LALAM-PANORENANA HANORENAN INONA?

1. RUZ9 ( 10/10/2010 14:16)
Aiza ity tsy milaza ho tsy mila fankatoavan' ny vahiny ity e; nefa ny zavatra rehetra atao dia ikendrena fankatoavan' ny any ivelany ihany. Natao ny dinika; tsy naharesy lahatra na iza iza fa miendrika fivorian'antoko pol. anankiray; tsy mahagaga rha nisy ny adivarotra vola satria vola no nanjonoana an'ireny olona ireny hiseho sy hanamaro isa tany.
Dia io indray fa hoe hanova lala-panorenana, lalam-panorenana hanorenana inona? hanorenana mafy kokoa ny fahefan'ny FAT? sa hanorenana mafimafy kokoa ity fanjanahantany mihamazo laka indray ity.
Mety kokoa angamba raha ny frantsay sy ny karana no karana no tsapainareo hevitra, ireo no manaiky anareo sy iray petsapetsa @ izao fandetehana lalina ny firenena izao.
Ary aoka izay manontonona anaram-bahoaka ity fa tsy misy vahoaka intsony ao ao aorianareo, herisetra anie no niakareo teo e.
Ary inona no ilana lalam-panorenana indray? Ny efa eo tsy nohajaina; hitady inona indray;
Tsy misy ilana an'izany fa Komanda iray monja anie no nametraka ny filohan'ny FAT teo rehefa avy nampitahotra ta@ basy sy nampisavorovoro olona teny @ Episcopat Antanimena; dia niforitra jiaby ry begalona, tsy nasiana resaka akory ny fandorana sy famotehana fananam-bahoaka sy fanaovana sorona olona ta@ 26-01-2009 sy 07-02-2009. Sa rehefa mahita tombontsoa tombontsoa dia adino ilay hoe ho an' ny tanindrazana? ho an'ny FAT indray manomboka eo, miaro ny FAT sy ny tombontsoany.
Hamaranako azy, tandremo miaro lapam-panjakana eo rehefa haka azy ny mpanohitra a, mampigadra mandra-pahafaty izany.

novalian'i RAR.DAGO ny 06/11/2010 14:43
2. ndotofetsy ( 10/10/2010 19:12)
lalampanorenana hanorenana fahefana manokana io fa aiza aza nareo zany sa mitampintay ny masonareo hihiihi
3. RAR.DAGO ( 11/10/2010 06:14)

RUZ9:

.... tsy mahagaga rha nisy ny adivarotra vola satria vola no nanjonoana an'ireny olona ireny hiseho sy hanamaro isa tany.

Ka tsy misy intsony tsinona ny fototra hikambanana, na ny HCC aza voavidy vola dia lasa io izany no sisa "valeur commune"

RUZ9:

Dia io indray fa hoe hanova lala-panorenana, lalam-panorenana hanorenana inona? hanorenana mafy kokoa ny fahefan'ny FAT? sa hanorenana mafimafy kokoa ity fanjanahantany mihamazo laka indray ity.....
.....Ary inona no ilana lalam-panorenana indray? Ny efa eo tsy nohajaina; hitady inona indray; Tsy misy ilana an'izany


Raha tsy misy ny lalam-panorenana dia fanjakan'i Baroa sy ady aliaka izany no hitranga eo.
Marina fa tsy izy io atolotry ny FAT io nefa indrisy fa azo atao tsara mihitsy ny manao lalampanorenana vaovao izao ahafahana manena be dia be ny fahefan'ny mpitondra angalatra (jereo ny soratra nataon'i Sahondra Rabenarivo na i Anthony Ramarolahihaingonirainy)

Koa samia mampifidy TSIA aloha!

RUZ9:

Mety kokoa angamba raha ny frantsay sy ny karana no karana no tsapainareo hevitra, ireo no manaiky anareo sy iray petsapetsa @ izao fandetehana lalina ny firenena izao.

