1914 no farandro hoy i Charles Taze Russell,

1. hery ( 07/08/2010 22:29)
Charles Taze Russell no namorona ny Temoins de Jehovah. Betsaka ny zavatra nosoratan fa na ny mpikambana ao amin'ny TJ aza dia tsy mahazo mamaky izany. Angamba vokatry ny fahadisoana ao anatiny.

Tamin'ny 1903 ohatra i Russell dia nilaza sy nanitrikitrika fa amin'ny 1914 ny farandro.





Izay mazava ho azy fa tsy tonga. Amin'izao raha anontaniana ny TJ hoe midika ho inona ny 1914 dia zavatra hafa no lazainy satria angamba tsy naseho azy hoe inona marina no notorin'ilay mpamorona azy mikasika izany.

Mahagaga fa folo taona taty aoriana dia nilaza indray i Rutherford izay filoha faharoan'ny TJ fa amin'ny 1925 indray ilay farandro. Fa naninona no mbola latsaka tao anatin'izay hadisoana izay indray kanefa efa hita ny nanjo tamin'ny 1914?



Io ilay lazain'i Jesoa hoe "Tandremo ny mpaminany sandoka"
novalian'i ouioui ny 18/08/2010 22:48
2. ikaretsaka ( 07/08/2010 22:55)
Ny Millerite(groupe na advantista nanaraka an'i William Miller) nilaza fa t@ 1840 ny fara andro
(jereo ny hoe Great disapointment)

Ny assemble de Dieu koa nilaza toy io voalazan'i hery io t@ ady lehibe voalohany

Ny Loterianina sasany koa, taorian'ny nahafatesan'i Lotera dia nilaza fa tamin'ny taona 1594 ny fara andro (Adam Nachenmoser , Prognosticum Theologicum)

ny an'ny TJ moa dia miova foana isaky ny misy zava mitranga kely : civil war =fara andro. ady lehine voalohany =fara andro, ady lehibe faha 2 =fara andro,tsunami=fara andro.... BP=fara andro
3. ndenn ( 08/08/2010 10:22)
Ny fahataperan' izao tontolo izao izany aloha dia tsy hisy , raha resaka fara andro ,fara andro ahoana moa izany ? ny tsy fisian' ny tara- masoandro miantefa eto antany intsony angamba? ny fiafaran' ny tantaran' ny zava-manan' aina eto antany angamba no marina mety hilazana azy sa tsy izay ? Efa t@ andron' i JC no efa nisy nandefa faminaniana ny momba azy io ! Ary maromaro ihany ireo nahita volana alohan' ny biby nilaza izany fa é é é !! mbola eo foana aloha ny tany hatramin' izao !
4. mpanazava ( 08/08/2010 17:30)

ny an'ny TJ moa dia miova foana isaky ny misy zava mitranga kely : civil war =fara andro. ady lehine voalohany =fara andro, ady lehibe faha 2 =fara andro,tsunami=fara andro.... BP=fara andro

Isakin'ny misy ve raha jerena ilay hoe 1905 no lazaina mialoha izay hitranga @ 1914?

Io ilay lazain'i Jesoa hoe "Tandremo ny mpaminany sandoka"

Ohatra akaiky ao amin'ny baiboly. Nirahan'i Jehovah hanambara didim-pitsarana tao Ninive i Jona. Hoy'i Jehovah rehefa avy naniraka azy fanindroany :"Mitsangana ka mankanesa any ninive, ilay tanana lehibe, ary torio aminy ny fanamelohana holazaiko anao."(Jona 3:2) Rehefa lasa i Jona dia hoy izy tao amin'ilay tanana :"Ary rehefa avy nandeha tongotra iray andro izy dia tsy nitsahatra nitory hoe :"Efapolo andro sisa dia horavana i ninive" (Jona 3:4) Fatantrao ve ny antony tsy nandravan'Andriamanitra an'i Ninive rehefa tonga ilay fotoana? Mpaminany sandoka ve i Jona?
Ity misy rakitsary manamafy io documentn'i Hery io eo ampovoan'ity tantara ity.

5. ikaretsaka ( 08/08/2010 18:55)
mpanazava:

[quote=hoy 'zahako]
ny an'ny TJ moa dia miova foana isaky ny misy zava mitranga kely : civil war =fara andro. ady lehine voalohany =fara andro, ady lehibe faha 2 =fara andro,tsunami=fara andro.... BP=fara andro


Isakin'ny misy ve raha jerena ilay hoe 1905 no lazaina mialoha izay hitranga @ 1914?



momba ilay 1905 sy 1914
-Tsy fara-andro aloha no nisy fa guerre
-efa fantatra koat@ izany fa possible ny hisian'ny korontana kely vokatry ny fiovam-penitra nisy teo @ olona ka : ny Fiarakodia sy ny fiaramanidina sns , dia izay no nohararaotina..

