NISY NANOLANA.....

1. kotokelyko ( 01/07/2010 13:56)
misy namako vevavy zay 26ans, nisy nanolana izy nefa vierge ;
ny fomban ndry zareo nefa de ny vady no tsy maintsy mi divierge ny vevavy iray fa rah tsy izy de baraka ho an'ny tena sy ny fianakaviana;
nila hevitra tamiko ilay namako ka mieritreritra ny hi recoudre hymen izy : toa hoe misy manao an zany hono eny 67ha! nefa izaho ts mahalala : koa sô mba fantatraero kay azafady fa tena miady mafy mitsy zay ato miambina an le sipa fa tady hamono tena izy ! misaotra mialou.
novalian'i sylvaine ny 10/11/2010 13:05
2. zigzag ( 01/07/2010 22:22)
1/ tsy mety ny mamono tena
2/ fombandrazana sy ny fombampinoana hafa dia mahatonga falementsaina tokoa ka tokony hivadika kristiana iz raha silamo!satri ny kristiana miaina am famindrampo ka mbola afak mahazo vady soamantsara iz na d nanao tany ambadika tany akotran'ny viol ary manana fahalalahana arakevitra ,saina ,tsy voateritery
3/asaivo mitady bandy iz ! ka omeo fampaherezana am zany!
zay no azoko atolotra
3. hery ( 01/07/2010 22:48)
Efa betsaka ny vehivavy, na dia any @ firenena silamo aza, voatery manao an'io manjaitra io rehefa mitaky vehivavy virjiny ny lehilahy sy ny fianakaviany. (Mahagaga moa fa tsy mba takiana ny haha virjiny an'ilay lehilahy koa). Koa raha misy an'izany manjaitra izany ao @ 67 dia asaivo ataony.
Tsy tokony hanenjika azy ny eritreriny satria tsy fidiny ho azy ilay izy.
4. soanja ( 02/07/2010 04:40)


misy namako vevavy zay 26ans, nisy nanolana izy nefa vierge ;
ny fomban ndry zareo nefa de ny vady no tsy maintsy mi divierge ny vevavy iray fa rah tsy izy de baraka ho an'ny tena sy ny fianakaviana;
nila hevitra tamiko ilay namako ka mieritreritra ny hi recoudre hymen izy : toa hoe misy manao an zany hono eny 67ha! nefa izaho ts mahalala : koa sô mba fantatraero kay azafady fa tena miady mafy mitsy zay ato miambina an le sipa fa tady hamono tena izy ! misaotra mialou.


Sarotra be ny raharaha. Nisy fanasaziana na fitoriana ve ny fanolanana sa vita amin'izao? Ny fahafantaran'ny fianakaviana ny zava-nitranga mantsy no mampihena ny tahotra sy ny ahiahy amin'izay mety hiseho amin'ny ho avy.

Raha ny hevitro dia ny fomba hanena ny tahotra amin'ny ilay niharan-doza no zava-dehibe zany hoe raha te hamono tena izy dia mila psy zany izy fa mbola tsy sitrana amin'izay nanjo azy. Ny fijalian-tsaina ao anaty hateren'ny fiaraha-monina/kolontsaina koa dia manimba ny olona iray. Ny manafaka azy amin'io zioga io izany no vahaolana. Saingy miankina lalandava amin'ny fahaleovan-tenan'ny tsirairay izany fahafahana izany.

Raha misy ny famitranana any 67 ha dia tsara ny maka info momba izany. Zany hoe izay lalana ialana amin'ny tahotra sy ny horohoro dia tsara avokoa saingy mino aho fa tsy hanampy azy izany satria ny momba azy mihitsy no nopotehina raha ny fahitako azy ary izay dia mila ezaka fahasitranana goavana fa tsy vitan'ny ara-batana ihany fa ara-tsaina sy ara-panahy koa.

Mankahery azy lalandava ny tenako satria tsy mora ny voafehy roa sosona.

5. soanja ( 02/07/2010 12:04)
Ny fahafantarana koa hoe " ny vady izay hofidiako hiara-dalana amiko eto an-tany dia hitia ahy amin'ny mahaizy ahy" koa raha tsy ny fony sy ny fitiavany no hifidy izany vady izany dia hoy aho hoe na androany na ny ampitso dia tsy ahita fiadanana izy.

Ampianaro azy ny mahalala ny atao hoe FITIAVANA ao anaty fanambadiana. Mitia ny iray tsy misy fepetra, indrindra raha tsy finidiny ny zavanisy.

Raha tsy afaka mihoatra amin'io fisainana sy fomba fiaina io izy dia ny momba azy mihitsy no efa misy kilema hatrany amboalohany ka tsy vitan'ny resa-batana fotsiny izany.