Aza homena tsiny ny vahiny fa mpila ravinahitra toy ireo gasy any ivelany izy ireo, ka rariny raha ny tombotsohany no jereny voalohany. Isika no manao valalan'aliaka ny tanindrazantsika mamela azy eo ampelatanan'ny olona adala.

RUZ9:

.... tsy nasiana resaka akory ny fandorana sy famotehana fananam-bahoaka sy fanaovana sorona olona ta@ 26-01-2009 sy 07-02-2009. Sa rehefa mahita tombontsoa tombontsoa dia adino ilay hoe ho an' ny tanindrazana? ho an'ny FAT indray manomboka eo, miaro ny FAT sy ny tombontsoany.

Nasiana sarintsarim-pitsarana ny t@ 7/2/09 fa ny sisa very fananana fahatany fotsiny !

RUZ9:

Hamaranako azy, tandremo miaro lapam-panjakana eo rehefa haka azy ny mpanohitra a, mampigadra mandra-pahafaty izany.

Indrisy fa marina tanteraka io lazain'i RUZ9 io. Izany hoe efa latsaka lalina mihitsy isika izany zao satria ny fananam-bahoaka ambony indriny no tsy asiana hasina intony.
4. RAR.DAGO ( 11/10/2010 06:23)
RUZ9:

.... fa Komanda iray monja anie no nametraka ny filohan'ny FAT teo rehefa avy nampitahotra ta@ basy sy nampisavorovoro olona teny @ Episcopat Antanimena; dia niforitra jiaby ry begalona...


Io ko aloha dia tena resaka mahamenatra !! Tsy maintsy asiana fanovàna maherivaika mihitsy koa ao @ io tafika io na fohanana any fa sady mandany vola no tsy misy ilàna azy. Aiza ve koa ny mpiasa indray no mibaiko ny tompo-trano... tssss !!!
5. nyhaingo ( 11/10/2010 10:02)
hanorenany seza miaraka amin'i wiwi hihihihih....
6. ruz9 ( 24/10/2010 14:08)
Tsy azonao angamba le izy ry RA-Dago; tsy milaza aho aho hoe tsy tokony hisy lalàm-panorenana, fa tsy resaka lalàpanorenana no nametraka an'izao krizy izao, ka tsy any no mahamaika, ny FAT no nametraka sy mikolokolo ny olana eto. Ny vahaolana natolotry ny hafa na niaraha-nidinika taminy sy nosoniaviny aza moa nolaviny avokoa fa mihabo ho mahavita ry zalah. ny fivarotana ny tanindrazana sy famarinana azy any @ hantasana ihany nomahamaika azy ka ihazakazahana @ ity lalàm-panorenana tian-kano tsy tian-kano ity.

Manaraka izany, na iza iza na avy aiza na avy aiza ka monina eto @ ity firenena ity di tokony hanaja azy sy ny vahoakany tahaka ny anajany ny firenena hafa any ivelany izay onenan'ny hafa fir. na anaovana fifanaraham-piaraha-miasa. Ny fanaovana fifanarahana sy firaisana tsikombakomba @ fanimbana fananam-bahoaka toy ny t@ 26-01-2009 ireny sy izao famotehana ny fiainam-bahoaka sy ny fiainam-pirenena hanamafisana ny tombontsoan'ny frantsay izao dia tsy azo ekena mihitsy. Tsy fiaraha-miasa raha tsy kendrena ao anatin'izany ny tombontsoa'ny roa tonta; izany hoe ny vahiny monina eto, na ny fir hafa any ivelany andaniny ary ny firenena malagasy ankilany.
7. RAR.DAGO ( 24/10/2010 16:46)
Azoko tsara mihitsy izany ka!
Fa ny tiako ho lazaina hoe aza manao raccourcie hoe satria misy vahiny mitady voal dia iray tsikombakomba satria rehefa miteny ianao hoe :

Ny fanaovana fifanarahana sy firaisana tsikombakomba @ fanimbana fananam-bahoaka toy ny t@ 26-01-2009 ireny sy izao famotehana ny fiainam-bahoaka sy ny fiainam-pirenena hanamafisana ny tombontsoan'ny frantsay izao dia tsy azo ekena mihitsy.

