Ny aty aminay

1. soanja ( 13/11/2010 20:00)
Lasa eritreritra aho mandinika ny tontolo. Tontolo vaovao indray no iainako. Tsy haiko na ambanivohitra no misy ahy na an-tanan-dehibe. Feon'akoholahy maneno no mamoha ahy vao maraina. Somary renoka kely indray rehefa avy eo, dia injay misy feo tsy nahazatra ahy firy mikotaba ao an=tsofiko ao; noharangaraniko teo am-baravaran-kely, hay io misy sarety miezaka mafy miditra amin'ilay lalan-kely tsy manalavitra anay. Ny tompon-tsarety sy ny omby no miezaka mifandamina eo amin'ny kapoka madinidinika. Tsy ela dia henoko ny adivarotra nifanaovan'ilay tonga vao maraina sy ny mpividy efa miandry eo mitsena azy. Ady varotra kitay satria izay no tazako eo ambon'ilay sarety. Faly ery aho nihaino azy ireo amin'ny fiteny tsy mbola mahazatra ahy loatra. Avy any Antanety hono ilay sarety ary niala tany tamin'ny roa maraina. Niakatra ihany ingahibe masoandro ny farany. Ao atsimon-tranonay dia tanim-boanjo ary ny avaratrano kosa dia tranobe miezinezina mifefy tamboho feno tsilo. Ery ampita atsinanana ilay lalankely ary raha tazaniko avy eny ambaravarakeliko ambony tokoa dia misy mpivarotra kely vao misokatra ka ny setroka avy eo mitanika dite sy kafe no mameno ny rivotra vao maraina fohanay. Azoko antsaina fa miketrika sy endasina ao ny mofogasy sy ny ramanonaka. Vetivety dia toa feno olona sahady ny azo atao hoe arabe satria iny no mitondra ny maro mankany amin'ny tena lalambem-pirenena. Misy posy vitsivitsy mandalo no misy koa ireo fiara lafo vidy. Mitsiky ny momba ahy satria velona teo radio isan-karazany misy ny hira maro mamoha maraina ny olona ho olo-mazoto. Tsy ambakan'izany ireo tanora vavy sy lahy zanaky ny firenana vonona hamelo-maso indray ny tanindrazana. Henoko malaza any ny fifidianana saingy tsy mbola hitako loatra ny akony aty aminay. Tsy mbola olan'ny aty ny rotaka lavarenin'ny mpanao politika. Mbola ny asa atao isanandro no atrehina aty. Tiako ny aty aminay na dia tsy mahazatra ahy aza. Ary any aminareo mba manao ahoana?
novalian'i soanja ny 21/03/2011 12:10
2. ledala ( 13/11/2010 23:47)
Eritreritra mandalo !!!
3. nannie ( 15/11/2010 05:30)
Azoko an-tsaina izany ambiance izany... tsara e !
ledala :

Eritreritra mandalo !!!
4. bilakarenjy ( 17/11/2010 22:14)
maivamaivana izy zany ry soanja sady milamindamina tsara .Mba afaka mankany ve za
5. soanja ( 21/11/2010 18:40)

bilakarenjy:

maivamaivana izy zany ry soanja sady milamindamina tsara .Mba afaka mankany ve za

Raha mandalo tana misy havana dia mivilia foana fa ato izahay ka. Rehefa tsy eto aho dia hanoratra eto ihany hoe aiza indray. Misaotra maniry ahita ahy aty. Soa.
6. soanja ( 21/11/2010 19:13)
Tohizako ihany ny aty aminay.

Ary satria fotoanan'ny orana izao, dia nikija ny taty aminay tato ho ato. Eo indray aho lasa fisainana hoe inona no ho ataoko handaniana andro?