Niasa tany @ Faritra Asia atsimo atsinanana iny aho talohan'ny tsunami, tano maromaro talohan'io dia nalaza i El nino, efa fantatra fa hisy effets i El nino.. ary 2 taona talohan'io dia izay no nitarin'ny TJ ..dia nisty iny tsunami iny moa de vao mainka....

Io ilay lazain'i Jesoa hoe "Tandremo ny mpaminany sandoka" fa. . . ny zava misy no itariny kay



Ohatra akaiky ao amin'ny baiboly. Nirahan'i Jehovah hanambara didim-pitsarana tao Ninive i Jona. Hoy'i Jehovah rehefa avy naniraka azy fanindroany :"Mitsangana ka mankanesa any ninive, ilay tanana lehibe, ary torio aminy ny fanamelohana holazaiko anao."(Jona 3:2) Rehefa lasa i Jona dia hoy izy tao amin'ilay tanana :"Ary rehefa avy nandeha tongotra iray andro izy dia tsy nitsahatra nitory hoe :"Efapolo andro sisa dia horavana i ninive" (Jona 3:4) Fatantrao ve ny antony tsy nandravan'Andriamanitra an'i Ninive rehefa tonga ilay fotoana? Mpaminany sandoka ve i Jona?
Ity misy rakitsary manamafy io documentn'i Hery io eo ampovoan'ity tantara ity.




Zavatra 2 tsy mitovy izany rangahy ity a, ny 1 i Jehova no nanafatra, niresaka mivantana t@ Jonasa
ny ataon'ny :mpaminany TJ dia zava misy hi engendrer zavatra hafa efa fantatra fa hisy effets no mody haodikodiny eo!
6. Miharena ( 09/08/2010 06:40)
Miverina any amin'ny famaritana ny fara andro hatrany no mampisavoritaka ny olona eto ary ny tsy fitsaharana maminany andro io no mampiteraka fahadisoan-kevitra matetika.

Ny fara andro resahan'ny TJ eto izao dia fifaranan'ny fanjakazakan'olombelona ary fipoiran'ny fanjakan'Andriamanitra. Tsy misy idiran'ny tsunami sy ny fahafatesan'ny masoandro sy ny loza isan-karazany izany fa resaka firindran-javatra ataon'ny Mpamorona.

Ilay manome daty indray dia tena manahirana be ihany satria raha dinihina dia tena araky ny fandalinana soratra ampifandraikana amin'ny zava-misy no itondrana azy eto, izany hoe toy ny manao porofo matematika ihany ny TJ, izany hoe fihevitr'olombelona ihany (dia miverina amin'ilay fanjakazakan'ny olombelona izany) fa tsy fihevitr'Andriamanitra.

Dia very amin'ny Katesizy daholo ny olona roboka ao.

Izay ilay ilàna hatrany ny fahafahana manavaka ny voan'ny hazo araka ny filazan'i Jesoa hatrany.

Na izany na tsy izany dia izay fahamarinana anatiny notanan'ny TJ no tsara jerena dia ilay Fanjakan'Andriamanitra fa tsy ny filazana hatrany hoe niteny ranona fa amin'izao izany andro izany dia izay no hanilihana azy tanteraka.

7. ikaretsaka ( 09/08/2010 13:05)

Ny fara andro resahan'ny TJ eto izao dia fifaranan'ny fanjakazakan'olombelona ary fipoiran'ny fanjakan'Andriamanitra. Tsy misy idiran'ny tsunami sy ny fahafatesan'ny masoandro sy ny loza isan-karazany izany fa resaka firindran-javatra ataon'ny Mpamorona.


ny fanontaniana anie ry miharena dia tsy hoe inona no fiheverana ny hoe ohatran'ny fara andro e fa hoe
"nitombina ve ilay faminaniana"??

... nandeha ary ilay faminaniana hoe 1914(fiafaran'ny fanjakazakan'ny olombelona) dia taorianan'io... niafara tokoa ve ny fanjakazakan'ny olombelona?

fa mba namaky Watchtower ihany aho indrindra talohan'ny 2000 le nisy korotana tao aminareo iny fa ny voatsikaritro dia rehefa misy catastrophe naturel dia iny foana no araraotina "haminaniana"


8. Miharena ( 09/08/2010 13:52)
Ika:

ny fanontaniana anie ry miharena dia tsy hoe inona no fiheverana ny hoe ohatran'ny fara andro e fa hoe
"nitombina ve ilay faminaniana"??


Tsy nilaza loatra angamba aho hoe nitombina ilay faminaniana daty satria ny fotoana dia tsy misy tokony hitompo teny fantatra ny amin'izany.