, dia toa tsy misy porofo fa toa entanim-po fotsiny. Sa ve ianao manana porofo tsy azo lavina @ izany?
8. RUZ9 ( 04/11/2010 11:23)
Ianao izany angamba RAH DAGO frantsay na karana, toa tsy mitasahatra miaro azy ireo, ny porofo azo lazaina eto aloha tsotra ihany, tsarovy fa t@ ireny 26-06-2009 ireny, tranombarotra sy tranon'olon-tsotra maro no voaroba sy may, tao anatin'izany koa ny RNM sy ny TVM, ain'olona maro no nafoy tao anatin'izany, ary saika nanerana an'i Madagasikara no nitrangan'izany, ary gazety mpiseho in-droa isan'andro (Malaza) no nilazan'olona iray akaiky ny FAT sy anisan'ny mpandray anjara t@ izany ny fomba fiasan-dry zareo t@ ireny fotoana ireny, ka nilazany ny fifanarahana nataony t@ karana talohan'iny hetsika iny. Angamba mety raha tadiavinao izay gazety izay (tsy tsaroako ny daty fa volana jolay na aout jerena, izay ihany angamba fa tsy hivalampatra @ iny aho. Efa nisy moa ny nosamborina t@ ireny fotoana ireny, iny hetsika iny iny moa no anisan'ny nahazoan-dry zareo an-keriny ny fahefana ka toa afa-maina izy ireo hatreto, antenaina nefa fa tsy maintsy hisy tohiny iny raharaha iny. Nahoana moa no moa no mody fanina ny mpitandro ny filaminana momba azy iny? Ny momba ny frantsay indray; manaraha ianao vaovao ary jereo hatr@ fiandohany ny dingana narahin' ny PHAT ny hakany fahefana sy ny fizotry ny fitondrany @ izao fotoana izao : taiza no nomanina ny fanonganam-panjakana t@ 2009?, manaraka an'izany jereo ny siten'ny WWF izay mitatantara mikasika ny bois de rose voaondrana an-tsokosoko:

http://fr.wildmadagascar.org/
Actualités: Madagascar

Des milliers de tonnes de bois illicites de Madagascar préts pour l’export
(03/17/2010) Alors méme que le Président de la France, Nicholas Sarkozy, veut taxer les transactions financières pour arréter les déboisements et atténuer les effets des changements climatiques, une expédition de bois de rose illégal est préparée pour l'exportation à Madagascar par une compagnie française avec l’accord tacite du gouvernement français.

Comment mettre fin à la crise du bois à Madagascar
(03/03/2010) Au lendemain du coup militaire de mars dernier, la forét vierge de Madagascar a été pillée pour son bois précieux, notamment le bois de rose et l’ébène. Des dizaines de milliers d’hectares ont été affectés, y compris les parcs nationaux à la plus grande diversité biologique de l'île : Marojejy, Masoala et Makira. L’abattage illégal du bois a également provoqué une augmentation du commerce de gibier tropical. Les chasseurs massacrent aujourd’hui les lémuriens, rares et inoffensifs, pour la consommation des restaurants.

"Les responsables du coup d’état vendent les foréts de Madagascar et ses citoyens
(01/31/2010) Madagascar est renommée pour sa richesse biologique. Située au large des côtes orientales du sud de l’Afrique et avec une superficie un peu plus étendue que celle de la Californie, l’île abrite une collection éclectique de plantes et d’animaux dont 80 pour cent ne sont rencontrés nulle part ailleurs dans le monde. Mais les richesses naturelles de Madagascar ont été assiégées depuis près d’un an au lendemain d’une crise politique qui a vu l’éviction de son président chassé en exil sous la menace armée, l’effondrement des services publics, y compris dans la gestion des parcs et des réserves naturelles et l'évaporation des financements des donateurs qui constituaient la moitié du budget annuel du gouvernement. En l'absence de gouvernance, des bandes organisées ont pillé les trésors biologiques de l’île, en prélevant des bois précieux et des espèces menacées de lémuriens des foréts humides normalement protégées dans des parcs, et ont aussi effrayé les touristes qui représentent pourtant des alliés économiques de la protection de la nature. À présent que les responsables du coup d’état jouent un rôle de plus en plus actif dans le pillage pour financer des élections à venir qui, espèrent-ils, légitimeront leur prise de pouvoir, il faut se demander si le système de protection de la nature de Madagascar qui avait suscité tant d’intérét peut étre restauré et maintenu.