Mivavaka ho an'ny filaminantsaina sy ny fitoniana.
6. rabaradaka ( 03/07/2010 10:16)
Avao tsara aloha ny hoe fomban-drazana sy ny fombam-pivavahana, dia izao koa tandremo manaonao foana fa lahy tokana ny aina.
7. peta83 ( 05/07/2010 13:28)
tsy vahaolana ny mamono tena! fa kosa mivavaha mafy mba ho tahin'Atra any aorina sy mba hanomezany herin-tsaina afahana miatrika izany olana izany.
8. Miharena ( 07/07/2010 06:35)
Tranga ratsy ilàna anao izay namany ilàny hevitra fanohanana be no mitranga eto. Tsara raha manohana azy ianao ara-kevitra. Tsy ny fitetezana etsy sy eroa no tokony hatoro azy fa ny fampanginana tsikelikely, na fanongotana mihitsy ny fisainana mivari-lavo eo anatrehan'ny soa toavina tsy tanteraka arak'izay niheverana azy (Ny maha-virjiny potika tsy araka ny niheverana azy io). Tsara raha asaina manatrika ny olany izy dia mikosoka azy. Tsy miverina lava amin'io resaka io fa miatrika ny ankehitriny. Ny ho avy dia nofy ihany ka tsara raha ny ho avy no miraharaha ny azy. Na izany aza dia tsara ny mivavaka mba hahatsara izay fikasana amin'ny ho avy.
Ny amin'ilay manjaitra indray dia tsy misy tokony hiheverany izany satria vao mainka mandranitra ny fahatsiarovana ratsy. Vao mainka mampitondra vesatra fanampiny rehefa mitamberina eo amin'ny fanambadiany hoe ity olona iarahako ity moa dia voafitaka fa izaho te-hiseho imasony fotsiny hitiavany ahy!
Ny manankina amin'Andriamanitra ny ho aviny no tokony hataony fa tokony hohadinoina ny lasa ratsy.
9. ianjarado ( 09/07/2010 06:36)
tokony ampahafatariny @ fianakaviana fotsiny ny marina rehetra hoe nisy nanolana izy fa tsy nanao firaisana nialoha ny fanambadiana. @zay ny fianakaviana sy izay haka vady azy mb tsy anejika sy haneso azy.
10. pulchery ( 11/08/2010 07:25)
miombokevitra am be sy ny maro lo aho oe tssy vahaolana ny mamono tena sady zah koa efa niantra anzany fanolnana izany dia ny vavaka no ataoko betsaka mba ahita lehilahy afaka mi comprendrea satri tsy adalanao ary tsy fidiny ho anao anie ny zavatra nanjko anao e
Fa itako koa hoe interessant zany any 67 zany an, tiko ho atao koa mantsy!omeo informations misimis koko ah ra itanao ilay toerana
11. xxxy ( 13/08/2010 17:38)
Maninona moa tsy lazaina ilay bandy hoe efa rovitra natioraly izy io. Raha hitan i lery mantsy hoe nozairina mety lasa vao maika silaka be. Toa ny mivarotra saka be loha @ i jean laborde ianareo raha manjaitra fika izany. Maka bandy hafa fotsiny dia samy mirava
12. arialy ( 17/08/2010 14:44)
moramorainareo izy ty lehiretsy fa raha tena eo amn'ny toeran'ilay olona mila manjaitra tsy mora é, asaivo mankany 67ha marina izy raha izay no mapety azy
13. marcus11 ( 17/08/2010 19:51)
yes[IMG]http://s07.flagcounter.com/count/DymW/bg=ffffff/txt=ffffff/border=ffffff/columns=1/maxflags=1/viewers=3/labels=0/[/IMG]
14. nofinofy ( 29/08/2010 09:45)
Aza adalain'ny olona amin'izany misy manjaitra izany. Lany vola any fotsiny. Raha misy an'izany efa ela no bizna be.Manateritery "angamba"no mety hisy fa ny manjaitra tsy possible.Ny hymen tsy toy ny nofon'ny tanana ka hoe zairina.Rahefa rovitra io de vita ny aminy.
15. Bandygass ( 10/11/2010 11:26)

Tenen iz fa na mafy az n met hanjo azy d ts vaholana n famonoantena!!!!le oe manjaytra Hymen: fa nga zany possible!??le voile kel in nge n vaky d ts mety mverina tsony e!!!!zay alo n fahafantarako azy!
16. sylvaine ( 10/11/2010 13:05)

nofinofy:

Aza adalain'ny olona amin'izany misy manjaitra izany. Lany vola any fotsiny. Raha misy an'izany efa ela no bizna be.Manateritery "angamba"no mety hisy fa ny manjaitra tsy possible.Ny hymen tsy toy ny nofon'ny tanana ka hoe zairina.Rahefa rovitra io de vita ny aminy.

Tsy nahita enao matoa miteny izany fa efa nisy reportage hitako manao io opération io,ary lafo dia lafo tokoaary bizna be io any @ firenena mila izany,fa tsy mande kosa io raha Mada ohatra.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1034