lesona ilaina amin'ny fanoratana boky

1. tahtah ( 20/09/2010 16:31)
Mila toro-hevitra sy lesona madinidinika amin'ny fanoratana boky (boky tantara ohatra).
novalian'i soanja ny 22/09/2010 10:27
2. soanja ( 22/09/2010 01:14)

tahtah:

Mila toro-hevitra sy lesona madinidinika amin'ny fanoratana boky (boky tantara ohatra).


Boky tantara malagasy- ohatra hoe ny tantaran'ny firenentsika sa hoe tantara roman sa tantara ny momba anao?

Misy isan-karazany ny fanoratana boky.

Misy ny atao hoe rakin-tsoratra " zavanisy" ary misy ny tantara rakin-tsoratra "noforonina."

Dia miankina koa hoe amin'ny fotoana inona no tianao hampisehoana ny mpamaky ny zavatra tianao tantaraina. Misy fotoana isan-karazany na fiainana nandalovan'ny firenentsika ka mifandraika amin'izay ny teny ampiasaina sy ny zavanisy mety tianao asongadina. Amin'izay mantsy dia afaka miara-miaina ilay tantaranao ny mpamaky fa tsy valalanina fotsiny mandray izay voasoratra ka tsy afaka mampitaha aminy izay niainany na fantany fa niainan'ny hafa na fantany fotsiny.

Mila fampidirana matetika ny tantara ary misy voatoatiny isan-karazany, ohatra hoe ireo olona milalao ao anaty tantara avy ary ireo zava-nitranga ary amin'ny farany dia mila fandravonana fialana na famintinana na fametrapetrahana ny filaminana iafaran'ilay tantara.

Ohatra raisiko, raha te hitantara ny tantaram-pianakavianay momban'ny Famadiahana nisy indray andro aho, dia hitantara aho aloha hoe ahoana no nahatongako tany amin'ilay toerana, iza no nanasa anay mianakavy ho avy any, ary inona no rohim-pihavanana ifandraisanay matoa voaasa izahay hamonjy Ilay famadihana. Rehefa vita izany dia ampidiranao indray ny toetrandro tamin'izay satria matetika ririnina ny fotoana hanaovana ny famadihana any ohatra. Inona ilay andro nofidiana hanaovana ilay famadihana ary nahoana no io andro io no voafidy? Ahoana ny fomba nifidianana azy, naka mpanandro ve sa izay no tapaky ny fianakaviana? Eto dia mila milaza ianao hoe ahoana ny fahalalanao izany mpanandro ohatra raha hilaza ny monba azy ianao. Raha tapaky ny fianakaviana amin'izao fotsiny ilay andro anaovana azy dia azonao hatsaraina koa ny fomba nahatongavana tamin'izany , ohatra hoe vokatra ny vary ka mbola maindry fotoana fijinjana ny olona satria izay izy ireo vao afaka hividy vary ary hanambola hamonjena sy hanaovana adidy amin' ny famadihana sns sns... Tsara lalandava ny tantara malagasy raha misy ohabolana sy hain-teny saingy tsy voatery koa izany raha amin'izao mari-potoana izao no ampiasaina satria mety tsy miaina an'izany intsony ny Malagasy maro.

Mila foto-kevitra ny tantara matetika ary misy fahendrena na teny/ hevitra tiana hatsipy horaisin'ny maro. Matetika dia any amin'ny farany vao hita io.

Ankaotr'izay kosa raha toa ka tantara roman dia tokony hoe feno zavatra manentanentana sy ireo fihetsika isan-karazany mifangaro fihetsem-po tsapan'ny olombelona rehefa mifandray sy mifankatia na miady na hafa maro izay ananantsika.

Izay indray ary fa mazotoa manoratra. Enga anie mba ho amin'ny teny malagasy tontolo. Raha mbola mila fanampiana akaiky dia manorata any amiko manokana. Soanja

3. tahtah ( 22/09/2010 09:47)
Misaotra betsaka amin'ny fanampiana,

Araka ny voalazanao etsy ambony dia efa fantatro ihany hoe mitaky zavatra maro samihafa izany fianarana manoratra boky izany.Ilaina ny fananana traikefa sy famefezana ireo tsipitsipika mifehy ny asa-soratra.Marihiko fa raha ny mikasika ny tenako manokana dia mbola vaovao be aho amin'izany, izany hoe mbola maro ny zavatra tsy maintsy fantariko sy feheziko tsara ary fantatro fa lavitra ny lalana.Nefa rehefa tiana ilay izy dia tsy tsaroana akory ny asa izay sarotra sy lava tokony atao mba anatanterahina izany; metimety kokoa azo indray aza ny fahafaham-po.

Fanoratana boky amin'ny teny malagasy no tiako fehezina; niteny ianao hoe misy karazany ny rakin-tsoratra dia lazaiko fa manintona ahy daholo ireo karazany roa nolazainao ireo fa tiko atomboka amin'ilay rakin-tsoratra noforonina.Betsaka ny fanontaniana manitikitika ahy koa misaotra mialoha amin'ny fanampiana.
4. soanja ( 22/09/2010 10:27)
azafady fa diso ny soratro an. Raki-tsoratra no fiteny fa tsy rakin-tsoratra.

Tsara izany fa tohizo. Mila misy fanombohany daholo ny zava-drehetra ka. Ny risi-po, finiavana ary ny fitiavana ilay atao no voalohany indrindra dia manaraka ny rehetra.

Mirary soa hatrany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7402