Ireo sary vongana ,ahoana ny hevitrareo momba ireo ?

1. nyhaingo ( 06/10/2010 16:27)
Misy ny Fiangonana sasany dia mitahiry ireny sary vongana na statut n'ny olona efa lasanko razana ireny mba ho fahatsiarovana sy ahitana lalandava ireo olo-masina
mba ahoana ny hevitrao amin'izy ireny ?
ohatra ity zao sary vongan'i st Peter basilique rome italy
novalian'i fijo ny 15/10/2010 19:49
2. nyhaingo ( 06/10/2010 16:30)

ity ndray ny statut n'i masina maria
3. ziva6 ( 06/10/2010 19:07)
inona moa no maha ratsy ny fisiany sary vongana na sary mihantona any am-piangonana ôtrany ao an-tokantranonao ihany io mampihaingo sy manatsara ny fonenanao enao fa tsy mivavaka amin'ireny.
4. fijo ( 06/10/2010 21:24)
raha sary sikotra vita tsara kosa ve moa hoariana?????aza variana amin'ny zavatra toa izany fa ankilany izany.apetrao ny fanontaniana tokony hipetraka.
moa ve ireny no hinoan'izay mitahiry azy sy hivavahany??rah aizay no izy,dia mety hampanontany tena,fa rah atahiry tsotra,zara aza nisy azy nitahiry ahitana hoe ,hay toa izao izany ilay olona fahiny.
5. AndriambyII ( 06/10/2010 21:48)
Aleo hivongan' eny ny sarivongana fa tsy olana .
6. nyhaingo ( 07/10/2010 11:07)
ary ireo sary vongana ve natao fahatsiarovana sa haingo-trano sa ivavahana e? ary maninona koa hoa no orohana izy ireny e
7. nyhaingo ( 07/10/2010 11:07)
ary ireo sary vongana ve natao fahatsiarovana sa haingo-trano sa ivavahana e? ary maninona koa hoa no orohana izy ireny e
8. locl ( 07/10/2010 11:38)
Efa ela nisy io discussion io, ary ny fiangonana iray tsy tononiko no manankiana ny fiangonana Katôlika( hoe mivavaka aminy sary vongana).

Voalohany aloha dia mila mahafantatra tsara ny anton'ireny sary vongana ireny ny olona raha hitsikera.
Tsy misy kristianina mivavaka aminy sary vongana na dia iray aza, fa ny hoe marika ampanajana ny nanamarika ireny olona ireny teo aminy tantaran'ny fivavahana kristianina no tena nanaovana ireny sary ireny ary tsy minelingelina mihintsy ny fivavahana izany.
9. mirananirina ( 07/10/2010 12:43)
Mitovy hevitra @ Fijo sy locl.
10. soanja ( 07/10/2010 13:20)

nyhaingo:

ary ireo sary vongana ve natao fahatsiarovana sa haingo-trano sa ivavahana e? ary maninona koa hoa no orohana izy ireny e

Amiko dia mety amiko ny fisian'ny sary vongana ary manampy ahy hifandray amin'n fitakiam-panahiko hifandray amin'Andriamanitra izany. Manoro ay fahanginana sy fidirana any anaty hivavaka ny sary vongana. Manoro ahy fa misy ny fanahiko izay milaza vavaka ao anatiko.

Tiako ny sary vongana ary azoko lazaina fa manampy amin'ny maha-olompanahy ahy. Raha tsy tianao kosa ny sary vongana satria manelingelina anao dia aza mijery sy mandany fotoana amin'izy ireny akory. Tsy mitovy isika olombelona tsinona. Ajaho lalandava ny hafa satria ny hafa hanaja anao!
11. fafane ( 07/10/2010 15:46)
Tsy de manana zvtr ambara loatra aho fa ny fantatro fotsiny de Andriamanitra irery ihany no azo hivavahana , fa na atao aiza na atao aiza refa tsy iankohofana de efa mety amiko, efa voaresaka teo teo alou nge io dinika io, de miverina ndray izy zao
12. fijo ( 07/10/2010 21:47)
dory daholo indray koa izay sarivongan aita ee,io mandroro io moa ,efa mampalaza ny sasany ka aleo handoro indray.ny tarananay ihany no tsy ahalala ninoninona eo
13. soanja ( 08/10/2010 03:22)

fafane:

Tsy de manana zvtr ambara loatra aho fa ny fantatro fotsiny de Andriamanitra irery ihany no azo hivavahana , fa na atao aiza na atao aiza refa tsy iankohofana de efa mety amiko, efa voaresaka teo teo alou nge io dinika io, de miverina ndray izy zao