Nony nitsahatra kely anefa ny orana dia nanapakevitra aho fa hitsidika ny manodidina ny tanana lavidavitra kokoa. Napetaka ny fiaro orana dia lasa namikavika namonjy niatsinanana. Ary satria tanin'ny lahy no aty fa mpanaraka fotsiny no ataoko dia matsilo tokoa ny masoko mandinika izay tsy nahazatra. " Mandainday" hoy izy tamiko. Variana aho hoe inona ary no tiany lazaina. Iny izahay fa nihazakazaka moramora namonjy ny tanimbary. Niampita tamin'izay tetezana mahia indrindra mbola tsy noharako hatramin'izay niainako. Tahotra sy hafaliana no nifangaro eo ampiampitana eo. Very aho marina fa mila mandady sa tolomina ilay hazo angamba amin'ity tetekazo tokana ity fa tsy ho tody eny ampita. Tody ihany anefa rehefa hianarana ny fomba famindra eo.
Niaka-piakarana amin'izay. Ala na mimoza sy taretra ary goavy no nameno ny lalanay miaraka amin'ny tenona isan-karazany. Miakatra moramora ny fofon-tany mahafinaritra tsy tsapako hatramin'izay ampian'ireo veroveron'ny ala madinika. Tsy lavitra ahy mandinika, henoko ny vorona taotaon-kafa misioka moramora.

Izany tanana antsoina hoe Tsaramody, Fidinanahary ary Tsinjoarivo izany no nolalovanay. Mbola tena ambanivohitra tanteraka ny any. Raha mihaona amin'olona eny an-tanimboly eny dia mbola mifampiarahaba. " Manakory aby e, Salama e, Manahoana tompoko" niovaova eto ireo fiarabana ireo. Raha mandalo akaiky trano ka misy olona ny tokotany dia mbola nanao mbay lalana izahay, nanao ny " azafady" moa ny olona miantso " mandrosoa e" , ny ankizy no mitsitokotoko maromaro eny mandinika ny mpandalo tsy mahazatra azy ireo ka miteny sy mamerimberina hoe "ia reo"

Velombolo ny tontolo satria lena ny tany. Maitso mavana ny tanimbary ery ambany ary mitsimoka daholo ny voly rehetra izay hita: katsaka, tsaramaso, vary an-tanety, saonjo, voanjobory, mananasy sy ny maro hafa. Nahita voalavo na totozy kely vitsivitsy koa mifaliavanja ao anatin'ireo tanimboly sasany.

Lalan-tsarety no betsaka any. Nanazava tamiko ny lahy raha sendra nitodika tampoka aho fa naheno feon'ny karavasy nidoboka avy any. Izay no karavasy hoy izy. Misy fomba fanamboarana azy: ny randram-balo dia avy eo midina fito ary midina hatrany. Miankina amin'izay koa ny feo tianao hivoaka eo ampikapohana ny omby hanaraka baiko. Nikaikona aho satria tsy zakako ny mieritreritra izany hoe kapoka nefa rehefa mandinika ny omby sy ny tompony aho dia mihodina ihany ny fiainan'izy ireo.

Zava-vaovao tamiko koa ny lavaka voangory teny antenantenan-tanety eny. Angadiana boribory ny tany, izay lonaka tokoa raha ny fahitako azy dia misy karazam-boangory milevina any ; alaina hono ilay izy dia atao anaty harona ary rehefa tonga any an-trano dia atono avy eo hanina. Tsy mifanalavitra ny niainako anefa izany fa ny anay teny ambony hazo no nalaina ny voangory fa tsy eny ampilevenany.

Alan-kesika indray no nolalaovanay nony efa elaela ary afaka adiny telo niodinana dia tonga teo amin'ny arabe indray ka nahatsiaro fa mbola betsaka ny zavatra mahavariana any ambanivohitra any.

