FAUX-DEBATS

1. Alina ( 10/11/2010 04:03)
Slt daholo,
Zaho aloha mahita fa lany andro eto foana isika raha variana hitanisa izao no tokony hampidirina na tsia ao @ Constitution.Ekena aloha fa misy minimumn-javatra tokony ho ao fa ny tena zava-dehibe dia ny fampiharana ataon'ny mpitondra eo ilay lazaiko foana hoe:regime politique.Tsy ny lalàm-panorenana mihitsy hatramin'izay no nitoloman'ny vahoaka hoe tsy mety fa ny fahantrana,ny fanamparam-pahefana...ataon'ny mpitondra.Ary na atao faran'izay lafatra aza io raha io,ny mpitondra rehefa ratsy dia zava-poana daholo ny ambiny ary mahita lalana foana izy handikàna an'io ary hipetraka ho tsy maty manota satria mahazo sehatra rehetra ny système-ny.
Misaotra daholo.
Alina
novalian'i RAR.DAGO ny 07/12/2010 07:36
2. RAR.DAGO ( 10/11/2010 06:31)
Tsy faux débat izany kosa e!
Anao analogie isika @ foot. Raha tsy misy ny règle de position d'hors jeu, ny limitation de cartons jaunes (2 lasa mena), ny dernier défenseur, sns dia araraotin'ny mpialalao ireny ampiasana azy @ fomba maro samy hafa satria mahita atao foana ny zanak'olombelona. Noho izany ilaina mihitsy ny lalàna tsara.

Rehefa avy eo, raha eny an-tanimbary no milalao, tsy maninona na tsy misy arbitre aza. Fa na dia mankeo Antanikatsaka fotsiny aza dia efa mangataka arbitre ny mpilalao satria mamy aminy ny fandresena sy ny tsy hiaran'ny tsy rariny. Io ilay "équilibre des pouvoirs" juridique, exécutif et législatif. Ny tsy fisian'io no nahatonga an'i Ra8 nanapatra fahefana

Rehefa avy eo ny mpitondra koa mitondra ny anjara-birikiny @ maha tsara kokoa na tsia ny resaka.

Tsy miteny aho hoe ireny lalampanorenana vahiny na fitondrana vahiny ireny no filamatra satria azo hatsaraina daholo ireny na dia @ fametrahana indicateurs objectifs @ asan'ny executif fotsiny aza. Fa adalàna kosa raha lalana efa hita fa manatsara zavatra no hialàna mba hamoronana zavatra mbola tsy fantatra indray. Io ilay lazaina hoe "capitalisation des savoirs". Izay hita fa tsara sy mandeha dia alaina tahaka. Izany ohatra no naha Japon an'i Japon ankehitriny.

Isika izao matetika milaza fa i Zafy dia filoha vendrana satria nalan'i Asterix mora foana. Fa aza adino fa izy no nanaja ny lalampanorenana indrindra t@ iza filoha rehetra teo hatramin'izay. Ny nataon'i Ratsiraka voalohany indrindra raha vao niverina teo dia nanova ny lalam-panorenana hanamafy ny executif vao tonga teo izy. Nataon'i Ra8 avo folo heny moa izany t@ ny androny dia izay ihany no averin'i TGV fa mody sarotsaronana. Ka iza izany no tsara, ilay vedrana manaja lalàna sa ireo fetsy mandripaka ny fananam-bahoaka? Ilay fetsy manaja lalàna aloha toa mbola any ambohoka hatramin'izao e!

Ilaina tena ilaina mihitsy ny lalàna fototra mety tsara Alina satria tsy azonao fantarina ny fivadiky ny zanakolombelon'a! Izay iray tonga eo tsinona mora manadino izay nolazainy omaly. Jereo izao ity Andry nilaza fa tsy hilatsaka efa manao propagandy sahady !!!

Ny aho kosa aloha tena mino aho fa misy zavatra roa "fondamentaux" mihitsy raha tiana androso ny firenena :
- fifandanjan'ny fahefana (équilibre des pouvoirs) mba ialàna @ fanaparam-pahefana sy ahafahana mametraka ny fanarahamaso tsy miadany (contrôles objectifs);
- fizaram-pahefana mahefa (effectivité de la décentralisation) mba ahafahan'ny tsirairay mandray anjara @ fampadrosoana ny tenany satria IZAY IHANY no ahatongavana @ fahamatoran'ny olompirenena ara-politika (maturité politique des citoyens).
3. RUZ9 ( 10/11/2010 10:59)
Na amboarina lava sy atao faran'izay lafatra aza ny lalàm-panorenana, raha mbola mpitondra manao bizina maloto, mampanjaka tsolotra sy manao akamakama no eo, fanjakan'i Baroa hatrany no misy, ary odian-tsy hita izay lalàna any, ampiasaina fotsiny anenjehana an'izay manohitra ny tena. noho izany tsy lalàm-panorenana aloha izao no mahamaika.
hita @ izao anie fa io fitsapan-kevi-bahoaka dia natao fotsiny hanalavana nY fitondran'ny FAT.
4. RAR.DAGO ( 11/11/2010 04:01)
RUZ9:

Na amboarina lava sy atao faran'izay lafatra aza ny lalàm-panorenana, raha mbola mpitondra manao bizina maloto, mampanjaka tsolotra sy manao akamakama no eo, fanjakan'i Baroa hatrany no misy,