Les satellites pour suivre l’exploitation illégale et le trafic de bois précieux à Madagascar
(01/29/2010) Des experts en télédétection en Europe et aux États-Unis font appel à des images satellite à haute résolution pour identifier et suivre des cargaisons de bois exploités illégalement dans des parcs et réserves de foréts pluviales de Madagascar. Les images peuvent servir à confondre les négociants impliqués dans le trafic ainsi qu’à mettre la pression sur les compagnies qui utilisent les bois précieux originaires de Madagasca"
Ary ny frantsay hatrany no tompon-kevitra @ ilay "plan "B"n'dry zareo izay tsy mahomby mihitsy fa maboletra sy resa-be fotsiny. Izay ihany moa no azo lazaina fa tsy ho voatantara eto ny hafa. tsy mamokatra moa ity ny "plan B"ny. PLAN C IZAO MIALA.


9. RAR.DAGO ( 05/11/2010 05:27)
RUZ9:

Ianao izany angamba RAH DAGO frantsay na karana, toa tsy mitasahatra miaro azy ireo,

Andriamasinavalona avy eny marovatana ny raiko ary andrianamboninolona avy eny Ambohitriniandriana ny reniko ka mba anisan'ny hafaka mijoro ho andriana merina aho, ary tsy menatra ny hijoro @ izany raha ilaina. Fa tsy ny fanenjehana ny hafa na fanavakavahana ny hafa no hamahana ny olana eto aminitsika.
Niaina 10 taona tany Frantsa aho t@ taona 80 ary fantatro loatra izany hoe vahiny an-tanin'olona izany ka tsy maintsy miady mandra-pahafatiko aho @ ireo olona foy fijery manenjika be fahatany ny vahiny.

RUZ9:

ny porofo azo lazaina eto aloha tsotra ihany, tsarovy fa t@ ireny 26-06-2009 ireny, tranombarotra sy tranon'olon-tsotra maro no voaroba sy may, tao anatin'izany koa ny RNM sy ny TVM, ain'olona maro no nafoy tao anatin'izany, ary saika nanerana an'i Madagasikara no nitrangan'izany, ary gazety mpiseho in-droa isan'andro (Malaza) no nilazan'olona iray akaiky ny FAT sy anisan'ny mpandray anjara t@ izany ny fomba fiasan-dry zareo t@ ireny fotoana ireny, ka nilazany ny fifanarahana nataony t@ karana talohan'iny hetsika iny.

Tsy fantatro ianao taiza t@ io andro io fa izaho teto ary ady saritaka teto t@ ireny fotoana ireny.
Marina fa tsy nisy voaroba ny karana teto ary nadeha tokoa ny resaka hoe nanome vola ny andaniny sy ny ankilany izy ireo mba tsy ho voaroba ny tranony sy ny fivarotany. Ary mino aho fa misy fahamarinana izany. Tsy nisy fanjakana intsony teto t@ ireny dia miaro tena arak'izay azony atao ny rehetra ka noho izany TSY AZO HOMENA TSINY mihitsy ny olona miaro tena satria na ianao io aza dia nanao izany raha teo @ toerany.

Ny bois de rose : Ravalomanana Marc no nanapasaka an'io voalohany. Nanaraka i Andry Rajoelina : toa gasy daholo ireo raha tsy diso aho e? Ary mpifaninana fa tsy hoe mpiray tsikombakomba moa?
Ka isika no VENDRANA manao tay entin-driaka manohana sy mifidy an'ireny fa aza ny vahiny no homena tsiny.