Soa fa mbola betsaka ny Malagasy mitazona ny mahaGasy azy. Soa koa fa misy ny mitondra ireo fahazavana izay ilain-draolombelona hanatsarana ny fiainany. Tsy fantatro na tiako hivoatra i Madagasikara hanaraka ny fomba tandrefana sasany na tsia, satria raha nahita ankizy nilalao rovi-borodamba nahodinkodina atao baolina aho ka misy vavikely iray mamitapitaka tokoa mijijy ilay baolina amin'ireo ankizilahy namany milalao eo dia vaky vava aho hoe " hitondra baolina tena baolina vita vazaha aty ve sa aleo hijanona ho toy izao ihany satria izay no mampiavaka azy ireo amin'ny hafa?" samy tsy nanan-kavaly izany izahay mitsam satria mbola sambatra ireo zaza ireo raha ny fitazananay azy avy eo.

Tsy mora anefa ny miaina any ambanivohitra any raha ny fahitako azy avy any ihany. Na mora anefa na tsia dia izay ny aty aminay dia tiaviko tokoa.

7. bilakarenjy ( 21/11/2010 21:20)
Tsy maintsy mivily fa misy havana ka ,na dia hoe : hisotro ronono eran'ny zinga sy hitono mangahazo e!.Ilay fofon-tany no tena tsaroako rehefa avy ny orana .Fiainana milamina sy natiora no tena iainanao zany ry soanja a!.Sambatra be ianao afaka mampiasa sy miaina @ ny tena hoe natiora sy ny zava-boary .Aza adino fotsiny ny labozia fa misy dinika tsy vita eo rehefa mandalo za .
8. sylvaine ( 23/11/2010 11:58)
fa aiza ny any aminareo ry soanja,fa ny aty aminay hazakazaka lalandava,enjehina ny ora etsy sy eroa.
9. soanja ( 25/11/2010 04:39)

bilakarenjy:

Tsy maintsy mivily fa misy havana ka ,na dia hoe : hisotro ronono eran'ny zinga sy hitono mangahazo e!.Ilay fofon-tany no tena tsaroako rehefa avy ny orana .Fiainana milamina sy natiora no tena iainanao zany ry soanja a!.Sambatra be ianao afaka mampiasa sy miaina @ ny tena hoe natiora sy ny zava-boary .Aza adino fotsiny ny labozia fa misy dinika tsy vita eo rehefa mandalo za .

Sady hosorako tantely ianao rehefa mandalo. Ny labozia indray ananantsika be dia be fa aza manahy. Misaotra betsaka, Bila o.
10. soanja ( 25/11/2010 04:45)

sylvaine:

fa aiza ny any aminareo ry soanja,fa ny aty aminay hazakazaka lalandava,enjehina ny ora etsy sy eroa.

Faritra Vakinakaratra no aty aminay. Manenjika ora ihany aho ka fa alahady iny fotoana nolazaiko iny. Aty vao mipaika ny amin'ny 4 sy sasany dia efa mifoha olo-mazoto ary efa maresaka sy miasa daholo na ny biby na ny olona. Ny enjikenjika ora kosa aloha tsy dia tazako loatra eny amin'ny endrik'izy ireo.
11. dahuily ( 25/11/2010 21:18)
Sambatra enao Soanja ;mahay miaina ianao ,mahay mankafy ny tontolo misy anao ary mahay mankafy ny voaary manodidina anao . Tiako be ko ilay fomba fijerinao izay rehetra manodidina anao . Mba handalo koa aho indray maka any !!!!
12. sylvaine ( 26/11/2010 10:54)

soanja:

sylvaine:

fa aiza ny any aminareo ry soanja,fa ny aty aminay hazakazaka lalandava,enjehina ny ora etsy sy eroa.

Faritra Vakinakaratra no aty aminay. Manenjika ora ihany aho ka fa alahady iny fotoana nolazaiko iny. Aty vao mipaika ny amin'ny 4 sy sasany dia efa mifoha olo-mazoto ary efa maresaka sy miasa daholo na ny biby na ny olona. Ny enjikenjika ora kosa aloha tsy dia tazako loatra eny amin'ny endrik'izy ireo.

