Tsy rariny raha ny PHAT no hitarika ny fankalazana ny faha-50 taonan'ny fahaleovantena

1. Ruz9 ( 18/06/2010 06:45)
«Méme les morts ne peuvent reposer en paix dans un pays opprimé.»
[ Fidel Castro ] - Message au peuple souffrant de Cuba



Tsy ekentsika ny hitarihan’ny filohan’ny FAT ny lanonana fanakalazana ny faha-50 taonan’ny Fahaleovantena , tsy mendrika azy izany.

Masina ny tanindarazana ka tsy olona mitondra antsika any @ fanjanahana vaovao no hiseho hitarika ny lanonana fankalazana ny fetin’ny fahaleovantena.

Tsy zoviana amintsika ny zava-doza vitan’ny Fat sy ny filohany nanditra an’izay herintaona mahery izay izay tsy mbola nisy fitondarana sahy nanao an’izany nanditra ny 50 taona. :





- Fanampenam-bava sy fanagadrana an’izay tsy mitovy hevitra aminy na manohitra azy , raha tsy hilaza afa-tsy ny fanakatonana ny Radi Fahazavana sy ny fanagadrana ny mpanao gazety tao aminy ; ny zava nisy tao amin’ny Radio Fréquence +. Teo koa ny fisamborana sy ny fanagadrana ny mpitandrina sasany tao @ HMF sy ireo olona sasany niaraka taminy ; izay nisy mihitsy moa ny namoy ny ainy noho ny tifitra tamin’iny raharaha FIGN iny.





- Fampiasana ny mpitandro filaminana ho hery famoretana sy hanaovana ramatahora amin’izay mijoro mitaky ny fahamarinana. Niarahantsika nahita ireny raharaha FIGN ireny izay nampifatifirana ny samy zandary ho an’tombotsoan’olom-bitsy.



- Tsy mitana ny teny nomeny : mahamenatra izany izany; indrindra ho an’ny olona milaza azy ho mpitondra. Ny sonia atao anio lavina rahampitso. Olona toy izany no milaza azy ho mpitondra ? Tsia lavintsika izany





- Etsy andanin’izany, odian-tsy hita ny fiainam-bahoaka izay lasa sorona amin’izao toe-draharaha izao; tsy misy fiheverana na kely akory aza an’ireo very asa izay tsy mitsahatra mitombo; fa izay hifikirana ela eo @ fahefana ihanay no mahamaika. Ny mpanondrana harem-pirenena an-tsokosoko ihany no mahazo tombontso sy mankasitraka an’izao fitondrana izao.





- « NY HERY TSY MAHALEO NY FANAHY» hoy ny fahendren-dRazantsika; ny an’ny FAT kosa mifanohitra an’izany fa ny fampiasan-kery hatrany no entiny anampenam-bava antsika tsy ho sahy hitaky ny fahamarinana na hamotsipotsitra an’izay tsy mety rehetra ataony. Voasimbazimba tanteraka ny maha malagasy ary tsy misy fanajana ny zo aman-kasin’ny tsirairay eto amin’ny firenena. Tsy mahagaga raha manohana azy akaiky i Frantsa fa izy no mahita tombontsoa avy @ izany.





- Aoka hihetsika isika rehetra izay manana ny fitiavan-tanindrazana ao anatintsika. Tsy ekentsika ny mpitondra toy izany; fanimbazimbana ny hasin’ny tanindrazana ny fitarihany ny lanonam-pankalazana ny faha-50 taonan’ny Fahaleovantena.



Sarotra @tsika ny fanaovana fihetsiketsehana na an-dalambe na an-kianja noho ny sakantsakana maro sy ny ramatohoran’ireo herim-pamoretany. Noho izany dia eo Mahamasina @ io fotoana io (26 jona) no hanehoantsika aminy sy eo anatrehan’izao tontolo izao ny tsy fanekentsika azy; am-pilaminana anefa fa Malagasy manaja ny soa toavintsika isika.

Mba hampiavaka antsika dia hasehontsika @ FITAFIANA MILOKO MENA ny fitiavan-tanindrazana mirehitra ao anatintsika; sy ny tsy fahafaliantsika @ politika maloton’ny fitondrana misy ankehitriny; mety io ho tee shirt, mety ho lobaka, na palitao, na akanjo hafa fa ny lokony fotsiny no hampitoviana. Ka raha vao migadona eo Mahamasina ny filohan’ny Fat dia HIAMBOHO HANOME LAMOSINA AZY AVOKOA isika rehetra mandrapahavitany ny fisafoana ny «andian-tafika» . Afaka mitondra bandérole koa isika na hafenina aza ka havelatra miaraka amin’izay figadonany ao izay.