Marina fa misy vahiny opportuniste rehefa mikorontana ny toe-draharaha fa maro koa ny gasy manao izany ka maninona tsy mba voatonona izy ireo? Tsy ny maha vahiny azy no tokony ho resahina fa izy opportuniste @ fandikana lalàna. Fa eo ihany koa : isika no DONDRONA mametraka tompon'andraikitra azo vidiana ka isika izany no meloka voalohany.
10. RAR.DAGO ( 05/11/2010 05:45)
Ny mikasika ny frantsay dia anisan'ny olona tena malina aho mikasika an'izy ireo satria betsaka ny mbola mihevitra fa mbola tany voazanaka i Dago. Tsy midika koa anefa izany fa rehefa frantsay dia kokanolona avokoa. Fa averiko foana matoa ny olona tafavoaka (karana, vazaha, sns) nefa isika mirefarefa, nefa ny sehatra itovizana, dia ISIKA IZANY NO VENDRANA ka aza ny hafa no enjehina fa mba ampiasao ny saina dia ianaro ny fahaizan'ny hafa.

Ianao moa mahita plan B, sns. Izaho kosa tsy mahalala ka tsy hafaka ny hiteny fa tsy hafaka ny hino anao koa raha tsy misy porofo tsy azo lavina. fa marina kosa hoe i TGV lany rora misolelaka any nefa toa voatsipaka foana fa azy moa iny ka tsy misy mandraharaha.

Aza lany andro sy rora manenjika ny hafa fa ny anao hatsaraina raha mbola misy zavatra eo anelanelan'ireo sofina roa ireo. Ka raha tiana tsy hiverina intsony izao dia ny fanalàna an'i TGV ankeriny indray ve no vahaolana? Ka raha izao tantara iza indray no miverina dia ahoana?

11. RUZ9 ( 06/11/2010 12:00)
Tsy omen-tsiny iana noho ny tsy fahalalanao, nefa farafahakeliny mikaroha aloha vao manakiana. Ny plan B n'PHAT dia tolo-tsaina ay @ ambasadaoro frantsay, ary ny tenay no nilaza izany ampahibemaso sy efa niantso ny mpanohitra hankatoa an'iny, Tsy mahagaga izany fa niarahan-dry zareo nikotrika iny fakana fahefana an-keriny t@ 2009 iny, fa ianao taraiky be loatra ka toa tsy porofo intsony no ilaina fa ny miverina hatrany @ 2008 mihitsy angamba. Ianao moa toa tsy maharaka traharaham-pirenena akory fa te hiteny fotsiny.

Raha ny heverinao ho fanenjehana vahiny indray, tsy misy resaka tsy fitiavana azy ireo akory fa tsy maintsy tenenina ny lesoka sy ny tsy mety rehetra, raha tsy izany tsy afa-manova sy manangana fir vanona. Tsy ny fanomezan-drariny an'izay hita ho tsy mety akory . Na izany aza mazotoa miaro azy fa ny anay ny tanindrazana no ambony indrindra ka mahasaro-piaro anay "Ny fanjakana tsy anaranako havana", hoy Andrianampoinimerina; mainka ve ny vahiny havela hamiravira azy?

TANY MASINA ITY MADAGASIKARA ITY KA TSY FAHEFANA MIFOTOTRA @ HERISETRA SY FITIAVAN-TENA NO AVELA HAHAZO VAHANA ETO. "ny hery tsy mahaleo ny fanahy", ny fanahy no olona" ka olona MANAM-PANAHY NO ILAINA HITONDRA ETO.
12. RAR.DAGO ( 06/11/2010 14:43)
Eny ary fa RUZ9 irery no misy saina sy mahafantatra zavatra eto @ ty tany ty.

Ny mampalahelo aho fotsiny dia ny fahafohezan'ny fijerinao sy ny fisainanao
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2549