Marina ny anao,ny any ambanivohitra no tena miasa mafy tsy akijanona,bravo
13. soanja ( 28/11/2010 13:27)

Dia mahavarina ahy tokoa ny fahazotoana misy aty amin'ny fiatrehana ny fambolena sy ny fiompiana. Tsy sasatra mihitsy izy ireo ary tsy mody raha tsy efa mody masoandro. Ny mampalahelo anefa dia maro no mitaraina fa herimpo very maina no matetika mitranga satria misy ny mpandroba sy ny dahalo ary ny maro mpanararaotra. Tsy mampitsahatra azy hiasa anefa izay ka izay no iderako azy ireo.
14. soanja ( 28/11/2010 13:36)

dahuily:

Sambatra enao Soanja ;mahay miaina ianao ,mahay mankafy ny tontolo misy anao ary mahay mankafy ny voaary manodidina anao . Tiako be ko ilay fomba fijerinao izay rehetra manodidina anao . Mba handalo koa aho indray maka any !!!!

Tongavasoa aty aminay e. Manorata rehefa ho aty dia tadiaviko eny an-tanana. Misaotra betsaka amin'y teny fa ny fananako anareo hifampizarako izany no tena fahasambarako koa.

Veloma daholo indray ary.
15. soanja ( 21/03/2011 12:10)
soanja:

Lasa eritreritra aho mandinika ny tontolo. Tontolo vaovao indray no iainako. Tsy haiko na ambanivohitra no misy ahy na an-tanan-dehibe. Feon'akoholahy maneno no mamoha ahy vao maraina. Somary renoka kely indray rehefa avy eo, dia injay misy feo tsy nahazatra ahy firy mikotaba ao an=tsofiko ao; noharangaraniko teo am-baravaran-kely, hay io misy sarety miezaka mafy miditra amin'ilay lalan-kely tsy manalavitra anay. Ny tompon-tsarety sy ny omby no miezaka mifandamina eo amin'ny kapoka madinidinika. Tsy ela dia henoko ny adivarotra nifanaovan'ilay tonga vao maraina sy ny mpividy efa miandry eo mitsena azy. Ady varotra kitay satria izay no tazako eo ambon'ilay sarety. Faly ery aho nihaino azy ireo amin'ny fiteny tsy mbola mahazatra ahy loatra. Avy any Antanety hono ilay sarety ary niala tany tamin'ny roa maraina. Niakatra ihany ingahibe masoandro ny farany. Ao atsimon-tranonay dia tanim-boanjo ary ny avaratrano kosa dia tranobe miezinezina mifefy tamboho feno tsilo. Ery ampita atsinanana ilay lalankely ary raha tazaniko avy eny ambaravarakeliko ambony tokoa dia misy mpivarotra kely vao misokatra ka ny setroka avy eo mitanika dite sy kafe no mameno ny rivotra vao maraina fohanay. Azoko antsaina fa miketrika sy endasina ao ny mofogasy sy ny ramanonaka. Vetivety dia toa feno olona sahady ny azo atao hoe arabe satria iny no mitondra ny maro mankany amin'ny tena lalambem-pirenena. Misy posy vitsivitsy mandalo no misy koa ireo fiara lafo vidy. Mitsiky ny momba ahy satria velona teo radio isan-karazany misy ny hira maro mamoha maraina ny olona ho olo-mazoto. Tsy ambakan'izany ireo tanora vavy sy lahy zanaky ny firenana vonona hamelo-maso indray ny tanindrazana. Henoko malaza any ny fifidianana saingy tsy mbola hitako loatra ny akony aty aminay. Tsy mbola olan'ny aty ny rotaka lavarenin'ny mpanao politika. Mbola ny asa atao isanandro no atrehina aty. Tiako ny aty aminay na dia tsy mahazatra ahy aza. Ary any aminareo mba manao ahoana?

Ntsoohh mamaky ity diariko ity aho dia manina mafy anao ry tananako. Aiza ianao sy ny tontolonao mahafinaritra izay? Na ny feon-tsarety indray maka fotsiny hiantefa any ampoto-tsofiko dia ho fahasambarako tokoa. Ilay ranomasimbe no manasaraka antsika fa ny foko kosa dia mifangia aminao na maraina na hariva.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.3598