Asehoy fa tia Tanindrazana isika n’inona fampiasan-kery sy famoretana atao antsika



NY FITIAVA-TANINDRAZANA TSY ENTI-MIONDRIKA



Reseo ny tahotra sahia mijoro mba tsy ho fatifaty foana ireo Tia Tanindrazana niady ho antsika sy ho an’ ny firenentsika hatr-at-izay.





Koa antsoina avokoa isika rehetra na inona na inona firehana politika misy anao, na ny Ankolafy Telo sy ny mpanohana azy, ny HMF sy ny Kristiana rehetra, ny tsy Kristiana koa antsoina, ny mpivavaka sy ny tsy mpivavaka, ny mpandala ny Maha -Malagasy sy ny mpandalina ny Siansa ara-Panahy. Tandindomin-doza ny firenena; miha-midina ambany avoakoa mantsy na ny toe-karena na ny ara-panahin’ny vahoaka nandritra ity fitondrana tetezamitan’ny FAT ity.



Fehiny dia antsoina avokoa rehefa Malagasy Tia Tanindrazana hijoro haneho izany @ io andron’ny 26 jona io ao MAHAMASINA araka izay voalaza etsy ambony,



Aoka tsy hatahotra; Madagasikara tsy an’ny FAT sy ny filohany ary ny herim- sy ny sinoa, Madagasikara tsy an’ ireo firenena manohana ny FAT sy ny filohany ireo

MADAGASIKARA AN’NY MALAGASY REHETRFA. Izay ekentsika hitondra no mitondra antsika ary izay lavintsika arodantsika.

Zontsika ny miteny sy maneho hevitra ankalalahana, ary tsy misy afaka manala izany zo izany. Koa sahia mijoro ho an’ny Tanindrazana.

Ho fanakaherezana ny rehetra; dia saintsaino ity TENY HERY fampiasan’ny MDRM ity.





MALAGASY AHO

TERAKA HO MALAGASY

VELONA HO MALAGASY

ARY HO FATY MALAGASY



MADAGASIKARA NO ANJARA TANY NAHATERAHAKO

KOA DIA TERAKA HO AN’ I MADAGASIKARA AHO

VELONA HO AN’I MADAGASIKARA

HIASA HO AN’I MADAGASIKARA

ARY HO FATY HO AN’ I MADAGASIKARA

MADAGASIKARA NO TANINDRAZAKO



- Izay mahita an’izao hafatra izao, aoka hanaparitaka azy araka izay azo atao.

- Iangaviana koa ianao koa ireo izay hanome fanomezana ho an’ny fetin’ny ray mba hanolotra akanjo miloko mena hoentin’ireo Ray tia ny tanindrazany amin’io fotoana io. Iangaviana toy izany koa ireo malala-tanana sy ireo izay hizara fanomezana amin’ny fetin’ny Ray na @ andro hafa hanome akanjo miloko mena hoentina @ io andro lehibe ho an’ny firenena io.

Izay manana moa afaka manao dieny izao na aiza na aiza indrindra @ 26 jona Fetintsika.



Ny «mita be hono tsy lanin’ny mamba ary izay be no basy» . Koa hiara-hientana isika haneho fitiavan-tanindrazana



«TSY ADIDIKO IZAHO IRERY FA ADIDIKO IZAHO SY IANAREO»
novalian'i laza5700 ny 20/01/2011 00:35
2. cyril ( 12/10/2010 10:22)
aleo tarihin'ny fianakams e hon hon hon
3. laza5700 ( 20/01/2011 00:35)
Mba asio maso ity ry zalah f'aza variana amin'ny fifanomezan-tsiny sy ompaompa na tsindry bokotra madinidinika a! Misy azo ioriranana tsara mihintsy ny voalazan'ity RAMAROLAHIHAINGONIRAINY ANTHONY ity ! Nisy nanamarika teto amin'ny serasera izy ity hoe mba jereo INVITÉ DU ZOMA tamin'ny 23 oktobra 2010 dia nitady aho fa tsy nanenenako na dia nanahirana aza fa tena milay ny voalazan'i leiry. Mba mivoaka ny adihevitra lavareny amin'ny hoe RAVALO sa TGV.

http://tvplusmadagascar.blip.tv/file/4463371/#
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2151