Ka ny iankohoka moa aza ny olona dia tsy manahy izany na hoe ho olana satria izy mpiankohoka aza milaza fa tsy io akory no Andriamanitra ivavahany fa fombafomba entina manomora ny ifandraisany amin'izay ivavahany izany. Isika tsy mpino ny fandairan'ny sary vongana no maka tso-kevitra ho an'ny hafa izay manao izany.
Ohatra raisiko. Raha ianao ve no mody alina dia misy miteny hoe mpams iny nefa ianao mahalala fa avy niasa alina ianao satria mpitsabo amin'ny hopitaly ohatra dia ahoana? Ianao mahafantatra izay ataonao. Ny hafa tombatombana fotsiny. Izay tsy mino dia aoka hijery sy hibanjina ary hiezaka hahafantatra fa aoka tsy hitsara satria tsy misy mbola tany ambony ka mahalala izay tena sekiren'ilay Andriamanitra.
14. niryna ( 10/10/2010 01:28)

fijo:

raha sary sikotra vita tsara kosa ve moa hoariana?????aza variana amin'ny zavatra toa izany fa ankilany izany.apetrao ny fanontaniana tokony hipetraka.
moa ve ireny no hinoan'izay mitahiry azy sy hivavahany??rah aizay no izy,dia mety hampanontany tena,fa rah atahiry tsotra,zara aza nisy azy nitahiry ahitana hoe ,hay toa izao izany ilay olona fahiny.
ha,ha, itakou
15. niryna ( 10/10/2010 01:29)

nyhaingo:

ary ireo sary vongana ve natao fahatsiarovana sa haingo-trano sa ivavahana e? ary maninona koa hoa no orohana izy ireny e
dia tena tsy itako izay tena votoantin'ity resaka ity ry haingo aloha fa azafady,ka na ny alika aza anie aty aminay mahazo horokoroka e?
16. RAR.DAGO ( 10/10/2010 15:11)

nyhaingo:

Misy ny Fiangonana sasany dia mitahiry ireny sary vongana na statut n'ny olona efa lasanko razana ireny mba ho fahatsiarovana sy ahitana lalandava ireo olo-masina
mba ahoana ny hevitrao amin'izy ireny ?
ohatra ity zao sary vongan'i st Peter basilique rome italy

Mila "représentation" foana ny zanank'olombelona satria sarotra no mino izany tsy hita maso izany na animiste izy na kristianina na inona na inona.
Raha ny hevitro dia tsy misy olana mihitsy izany io fa fitaovana iray toy ny hafa. Ny tsy mety dia ny mitsara ny hafa na ny filazàna fa ny an'ny tena no tsara noho ny an'ny hafa satria mitarika disadisa izany nefa na ny andaniny na ny ankilany dia nampianarina ny andefitra fa tsy hitsara
17. niryna ( 14/10/2010 05:15)

RAR.DAGO:

mety ho izay ilay izy ary ao ihany koa ny manome hasina ilay zavatra kely na ambony noho ilay Atra hivavahana .Misy olona mitondra zavatra manaraka azy any am-paosiny foana ho famantarana araka io noteneninao hoe tsy hita maso ilay Atra hivavahana ka zavatra no hoentiny hanoloana azy any,kanjo adinony any an-trano ilay izy dia eo vao mipararetra hoe tsy tonga nanaraka ahy ilay zavatra kely mpiharo aho isan'andro.Izay dia tena ahitandoza mihitsy satria lasa ilay zavatra kely hoentina no hinoana fa tsy ilay Atra fizay Fanahy ka izay rehetra manana azy dia miaraka aminy koa ny fanahiny fa tsy azo soloina zavatra hafa io na inona ity na inona .Izay aloha no mba itako nataon'ilay olona iray izay
18. nyhaingo ( 14/10/2010 07:44)

Mila "représentation" foana ny zanank'olombelona satria sarotra no mino izany tsy hita maso izany na animiste izy na kristianina na inona na inona.

hay dia ireo sary vongana zany no représentant n'Andriamanitra ety antany ? HAY VE ?
19. RAR.DAGO ( 14/10/2010 08:16)
Ianao sady simpliste no ironique nefa tsy mamaky tsara. Représentation retsy fa tsy représentant izany a!
Dans le sens hoe image conceptuelle, na atao aza hoe fampatsiharovana hevitra. Toy ilay sarina vazaha be lava volombava manao rebareba fotsy iny na ilay olona mijaly be nofantsihina tery @ hazo fijaliana.
Ok?
20. fijo ( 15/10/2010 19:49)
anontanio aloha ilay olona.rah ailay sary no tena inohany,na hoe mba natao ahafantarana ilay inoany fotsiny ilay izy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0718