Fa nahoana? sarotra valina raha samy fanontaniana.

1. Mpanazava ( 18/09/2010 19:37)
Fa de nahoana loatra re e!... Alahelo, fitarainana, fanaintanana, izany no azo amehezana ny manjo antsika rehetra rehefa sendra voina,na famoizana havana na namana akaiky sy ny maro hafa.
Matetika isika mametraka an'ilay fanontaniana hoe Andriamanitra ô, Fa nahoana e?
Ireto misy ohatra vitsy nalaiko tamin'ny intervieu:
"Andriamanitra ô, fa nahoana ianao no nanao toy izao e? fa inona no nataonay taminao?"
"F'ahoana izy no avelanao ho faty ry Andriamanitra ô?"
"Andriamanitra ô, aiza ianao e! Raha misy sy mahery ianao, naninona izao zavatra izao no tsy nosakananao?"






Mino ny ankamaroan'ny olona fa lahatra na hoe avy amin'Andriamanitra ny zavatra ratsy mahazo antsika. Tsy mitovy koa ny valiny omen'ny Mpitondra fivavahana.



Tena tompon'Antoka tokoa ve Andriamanitra?

novalian'i ouioui ny 24/09/2010 09:28
2. nannie ( 19/09/2010 06:41)
Ity izao misy antony iray vao hitako teo :

"Chaque adversité porte en elle la graine d'un avantage égal ou plus grand."

Miala tsiny fa hitako tamin'ny teny vazaha ilay izy.

Mirary soa

Mpanazava:

Fa de nahoana loatra re e!... Alahelo, fitarainana, fanaintanana, izany no azo amehezana ny manjo antsika rehetra rehefa sendra voina,na famoizana havana na namana akaiky sy ny maro hafa.
Matetika isika mametraka an'ilay fanontaniana hoe Andriamanitra ô, Fa nahoana e?
Ireto misy ohatra vitsy nalaiko tamin'ny intervieu:
"Andriamanitra ô, fa nahoana ianao no nanao toy izao e? fa inona no nataonay taminao?"
"F'ahoana izy no avelanao ho faty ry Andriamanitra ô?"
"Andriamanitra ô, aiza ianao e! Raha misy sy mahery ianao, naninona izao zavatra izao no tsy nosakananao?"






Mino ny ankamaroan'ny olona fa lahatra na hoe avy amin'Andriamanitra ny zavatra ratsy mahazo antsika. Tsy mitovy koa ny valiny omen'ny Mpitondra fivavahana.



Tena tompon'Antoka tokoa ve Andriamanitra?


3. AndriambyII ( 19/09/2010 13:54)
L' adversité est à percevoir au fûr et a mesûre de notre existence .C' est ecrit dans le destin .Azafady niteny snou !
4. nannie ( 19/09/2010 14:05)
Ka ny tampoka kosa anie tsy maha-lehilahy ary ny patsa iray tsy omby vava fa resaka resaka e !
AndriambyII:

L' adversité est à percevoir au fûr et a mesûre de notre existence .C' est ecrit dans le destin .Azafady niteny snou !
5. AndriambyII ( 19/09/2010 15:37)
Ny tampoka tsy mahaolombelona no mety ho marimarina kokoa ka! ny patsa rehefa asesika mety ho omby kibo ihany rehefa ela ny ela ! Tsy handatsa fahafatesana velively ny teniko fa mba ilaina ny mamantatra ny fisehoan-javatra ara-potoana ny @ izay mety ho akony eo @ fiainantsika .Aleo misoroka alohan' ny ho voina toy izay miharitra. Sa ahoana nannie ?
6. Miharena ( 20/09/2010 07:03)
Rehefa tsy mahafantatra ny fototry ny nanaovana ny olombelona dia teraka ny alahelo.

Ny conscience collective isafotofotoan'ny fisainana mamono sy mamoifo no miteraka ny loza rehetra eto an-tany. Raha ny olona rehetra no miara-miray hina hanana fisainana fitiavana sy fiadanana dia ho voaaro avokoa ny loza mety hitranga.
7. ikaretsaka ( 20/09/2010 16:35)

AndriambyII:

L' adversité est à percevoir au fûr et a mesûre de notre existence .C' est ecrit dans le destin .Azafady niteny snou !


miombon-kevitra @ Andriamby, saingy ny ahy @ Teny Grika ;)

"Live this day as if it will be your last. Remember that you will only find ''tomorrow'' on the calendars of fools. Forget yesterday's defeats and ignore the problems of tomorrow. This is it. Doomsday. All you have. Make it the best day of your year. The saddest words you can ever utter are, ''If I had my life to live over again. ''Take the baton, now. Run with it! This is your day! Beginning today, treat everyone you meet, friend or foe, loved one or stranger, as if they were going to be dead at midnight. Extend to each person, no matter how trivial the contact, all the care and kindness and understanding and love that you can muster, and do it with no thought of any reward. Your life will never be the same again.»
8. nannie ( 21/09/2010 05:20)
Hihi !... ma mihiaka raha terena asesika ny patsa ! Fa aleo marina misoroka raha mbola azo atao ny misoroka e ! Toy izay mitsabo...
AndriambyII:

Ny tampoka tsy mahaolombelona no mety ho marimarina kokoa ka! ny patsa rehefa asesika mety ho omby kibo ihany rehefa ela ny ela ! Tsy handatsa fahafatesana velively ny teniko fa mba ilaina ny mamantatra ny fisehoan-javatra ara-potoana ny @ izay mety ho akony eo @ fiainantsika .Aleo misoroka alohan' ny ho voina toy izay miharitra. Sa ahoana nannie ?
9. niryna ( 24/09/2010 05:36)
Ka jereo kosa ireny nahazo an'i Joba ireny? olon'iza no ahazaka ireny?
Toa izany koa isika rehefa misy manjo dia manontany tena foana fa tsy mahazaka isika hoe ity no mitranga dia mety ampianatra ahy fiainana hafa ka ahatonga ahy hifikitra aminy be be kokoa
10. ouioui ( 24/09/2010 09:28)
Izany no izy hono e, rehefa niala @ Antra de zakao ny vokany , sao mantsy hiteny ny olona hoe, nahoana kosa rasatana no tsy navelanareo hitondra a,'izao tontolo izao??? mety mahavita tsara ve lery ??? zao ny vokany hono e [IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Reflexion/U_THIN%7E1.GIF[/IMG]
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0348