EFA VITSY AN'ISA DE MBOLA VALALA ANKARONA IHANY ...

1. andrywi ( 13/07/2010 11:33)
Efa zara raha misy manohana sy manaraka ny Mpanohitra dia mbola jereo koa ity fizarazarana be ! inona tsony izay Magro 400olona sy Arema 300olona sy ny ambiny 400olona raha izany ! tsy aleo ravaina amizay !




POLITIKA


Ing. Ravalomanana no niteny fa…
Tsy mifanara-kevitra ny
mpitarika ny ankolafy telo

-Raha ny fanazavan’ny Filoha teo aloha Ravalomanana dia tsy milamina ny mpitarika ny ankolafy telo. Tsy nitsitsy teny mihitsy ity farany, tamin’ny asabotsy tamin’ny fidirana an-telefaona, nilaza ny zava-misy. «Ny zava-mitranga dia izao. Tsy mifampatoky intsony ny mpanao politika". Tsy henoin’ny olona intsony ny mpitarika, eny fa na dia samy ao anatin’ny ankolafy aza satria samy te hiseho fa izy no mahay zavatra,sy izy no lohany. Samy mieritreritra ianareo fa manana ny marina. Tsy hifanomezan-tsiny izany fa aoka mba hifandefitra sy hifanaja» hoy Ravalomanana tsy niolaka. «Aoka ianareo hiray saina satria tena ao anatin’ny fahasahiranana ianareo. Miteny izany i Dada satria mananatra ny zanany» hoy izy nanindry mafy.
Dia asa tokoa aloha izay miseho ao fa ny nisy aloha dia ny tsy fahatongavan’ny ankolafy Ratsiraka tamin’ny fivoriana nandaminana sy fanomanana ny fitsidiham-paritra any Atsimo tetsy amin’ny Villa La Franchise tamin’ny herinandro. Misy tamin’ireo mpitari-tolona sasany etsy amin'ny Magro koa no tsy nahalala an’ireny fitsidiham-paritra natao tany avaratra ireny.
Ny Tahiry R.




akory atao e !... io le nolazaiko hoe ady vola sy voninahitra fotsiny no ao oa !! io izy io !!!!!!!!!
novalian'i andrywi ny 13/07/2010 15:53
2. andrywi ( 13/07/2010 15:53)

raha manao fivorivoriana amizao zany ry zalah 3mvs efa nipatitaka ireo de zara raha misy viviny kely sisa mihogahoga eny antampon-tendrombohitra eny hon hon ,hon hon h
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0068