Ohatra tsara azo tahafina amin'i Maria Renin'i Jesoa.

1. mpanazava ( 07/08/2010 18:30)
Raha vao miresaka an'i Maria dia ao antsaina avy hatrany ilay vehivavy nofidin'Andriamanitra sy nankasitrahany indrindra, izay niteraka an'i Jesosy. Misy Maria dimy hafa resahan'ny baiboly. Zanak'i Hely ilay Maria resahina eto ary taranak'i Davida Mpanjaka avy amin'ny fokon'i Joda.
Ireto izao misy fomba enina hitako nianarako avy aminy:
1)- Tokony ho vonona hihaino izay lazain'Andriamanitra amin'ny mpanompony isika, na dia mety hanahirantsaina na sarotra inoana aza ilay izy amin'ny voalohany. Lioka 1:26-37
2)- Mila manana herimpo isika mba hanaovana ny sitrapon'Andriamanitra ka mila mahatoky azy tanteraka. (Jereo ny Lioka 1:38 . Asehon'ny Deotornomia 22:23,24 mantsy fa melohina ho faty ny vehivavy behovoka tsy nanambady)
3)- Tsy miankina amin'ny farim-piainan'ny olona iray no hifidianan'Andriamanitra azy (Lioka 2:22-24 sy ny Levitikosy 12:1-8)
4)Tokony hatao lohalaharana foana ny fanompoana an'i Jehovah Lioka 2:41
5)- Tokony hadio fitondran-tena foana isika Lioka 1:34
6)- Tokony hazoto hampianatra baiboly ny zanany ny Ray amandreny. Lioka 2:42

Inona kosa no mba azonareo lazaina voarakitra ao anaty baiboly na hafa mba hifanampiantsika?
novalian'i badluck ny 21/08/2010 07:13
2. ikaretsaka ( 07/08/2010 18:58)
tsy i Maria no Taranak"i Davida fa i Josefa ..
Ny Heli sy ny Joachim dia mitovy ihany (ohatran'ny Yahveh sy Jehova )
raha te hahalala bebe kokoa ny momban'i maria sy ny firazanany dia tsara raha ny Pritievanfelin;i Md Jakoba (apocryphes) no jerevana
3. hery ( 07/08/2010 21:20)
Raha te hahalala bebe kokoa ny fiainana tena kristianina dia tsy misy afatsy ny miditra ho kristianina sy miaina ilay fiainana.

Raha te hahalala sy te hahazo tombony kokoa amin'ny firaisam-po amin'i Maria i Mpanazava dia tsy misy afatsy ny manandrana io firaisam-po aminy io.

Experience ny finoana, tsy zavatra théorique be azo alaina etsy sy eroa. Fiainana ny firaisana amin'Andriamanitra. Mila miaina izany firaisana izany mba hahalalàna ny tsirony sy ny fahasoavana azo ao aminy.

Mangataha amin'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina fa hanazava anao bebe kokoa izy.
4. ikaretsaka ( 07/08/2010 23:13)
hanampiako azy dia hoe "tsy fahotana ny manandrana... fa ny manao ny tsy fanao nefa fantatrao fa tsy azo atao no fahotana!"
5. rijadolly ( 08/08/2010 08:50)
Misaotra Mpanazava a! dia misaotra an' Hery sy Ika koa

"tsy fahotana ny manandrana...fa ny manao ny tsy fanao nefa fantatrao fa tsy azo atao no fahotana!"
Marina ary tena marina, somary tsindriko kely ilay hoe " Tsy fahotana ny manandrana" saingy tsy azo atao ny manandrakandran- doza...ihihihi!
6. nannie ( 08/08/2010 12:03)
Merci an !
hery:

Raha te hahalala bebe kokoa ny fiainana tena kristianina dia tsy misy afatsy ny miditra ho kristianina sy miaina ilay fiainana.

Raha te hahalala sy te hahazo tombony kokoa amin'ny firaisam-po amin'i Maria i Mpanazava dia tsy misy afatsy ny manandrana io firaisam-po aminy io.

Experience ny finoana, tsy zavatra théorique be azo alaina etsy sy eroa. Fiainana ny firaisana amin'Andriamanitra. Mila miaina izany firaisana izany mba hahalalàna ny tsirony sy ny fahasoavana azo ao aminy.

Mangataha amin'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina fa hanazava anao bebe kokoa izy.
7. nannie ( 08/08/2010 12:07)
Merci e !
ikaretsaka:

hanampiako azy dia hoe "tsy fahotana ny manandrana... fa ny manao ny tsy fanao nefa fantatrao fa tsy azo atao no fahotana!"
8. ikaretsaka ( 08/08/2010 19:34)

rijadolly:

Misaotra Mpanazava a! dia misaotra an' Hery sy Ika koa

"tsy fahotana ny manandrana...fa ny manao ny tsy fanao nefa fantatrao fa tsy azo atao no fahotana!"
Marina ary tena marina, somary tsindriko kely ilay hoe " Tsy fahotana ny manandrana" saingy tsy azo atao ny manandrakandran- doza...ihihihi!


hahaha ka efa fantatra kosa amin'izay ilay izy hoe loza... voafehin'ilay nolazaiko io ihany
9. fijo ( 10/08/2010 18:58)
ka mety hoe loza ary fa tsy aty kosa ko
10. ouioui ( 18/08/2010 22:51)
Ilay vavaka Rainay any an-danitra iny ve tsy hoe @ alalan'i jesosy e, hihihihi, izay aloha no tadidiko
11. badluck ( 21/08/2010 07:13)
oKi dOki[IMG]http://s07.flagcounter.com/count/DymW/bg=ffffff/txt=ffffff/border=ffffff/columns=1/maxflags=1/viewers=3/labels=0/[/IMG]
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0572