Raha mifandanja ny herin'ny "institution" dia tsy hafaka manao izany izy satria :
- Tsy azony baikona ny mpitsara ka izay mitory izay bizina maloto hitany, ohatra bois de rose, détournement de fonds publics, sns dia hafaka mandeha tsara ny instruction. Raha manakatsakana ny executif dia azon'ny mpitsara gadraina.
- Rehefa misy tsy mety ny ataon'ny mpitondra na misy trangan-javatra manahirana dia hafaka ny parlement (na ny ambony na ny ambany) mangataka experts hanampy azy anao commision d'enquéte.
- Rehefa mipetraka ny organismes de contrôle indépendants (fa tsy baikon'ny exécutif) dia hafaka manara-maso ny raharaha-panjakana rehetra toy ny any GB, USA, Europa avatra.

RUZ9:
hita @ izao anie fa io fitsapan-kevi-bahoaka dia natao fotsiny hanalavana nY fitondran'ny FAT.

Io no maha festy ratsy an'i Astérix e! Nofonsiny lamba landy ilay taimboraka hivarotana azy. Mody nasiana fehezan-teny milaza fa atao izao nefa tsy miova mihitsy fa mitovy @ teo ihany indrindra moa fa ny fifandajan-dàlàna na dia efa napetraky ny fivoriana nasionaly sy ilay commision de rédaction aza izany dia novain'ireo tsivanona ireo foana.

Ka izay fahefana manodikodina izay mihitsy no tsy azo avela @ fitondrana mahefa intsony satria olona miady fahaefana izany tsy azao antoka mihitsy na eto Dago na aiza na aiza.
5. alina ( 04/12/2010 23:51)
Hoatran'ny sarotra amiko ry Dago ny hino hoe:hisy indray andro any ny équilibre du pouvoir.Ny fitadiavana stabilité politique(mba tsy hilazana fiarovan-tseza) anie no mahatonga ny parlemanta ohatra ho feno TIM na pro-TGV e!Jereo fotsiny ny nanjo an'i Mr ZAFY ,maro loko be tao @ Assemblée(régime parlementaire)aiza no niafarany?Niova impiry ny praiminisitra?Raha ny fampandrosoana no niadiana hevitra tao ataoko fa tsy ho nisy ireny rehetra ireny.Raha ny tadidiko dia fangatahana 4x4 sy tombon-tsoa no betsaka tao.Inona no mahatonga izany?Mentalité ihany,tsy misy ny fitiavan-tanindrazana.Aro fanina?Motion de censure ange zony e!Procédure d'empechement ange zony e!Nahatsara zavatra ve ny nataon'izireo?
Samia mamaly ao an-tsainy avy.
6. alina ( 04/12/2010 23:57)
Bonne constitution tsy hahatonga mpitondra ho bon dirigeant mihitsy.Na io ;bon dirigeant avec mauvaise Constitution,na bonne Constitution avec mauvais dirigeant.Izany hoe;ny Constitution dia misy faille foana mety anararaotan'ny mpitondra.
Bye!
7. RAR.DAGO ( 07/12/2010 07:36)
alina:

.... Jereo fotsiny ny nanjo an'i Mr ZAFY, maro loko be tao @ Assemblée(régime parlementaire)aiza no niafarany?Niova impiry ny praiminisitra?Raha ny fampandrosoana no niadiana hevitra tao ataoko fa tsy ho nisy ireny rehetra ireny.....Aro fanina?Motion de censure ange zony e!Procédure d'empechement ange zony e!Nahatsara zavatra ve ny nataon'izireo?
Samia mamaly ao an-tsainy avy.

Raha nahay i Zafy dia tsy nitotongana fa nandroso ny firenena. Rariny izany raha niongana izy. Ary tsy rariny raha hafaka manapatra fahefana izay tonga eo. Ka noho izany TSARA IRENY!

Izaho koa dia milaza fa TSY ILAINA ny stabilité politique. Ary tokony misy indicateur de performances hitsaràna ny mpitondra. Raha vao tsy mamely ny mpitondra izany dia efa tokony hitaintaina sy atahotra ny hiongana satria hotsarain'ny assemblée araky ny lalàna fa tsy hoe koa satria tsy nanome 4x4 na crédit.

Aza asiana lalàna ny baolina kitra fa tsy mahita Messi, Ronaldo, Drogba ianao fa bokon'ozatra mpilako olona no ho hitanao eo.

Raha tsy misy lalàna ny famoivohizana dia tsy hitsahatra hidofotra ny fiara eny @ autoroute ary hifamono ny olona any ampovoan-tanàna raha vao misy circulation.

Aza asiana lalàna sy fitsaràna fa dia samia miaro-tena raha misy manafika dia ho hitanao ny vokany fa tsy hisy fiaraha-monina vanona eto fa dia resaka mifamono fotsiny.

Ny lalàna no mametra ny tanjona sy ny fitaovana azo ampiasaina fa tsy ny toe-tsaina.

Ary raha miresaka @ qualiticien ianao dia hafaka ny hanazava anao tsara izy hoe tsy ny exécutant exceptionnel no ilaina fa ny procédure azon'ny rehetra ampiarina raha tiana hivoatra ny système iray.

NOHO IZANY, Ilaina tokoa ny lalàna, indrindra ny lalàna fototra na LOIS FONDAMENTALES.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0073