aza mifidy ry gasy lany bala a

1. bazylou ( 24/05/2010 08:19)
Ho avy izao ny fifidianana dia aza mifidy fa mijanona any an trano daholo.
Dia avy eo mivavaha mafy hoe hiova hoazy io magie magie.

Tsy afa miala eo io le8nareo io ary na ny fatiny aza tsy ho tafiditra mandrakizay ao
MDG.

Iza indray ny sahy handrodana ? Iza?
Mba anarany mba nihetsika hikombaka nefa toa herim po very maina fa na ny vahoaka aza
Mitana takolaka fotsiny, tsy nanampy akory.
Dia manofisa eo ragasy aaa
VIVE TGV
novalian'i bazylou ny 25/05/2010 18:20
2. tsimendrika ( 24/05/2010 11:57)
Bazylou,

Tena vaha-olana ny fifidianana, ary tokony hiara-hientana isika hanatanteraka izany.

Mialoha izany anefa dia aoka mba ifanarahan'ny rehetra izany fa tsy fanapahan-kevitra avy amin'ny ankolafy iray ihany.

Mety tsy hanaiky na hankasitraka izany isika namana manaohana ny TGV, kanefa amin'ny saina tsy miangatra dia mbola misy ny fankatoavana amin'ny Fikambanana iraisam-pirenena ny fanapahan-kevitra vao hilamina io.
Hilaza koa isika fa tsy misy antony tokony hiandrasana izany intsony, kanefa hatreto aloha isika tsy TENA MBOLA TSY AFA-MIALA amin'izany.

Raha ny fijeriko aloha dia tsy hitako ny tokony tsy ifanatonana indray ka ifandinihana. Raha mahatsapa isika havana ao amin'ny ankolafy RAJOELINA fa tena voa mafy, ny etsy ankilany (ireo ankolafy telo koa) dia mety hilaza fa efa tena maty antoka. Noho izany, misy fiteny hoe "NY TSIHY NO FOLA-MANDEFITRA, FA NY OLOMBELONA TSY MBA FOLA-MANDEFITRA", hoy ihany koa ny fitenin'ny Ntaolo "LOHALIKA SY LAFERANA, ka IZAY MANDEFITRA IHANY NO MANDINA".
Tsy haiko aloha na efa lany andro ireo fitenenana ireo na tsia e, fa ny fahafantarako azy dia mbola marina ary azo entina amin'ny fiainana hatrany.

Dia mirary ny ahatongavan'ny fifidianana soa aman-tsara aorian'ny fisavorovoroana.

Misaotra antsika rehetra.

ILAY TSY MENDRIKA
3. milamm ( 24/05/2010 11:58)
aza taitra ela ry bazily de cock fa ny manetsa be mbola ho avy :lol:
4. terrywui ( 24/05/2010 15:46)
Ny tena mandreraka be amle MPANOHITRA hoa de le fivoizany mafy sy tsy ampihambahambana intsony ny resaka RACE ao aminy ao !!!! ary zay mitsy no tsy maharesy lahatra anay hiditra ao aminio Antoko io!!! rehefa Tanindrana ao na maintimainty de alikaindry lerony sy ataony ambany mihitsy !!! defa milaza anefa aho fa tsy ho tafavoaka aminio lalana izoranareo io nareo ry mpanohitra a!! raha vao io resaka razana ;, foko , fihaviana , lokontarehy sy fiheboheboana ,miseho milay io no entinareo!!!!!
--- ahita ny anganonareo foana nareo fa eto anie isika e!!! ovay mihitsy aloha le toetsaina !!! anareo MPANOHITRA ato amin serasera.org no manaova fitaratra mitarika azy voalo de angamba mety hiova ihany io loha ratsy io!!!..... :evil: :evil: :evil: :evil: :evil:
5. pikatti ( 24/05/2010 16:17)
ary zay mitsy no tsy maharesy lahatra anay hiditra ao aminio Antoko io!!! rehefa Tanindrana ao na maintimainty de alikaindry lerony sy ataony ambany mihitsy !!!

Adin'ny bazilozitra leisy zany a, nedala iny zao io lazain'elah io mihitsy dia mitomany vazah lava eto , kozio leisy lery mba tsy hitomany vazaha a, :-D :-D
6. bazylou ( 25/05/2010 18:20)
nyhanina hohanin'ialahy sy ny firenen'ialahy aza tsy zakan'nyatidoha kelinareo fa vazaha no mitondra azy..
Aiza ihnay le hanao amin'ny tgv ????????? :-D :-D :-D :-D :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0488