Ireo adala amin'izao tontolo izao, hoy ny baiboly.

1. soanja ( 10/08/2010 01:13)
Indro misy soratra notsiponiko avy ao anaty baiboly milaza zavatra mahavariana tokoa. Inona no handraisanao azy?


1 CORINTHIANS 1:27
27 fa ny adala amin'izao tontolo izao no nofidin'Andriamanitra hampahamenatra ny hendry; ary ny malemy amin'izao tontolo izao no nofidin'Andriamanitra hampahamenatra ny mahery;

27 but God chose the foolish things of the world, that he might put to shame them that are wise; and God chose the weak things of the world, that he might put to shame the things that are strong;
novalian'i ouioui ny 20/08/2010 22:41
2. taminga ( 10/08/2010 09:17)
Sambatra araka izany ny adala sy ny hendrin'izao tontolo izao.
3. bor2lais ( 10/08/2010 09:47)
Ny ahy indray dia ilay tenin'Andriamanitra ao amin'ny Isaia no tonga ao an-tsaiko ry "taminga" rehefa mahita an'io tsimpona nentin'i Soanja io :

"Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo ary ny lalanareo kosa tsy mba lalako"
4. Miharena ( 10/08/2010 11:31)
Izay ilay hoe mari-drefy tsy mitovy satria izay lazain'ny olona ho hendry eto amin'izao tontolo izao dia noho ny famaritana voafetra ataony ihany. Dia rehefa miteny amin'ny fisainana tsy takany ny olona iray dia lazainy fa hoe adala.

Mifototra amin'ny fitsarana ivelany avokoa ny famaritana tsy araka ny fihevitr'Andriamanitra
5. ikaretsaka ( 10/08/2010 12:40)
izay mihitsy ry miharena...
6. soanja ( 10/08/2010 16:29)

bor2lais:

Ny ahy indray dia ilay tenin'Andriamanitra ao amin'ny Isaia no tonga ao an-tsaiko ry "taminga" rehefa mahita an'io tsimpona nentin'i Soanja io :

"Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo ary ny lalanareo kosa tsy mba lalako"


Ka nahoana izany no manome, manoro lalana Izy Andriamanitra no tokony ataontsika raha toa ka izay fiheviny tsy ho takantsika mihitsy. Hoe robot -ny ve zany isika nefa Izy ihany no namolavola ny saintsika hisaina sy handinika. Mifanohitra be izy izany.

Ka iza no afaka hiteny fa ireto no adala amin'izao tontolo izao ary ireto ny hendry ary Andriamanitra no nifidy azy ireo? Eken'andriamanitra ve izany ny hadalana?
7. ikaretsaka ( 10/08/2010 17:51)
soanja> henoy ny tantaran'i Mbola diadinidiniho dia arak'i ndroky
8. Hagg ( 11/08/2010 06:24)
Ny fanontaniana mipetraka dia izao. Raha izao ve no misy manao sambo lehibe amin'ny hazo eny antampokavoana ka vita dia milaza hoe ndao hoa ao dia niditra ve ianao? raha izao no misy milaza fa Andriamanitra ary mibitsika aminao hoe vonoy ny zanakao dia ho namono ve ianao? raha izao no misy milaza aminao hoe mandehana mitety izao tontolo izao na mankanesa any anefitra dia aza mitondra na inona na inona dia ho nande ve ianao? Dia natao hoe adala ve ianao raha tsy nande na tsy namono ny zanakao?
Fa sarotra tokoa ny manakatra ny hevitr'Andriamanitra. Misy nefa ny olona izay nofidiny sy nomeny hery manokana ka mahatakatra izany. Tsy ny olona rehetra. Sa ahoana hoy ianao?
9. Miharena ( 11/08/2010 06:28)
Soanja:

Ka nahoana izany no manome, manoro lalana Izy Andriamanitra no tokony ataontsika raha toa ka izay fiheviny tsy ho takantsika mihitsy. Hoe robot -ny ve zany isika nefa Izy ihany no namolavola ny saintsika hisaina sy handinika. Mifanohitra be izy izany.

Ka iza no afaka hiteny fa ireto no adala amin'izao tontolo izao ary ireto ny hendry ary Andriamanitra no nifidy azy ireo? Eken'andriamanitra ve izany ny hadalana?

Raha te hahazo tsara ny fiteny hoe "Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo ary ny lalanareo kosa tsy mba lalako"
dia toy izao no fandraisana azy, isika dia voary ary Izy dia Mpahary, noho izany tsy hitovy mihitsy ny fomba fijery. IZY afaka miteny hoe "ny sitrakao no sitraKO" fa isika tsy afaka hiteny izany loatra satria ny sitraNY tsy ho voatery ho takatrao fa IZY mahafantatra tsara ny sitrakao satria IZY no nametraka ny aiNY tao aminao fa tsy ianao no namorona ny tenanao.

Ny miseho ho hendry mantsy dia milaza fa ambony noho ny hafa, nefa nomena aina mitovy ny rehetra eo anatrehan'Andriamanitra, ka izany no nahatonga ny hoe ny adalan'izao tontolo izao io no mananatra fa tsy izay mihambo ho hendry.
10. soanja ( 11/08/2010 16:41)

ikaretsaka:

soanja> henoy ny tantaran'i Mbola diadinidiniho dia arak'i ndroky


Ia ro Mbola?
11. bor2lais ( 14/08/2010 08:21)
soanja:

Ia ro Mbola?

Ilay "adala manan-tsaina ao an-tsenan'ny Sabotsy ao" angamba no tian'i Ika lazaina !
12. taminga ( 14/08/2010 12:19)

bor2lais:

soanja:

Ia ro Mbola?

Ilay "adala manan-tsaina ao an-tsenan'ny Sabotsy ao" angamba no tian'i Ika lazaina !

Sarotra izy ity raha tsy hoe faritanao tsara ry Soanja ny hoe ADALA araka ny voalazan'ny Baiboly na sahala amin'izany sy ny hoe MALEMY, dia alefa araka izany ny adi-hevitra, amin'izay voafaritra tsara ny domaine de definition...
13. ouioui ( 18/08/2010 22:21)
Mahatsiaro ny tantaran'i Mbola indray aho izany , misy adala manantsaina ao an-tsenan'ny Asabotsibo ao nefa adala tsy azo hambakaina hihihi
Koa ny manampahaizana no olon-kendrin'izao tontolo izao nefa mety adala @ Andriamanitra raha ny mpaniratsira azy ka ny olon'Andriamanitra ve izay heverin'ny adala izany no hampahendry azy , izay no fahazahoako azy
14. marcus11 ( 19/08/2010 10:13)
;)[IMG]http://s07.flagcounter.com/count/DymW/bg=ffffff/txt=ffffff/border=ffffff/columns=1/maxflags=1/viewers=3/labels=0/[/IMG]
15. ouioui ( 20/08/2010 22:41)
Ny manadala ny adala no adala ihany no adalahihihihi
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1634