Ika:

fa mba namaky Watchtower ihany aho indrindra talohan'ny 2000 le nisy korotana tao aminareo iny fa ny voatsikaritro dia rehefa misy catastrophe naturel dia iny foana no araraotina "haminaniana"


Izaho aloha tsy TJ fa manaraka ny lojikany fa rehefa hita hoe mibirioka be ilay zavatra ambarany dia manjary leo be aho mamaky azy. Izay no tsy itiavako loatra ny mampandroso azy ireo rehefa mametraka fanontaniana tsy mitombina izay izy. Fa na izany na tsy izany dia miresaka tsara aminy aho rehefa hitako hoe misy zavatra iraisana.
9. ikaretsaka ( 09/08/2010 14:06)

Tsy nilaza loatra angamba aho hoe nitombina ilay faminaniana daty satria ny fotoana dia tsy misy tokony hitompo teny fantatra ny amin'izany.

ka izay anefa no fotokevitry ny dinika eto: le resaka fametraha-jareo daty io
10. infiny ( 09/08/2010 15:37)

Ny fahataperan' izao tontolo izao izany aloha dia tsy hisy , raha resaka fara andro ,fara andro ahoana moa izany ? ny tsy fisian' ny tara- masoandro miantefa eto antany intsony angamba? ny fiafaran' ny tantaran' ny zava-manan' aina eto antany angamba no marina mety hilazana azy sa tsy izay ? Efa t@ andron' i JC no efa nisy nandefa faminaniana ny momba azy io ! Ary maromaro ihany ireo nahita volana alohan' ny biby nilaza izany fa é é é !! mbola eo foana aloha ny tany hatramin' izao !

Angaha tsy hoe
fara andro = tapitra ny fotoana

Araka ny kajy sy ny fandrefesana natao sy ny equation'i Friedman dia models 2 (misy manasokajy ho 3) iany no mety hitranga ho an'ny tontolo misy:

1 mihitatra mandrakizay
2 mihitatra ary avy eo mihena

raha ilay 1 dia tsy misy ilay izy, raha ilay 2 kosa dia misy saingy tsy ho itan'ny zanak'olombelona intsony satria ho lany mialoha izany ny solika mampirehitra ny masoandro dia tsy hisy intsony ny systeme solaire (Raha tsy hoe efa mifindra planete na galaxie hafa angaha isika). Kanefa raha ilay 2 aza dia mety tsy hisy indray ilay izy satria ny quantum mechanics milaza fa misy solution tsy manana singularite ny equation'i Einstein. Raha atao ny kajy izany dia 1/3 ny chance isian'ny fara andro :).
11. ikaretsaka ( 09/08/2010 15:49)

Angaha tsy hoe
fara andro = tapitra ny fotoana

ny andro no tapitra fa tsy ny fotoana
12. Miharena ( 10/08/2010 10:20)
Mampiroaroa hatrany io resaka fara andro io raha vao raisina araka ny fandrefesana. Ny fampitahorana mihatra amin'ny zanak'olombelona aloha dia hoe fahataperan'ny fisiana no mametra ny fara andro.

Lasa lavitra raha izany no sainina fa aleo angaha manaraka ny hoe fisiana no resahana hoe hanam-pahataperana ve? Dia tsy hanam-pahataperana io raha Andriamanitra no anontaniantsika.

Eo amin'ny fanjakan'Andriamanitra indray moa dia mazava fa IZY ihany no mandrakizay ary izay mahazo Azy dia mahalala izany zavatra izany.

Ny resaka mihelohelo manodidina sy izay tombantmbana rehetra dia tsy misy tokony hahaleo an'io mandrakizay io. Dia anjarantsika no mametraka ny tenantsika ao anatin'izany fa raha mandalina fotsiny tsy miaina sy mijery tsara dia tsy mahay milomano ao anatin'ny fifanipahan-kevitra maro be.
13. ikaretsaka ( 11/08/2010 13:43)
io indray ianao fa hanomboka fanafangaro dia hifamery @ katesizy
Andro ilay izy fa tsy fotoana..
andro tsy fotoana, matoa mots 2 samihafa ireo na @ teny inona na teny inona
14. infiny ( 11/08/2010 15:11)


Angaha tsy hoe
fara andro = tapitra ny fotoana

ny andro no tapitra fa tsy ny fotoana


Fa angaha moa ny andro tsy natao ho fandrefesana ny fotoana fotisny. Ohatra any aloha tany
tsy nisy ny famataran'ora de ny maizina sy mazava no nampiasain'ny olona handrefesana ny fotoana. Taty aorina kosa dia vita ny nitsinjara ilay izy ho kely sy precis kokoa. Izany hoe rehefa "tapitra" ilay andro, izany hoe tsy hisy fotoana horefesina aminy intsony dia izay ilay fara andro?
15. ikaretsaka ( 11/08/2010 15:45)
tsy hoe tsy hisy fotoana ho refesina ho andro intsony ka fa hor tsy hisy ho voarefy... na mari-drefy!
izay ilay hoe "infini" (azafady @ le pseudo ) fa izao isika mbola ao anaty zavatra "fini".. de teboka.... de possible hoe mandeha any @ infini izay!
16. ouioui ( 18/08/2010 22:48)
Fin du monde 1914 hihihi, ny fanontaniana anie dia hoe nisy fivoarana ve @ izao ??? nanao fahadisoana daholo izay fiangonana rehetra tany @ voalohany fa misy consul , misy AG , isan-karazany manitsy ,
Aza faly manakiana fotsiny kosa aloha e hihihi
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7207