Faniriana

1. Bhiou ( 18/07/2010 20:31)
Ohatran'ny mba manana hevitra za hoe maninona moa raha mamorona "choral SERA" isika mpisera eto? mba faniriana ny ahy fa raha misy vonona hanohana dia ataontsika ilay izy.

Ny tenako aloha dia afaka mamoron-kira (genre Gospel - Negro spirituel)
Ny mozika somary milamindamina no tena mba mahafinaritra ahy ny mamorona azy.

Efa niaina t@izany choral izany ihany koa ny tena efa aman-taonany maromaro kely

Fa ny tena mba mamiko indrindra dia ny mba ahafahako midera sy mifandray @Andriamanitra @sehatra samihafa.

Tadidio anefa fa tsy ny resaka hira ihany fotsiny koa no iarahana @izany choral izany fa ny fifam-pitaizana ary no tena zava-dehibe ao.

KOA IZA ARY NO VONONA ANARAKA AHY HO AN'NY TOMPO E?
novalian'i rijadolly ny 24/07/2010 14:43
2. Miharena ( 19/07/2010 07:30)
Tsara ilay hevitra fa serasera ihany angamba no ahafahana manatanteraka azy.
Dia mba misy ireo izay afaka manome tonony dia misy ny afaka manisy feony.
3. rijadolly ( 20/07/2010 22:37)
Za ndray tena mpamalana be mihitsy, tsy manana sofina hono aho hoy ilay namako, nefa za mihevitra hoe tena ok! rehefa mihira, sady ataoko mafy hany zany...ihihihih!

Mino aho Bhiou fa samy vonona ho an' Tompo daholo isika, fa ilay Fiaonana ho an' izay afaka atao matotra..., Ny fandraisako anjara araka io tenen' Miharena io angamba dia azo ampiasaina ny tonokaloko izay metimety ao e!

4. niryna ( 21/07/2010 18:57)


Za ndray tena mpamalana be mihitsy, tsy manana sofina hono aho hoy ilay namako, nefa za mihevitra hoe tena ok! rehefa mihira, sady ataoko mafy hany zany...ihihihih!

Mino aho Bhiou fa samy vonona ho an' Tompo daholo isika, fa ilay Fiaonana ho an' izay afaka atao matotra..., Ny fandraisako anjara araka io tenen' Miharena io angamba dia azo ampiasaina ny tonokaloko izay metimety ao e!


Rija a ! raha resaka hoe fianarana hira indray na fanamasahana feo dia afaka mianatra tokoa isika,mihira moramora kely fotsiny ary teneno ny namanao tsy hihomehy anao fa asio mandona kely fotisny izy rehefa miakatra iny ny feonao dia basy io avy eo e
jereo ao amin'ny youtube fa misy fampianarana fanamafisana feo dia ataovy foana ilay izy na mihirahira ao an-trano fa mandeha foana io e.Mety mivalana kely fotsiny aloha amin'ny voalohany,hi,hi fa rehefa ao anatinao ilay feo ka mazoto koa hianao mianatra ilay hira dia mivoaka ho azy io.Izay no nataoko dia tena nandaitra fa tsy manakatra lavabe intsony aho,hi,hia
5. rijadolly ( 24/07/2010 14:43)
Tena mahamenatra anie ry Niryna e! rehefa izaho irery aloha dia tena mamely mafy aho e! Alefako mafy ilay hira dia manaraka izay saim- patatro eo aho, fa tafiditra ao am- po tsara anefa ihihih! Misaotra amin' toro hevitra e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0067