afaka mandre, afaka mamindra, afaka mivavaka mifandray Aminao...), misaotra noho ny soa rehetra natobakao teo amin'ny fiainanay, misaotra noho ny zavatra noheverinay fa ratsy nefa fitantananao hahasoa anay, misaotra noho ny fisakananao sy ny fiarovanao anay tsy ho azon'ny loza. Tsy noho izahay, tsy noho ny herinay fa noho ny fahasoavanao.
Ny aminay manontolo, hatramin'ny foronana kely indrindra mamorona anay dia mankatelina noho ny nataonao rehetra. Afa-po izahay ary velom-pisaorana Anao fa lehibe loatra sy mahatalanjona ny fitondranao anay. Miondrika izahay, manaiky ny fahaizanao faratampony, ny fahalalanao tapi-troatra, tsy manam-pahataperana ny fisainanao ny aminay. Avy aminao ny zavatra rehetra eo aminay, koa averinay ho Anao ireny fa Anao.
Ankehitriny izahay dia manavao ny fanolorantenanay ho Anao. Indro, fanatitra velona ho Anao ny tenanay. Avelanay Ianao no hanapaka sy hanjaka aminay manontolo. Ny tohin'ny androm-piainanay sisa dia entinay hankalazana Anao, hideranay Anao, hanomezanay voninahitra Anao. Midika sahady izany fa mametraka iny taona vaovao iny sahady eo am-pelatananao izahay. Mivoady izahay fa hiala amin'ny faharatsianay ary hanaraka ny sitraponao. Ho vaovao miaraka amin'izany ny toe-tenanay (toe-po, saina sy fanahy). Ampitomboanay mbola tsy misy toa izany ny fitiavanay Anao, tsy hitsahatra ny hikatsaka Anao izahay, vonona izahay ny handroso ara-panahy ary hijoro hatrany hitory ny famonjena amin'ny olon-drehetra. Ho masina ho Anao izahay ary harianay miaraka amin'ity taona hivalona ity ny faharatsianay rehetra.
Tsy vitan'ny herinay anefa izany, koa amangataka Aminao izahay satria Ianao efa nilaza fa: "...Tsy amin-kery na amim-pahatanjahana, fa amin'ny Fanahiko, hoy Jehovah, Tompon'ny maro" Zakaria 4/6. Mino izahay fa hongotanao sy doranao amin'ny alalan'ny Fanahy Masina izany faharatsianay izany. Haverinao amin'ny laoniny araka ny drafitra nomaninao ho anay izahay ka ho tanteraka ny hoe: "Izao olona noforoniko ho Ahy izao no hanambara ny fiderana Ahy" Isaia 43/21.
Ho Anao irery anie Jehovah ny dera, ny laza ary ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Aleloia.
Hafatra: "Ary izao zavatra ary rehetra izao, na izay any an-danitra, na izay ety ambonin'ny tany sy any ambanin'ny tany, na izay any an-dranomasina mbamin'izay rehetra ao anatiny dia reko samy nanao hoe: ho an'Ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana sy ho an'ny Zanak'ondry anie ny saotra sy ny haja sy ny voninahitra ary ny fanjakana mandrakizay mandrakizay." Apokalypsy 5/13
Mirary krismasim-pihavanana amin'Ilay Ray sy taom-baovao heniky ny fanatrehany ho antsika rehetra.