Mikorontana indray ry FATY isany TSSS!!!

1. savonyvava ( 22/05/2010 10:20)
Raha tsy mitsahatry ny mitady ny fomba rehetra hampanekena ny mpitantana ny tetezamita hiverina amin’ny fehin-kevitr’i Maputo sy Addis-Abeba ny GIC sy ny ankolafy pôlitika 3 dia mbola mahasahy tsy mampitovy tadin-dokanga manoloana izany ihany ny H.A.T. Araka ny loharanom-baovao mari-pototra dia adihevitra be nandritra ny ora maromaro, teny Ambohitsorohitra, tamin’ny alatsinainy, teo amin’ny samy mpikambana eo anivon’ny H.A.T ny hoe: fifidianana solombavambahoaka ve no hotanterahina sa referandaoma. Itsy farany izay raha ny sosokevitry andaniny dia hanontaniana ny hevitry ny vahoaka na tokony hiverina amin’ny fampiharana ny fifanarahan’i Maputo sy ny tovana tany Addis-Abeba.

CENI !

Ny ankilany kosa mitazona ny fotokevitra hanatanterahana ny fifidianana depiote.
Tsiahivina fa andro vitsivitsy mialoha an’io adihevitra io dia efa nanambara ny heviny ny Filohan’ny H.AT. fa tsy hiverin-dalana amin’ny fanapahan-kevitra efa noraisiny dia ny hanatanteraka fifidianana, amin’ny volana aprily ho avy izao, na inona hidona na inona hitranga. Manamafy izany ny fanazavana nomen’ny Praiminisitra misahana ny Atitany, omaly raha nitondra fanazavana tamin’ny mpanao gazety fa efa mamaramparana ny fanomanana ara-teknika ny fifidianana ny minisitera tarihiny. Ary hankinina amin’ny CENI kosa ny fanatanterahana azy. Araka ny loharanom-baovao avy amin’ny minisiteran’ny Atitany dia hivoaka ato ho ato ny fehezan-dalàna hiantsoana ny mpifidy handatsa-bato.
V.R.
novalian'i terrywui ny 22/05/2010 13:33
2. savonyvava ( 22/05/2010 10:25)
Tonga dia tairo fifidianana présideny rangy roa a!!! Aleo samy hirotsaka daholo R8,Rajou, Roindefo, Pierrot,sns......fa aza atao resak'olona mavozo
3. terrywui ( 22/05/2010 13:33)
............mamaramparana ny fanomanana ara-teknika ny fifidianana ny minisitera tarihiny. Ary hankinina amin’ny CENI kosa ny fanatanterahana azy. Araka ny loharanom-baovao avy amin’ny minisiteran’ny Atitany dia hivoaka ato ho ato ny fehezan-dalàna hiantsoana ny mpifidy handatsa-bato.
V.R.
mpandainga be elah !!! zavatra noforonlah fotsiny io de mody nasianlah oe V.R. io !!!! :evil: :evil: iza io mpanao gazety V.R. nlah io ? tsy misy an'izany fa aza mamahana lalitra eto papa a !......eo tazy de mitady hanao koudetety eo hin hin hon hon hon kobo elah zay !!!! :lol: 8O
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0076