Ho an'ny be rehareha amin'ny "air france" (ho any nice?) LOL

1. LazaDaddy ( 27/05/2010 09:24)
Arahabaina manokana ianareo rehetra be rehareha mandeha "air france" fa nahazo ny laharana faharoa ny "air france" ... avy any amin'ny farany (manarakaraka ny aeroflot).

http://www.smh.com.au/travel/travel-news/second-most-deadly-air-france-slammed-over-safety-20100520-vgg0.html

handeha "air france" moa Andry Rajoelina mankany Nice?
novalian'i fijo ny 01/06/2010 20:07
2. terrysaina ( 27/05/2010 10:18)
aoka izay ry Lazadolly an,izao ve sisa no mba valifaty ataonareo zanak'i dada @ fitondrana mahefa misy ,tsy olona aminay anie izany tsy makany nice e,
3. terrysaina ( 27/05/2010 10:25)
fa lisany eto ambadiky ny ecran eto no mihawawawa be eto nefa any @ tanana mifitsaka ao @ magro ao sisa ,tsy sahy mivoaka fa hoe soa dia amboarin'ny FIS
TSY ALEO VE RY IRETO MITOBATANANA TAHAKA momo dia alefa moramora eny tsiafahy ,toy izay ho faty mosary sy very asa eo @ magro ao an
4. vitalkamaoly ( 27/05/2010 12:13)
tsisy ahiana ny amin'io fa maka botry iray any Morondava ho entina any de basy. Ravisy amiraly no piloty ko inn ndray hon hon hon
5. tsimendrika ( 27/05/2010 12:46)
LazaDaddy,

Tena ilaina ve ny fankanesana any Nice ? Raha ilaina dia inona no tsy andehanan'ny solontenantsika ao amin'ny Tetezamita ao ? Sa inona ny olana ?

Ny fahitako azy anefa dia voninahitr'i Gasikara ny hisian'ny solontena any, saingy atao ahoana moa...

Izay ange no mbola ilazàko amintsika hoe : tsara foana ny haneken'ny Fikambanana iraisam-pirenena ny fandaminana apetraka e. Mbola sarotra foana r'zareo ny raharaha raha tsy mahazo fankatoavana isika an.

Fa dia aoka samy hijery ny hevitra azontsika rehetra mivoaka amin'izao olana izao raha azo atao e.

Misaotra antsika rehetra amin'ny tohin'ny fifampiresahana.

ILAY TSY MENDRIKA
6. fijo ( 27/05/2010 20:22)
fa ngah mbola misy voninahitra ao madagasika re???voninahitra ofisialy no tiako lazaina an.
7. LazaDaddy ( 28/05/2010 02:15)
Fiarahabana noho ny Air France nahazo laharana farahoa (avy any amin'ny farany) no resahiko fa tsy hoe ilaina sa tsy ilaina ny mankany nice.

Izaho mety ho faly ihany raha mitaingina "Air France" daholo ny mpanao politika Gasy rehetra mankany Nice.

http://www.smh.com.au/travel/travel-news/second-most-deadly-air-france-slammed-over-safety-20100520-vgg0.html

8. naritsimba ( 28/05/2010 04:47)
Miarahaba ny namana rehetra!
tsy dia ho be resaka loatra fa dia nahita ilay vao² dia gaga? raha nanao filazana ny mpitantana ny AIR MADAGASCAR teo aloha teo fa anisan'ny azo antoka indrindra ny AIR MAD manerana an'izao tontolo izao, ary anisan'ny mahay indrindra ihany koa ny Pilote Malagasy, dia maro no nanenjika satria nafangaro politika ny resaka.
Ny heno farany izao dia nahazo ny fanamarinana ny AIR MAD fa azo antoka tanteraka izy ireo araky ny fanamarinana iraisam-pirenena. Dia variana ihany ny tena hoe rehefa iza no mitondra fanjakana dia tsara ny AIR MAD fa rehefa iza dia ratsy?
Ny hitako dia ny politika politisianina no manaratsy endrika antsika. Toy ny toetra asehon'ny malagasy an-taratasy sasantsasany.
Misaotra e!

Fiarahabana noho ny Air France nahazo laharana farahoa (avy any amin'ny farany) no resahiko fa tsy hoe ilaina sa tsy ilaina ny mankany nice.

Izaho mety ho faly ihany raha mitaingina "Air France" daholo ny mpanao politika Gasy rehetra mankany Nice.

http://www.smh.com.au/travel/travel-news/second-most-deadly-air-france-slammed-over-safety-20100520-vgg0.html


9. fijo ( 01/06/2010 20:07)
eto dia valiako manokan ait fanontaniana ity.tadidio ry naritsimba,fa na tamin'ny andron'i ravalo teo aza,dia tsy tia mandeha "air mad" ny mpitondra fa mandeha "air france" foana.ny antony,dia tsy nahatokisana mihintsy ny air mad.
ary raha mandeha air mad nytena,dia mahatsapa tsara fa tena be ny olana.na ara materialy,na ara mpomba fiasa.
ara materialy,dia mihetsiketsika be ny separation ao anaty fiara ao.iny faritra misy ny fitehirizana sakafo iny dia ten amiozongozona mihintsy.
araka asa moa,dia tsy lazaina ny fahatarana sy ny tsymba fampilazana ny olona akory.ka io na iza no mitondra eo na izy,di amila fanovana io.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0661