ry zareo ao liban

1. verozoky ( 07/09/2010 18:04)
mba tena mampalahelo ny mahazo an-dry zareo ao liban ao.Ny ankizivavy ma/sy no lazaiko satria tena diso manambany loatra ny mpampiasa sady tsy misy fandriam-pahalemana mints ka betsaka no maty sy mamono tenaary ny lasa adala.Ry zareo libanais ian no tena olana an!
novalian'i katiaa ny 12/09/2010 20:16
2. ssendra ( 07/09/2010 18:57)
ka ny mahagaga koa anie dia efa fantatra fa mijaly sy tsy voahara-maso ny securité ndry zareo any dia misy foana ny sahy mande e! f'izany hoe ny tsy fisiana hono mahazàka maniraka, nahita fandaharana mikasika an'izy ireny mihintsy aho tsy ny vehivavy malgasy ihany fa ireo hafa koa fa tena mampalahelo fatratra, mampitsetra fa tsy misy azo atao.
3. verozoky ( 08/09/2010 17:31)
ary ny tena mahalasa ny saiko d le olona tsy d nianatra no bdb any.Hany ka tsy mahita solution afatsy ny mamono tena.Ary ny olona mandefa mankany d olona efa tany daolo,nahita tsara ny nanjo tany.Ny mahantra aty m/car mila vola d lasa,sady mety ho tsara resaka ihany koa le mandefa
4. ikaretsaka ( 08/09/2010 21:58)
misy koa ignorance... tsy mahalala akory ny hahazo azy any fa d ehoe handeha eee de zay fotsiny
5. hery ( 09/09/2010 14:40)
Efa heno amin'ny vaovao foana ny zavatra mahazo ny gasy sasany any kanefa mbola misy mandeha ka angamba efa vonona na mieritreritra ny tenany ho mafy be.

Na izany na tsy izany dia misy ankizy gasy maro fantatro nandeha any Liban fa toa tsy maninona akory amin'izao. Ka arakarak'ilay mpampiasa ihany koa angamba.
6. ssendra ( 10/09/2010 19:02)
arakaraka ilay mampiasq mihintsy io, fa ny ankamaroany dia ny manararaotra ny situation fotsiny, indrisy mantsy....
7. katiaa ( 12/09/2010 20:16)
Fa eo koa anie ny voatambitamby @ zavatra poakaty e, sendra ny teny tsara lahatra zany e, dia mandeha ihany satria sitrany hahay na dia efa naheno aza fa nisy ny fijaliana nahazo ny sasany.

Ireo mi recrute no tokony henjehina indrindra moa fa ny gasy tafiditra ao anatin' izany. Raha efa fantatrao ve fa METY hijaly ny mpiray tanindrazana aminao dia mbola hamporisika ihany ianao? Eny e, fa mety hoe vola be koa aloha ny azony dia tsy misy hirarahiny izay fijalian' ny hafa any e.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2619