Vady sy ny havana !!

1. Djhamhal ( 18/05/2010 06:49)
Misy fitenin-tsika malagasy manao hoe: Tiana ny vady fa ny havana tsy azo ariana ! nefa misy koa ny hoe: Vitam-bady tsy vitan-kavana ! aôna ny fandraisanareo an'io ???
novalian'i xxxy ny 13/08/2010 17:41
2. Mandefitra ( 18/05/2010 07:41)
Ny tokantranon ny mpivady tsy tokony ho tsabatsabahan ny havana (na reny na iray tampo na tantine ...).
Ny adidiy @ havana kosa anefa, dia teny ieranan'ny mpivady io. Ary tsy tokony hasiana havan ny lahy sy havan ny vavy.
Tsy afaka ny iolonolona irery zany ny mpivady, fa mandray anjara adidy @ fianakaviana satria ny taon trano tsy efan'irery e, trano atsimo sy avaratra hono ka zay tsy mahalen-kialofana.

3. nilex ( 18/05/2010 08:39)
ny olona efa matotra ka mahafehy ny hevitry ny teny hoe fanambadiana ihany no afaka mahavita izany fa tsy olona rehetra.Mila hay tsara mantsy ny mametraka ny vady amin'ny toerany dia eo koa ny havana .Samy manana ny toerany ireo ary samy manana ny lanjany manokana ka mila hay tsara ny mandanjalanja azy sy mandrindra azy fa eo no miteraka korontana.
Matetika anefa io tsy mipetraka mihintsy satria ny olona manambady dia tsy dia matotra ara-tsaina loatra fa taitaitra fotsiny.Hianarana dia ny mbola aty ivelany mantsy izany satria zavatra sarotra dia sarotra tokoa.Betsaka ny olona tsy ampy domin'ny vadiny na ny havany dia tsy manana personalité mihintsy.Indrindra raha misy olana eo amin'ny vady sy ny havana dia tena mila fahaizana mandamina tokoa izany fa tsy tonga dia mifanome tsiny fotsiny.
Any ampanaovana sipa mihintsy ny tsirairay avy dia tokony efa hisafidy ny olona afaka ny hifanaraka amin'ny fianakaviany ,fa tsy hoe terena fotsiny eo satria hoe tiako iny na dia hita ho manana toetra na fihetsika mety tsy hifanaraka amin'ny fomba fiainan'ny fianakaviana.
4. xxx ( 18/05/2010 10:25)
Any ampanaovana sipa mihintsy ny tsirairay avy dia tokony efa hisafidy ny olona afaka ny hifanaraka amin'ny fianakaviany ,fa tsy hoe terena fotsiny eo satria hoe tiako iny na dia hita ho manana toetra na fihetsika mety tsy hifanaraka amin'ny fomba fiainan'ny fianak

efa nahita tranga ôtran'io za : mbola mpisipa izy mitsamy dia miezaka mazoto manao adidy @ fianakam's le sipa , (mamangy refa misy maty ,mamonjy mariazy ... sns ) kay ny antony nanaovany an'reny adidy ireny hoy izy dia hitsikilovany ny fianakam's n'lé bandy oe mba olona aôna ity hiarahako ity sy ny mombamomba n'lay fianakam's é !! sy mody mihatsara velatsihy @ rafozana sy ny zôbavy klou! dé avy eo za ouzy lé sipa vô manapa-kevitra oe hivady aminy sa aôna !! tsy ratsy klé !!
5. Mirananirina ( 18/05/2010 10:46)
efa nahita tranga ôtran'io za : mbola mpisipa izy mitsamy dia miezaka mazoto manao adidy @ fianakam's le sipa , (mamangy refa misy maty ,mamonjy mariazy ... sns ) kay ny antony nanaovany an'reny adidy ireny hoy izy dia hitsikilovany ny fianakam's n'lé bandy oe mba olona aôna ity hiarahako ity sy ny mombamomba n'lay fianakam's é !! sy mody mihatsara velatsihy @ rafozana sy ny zôbavy klou! dé avy eo za ouzy lé sipa vô manapa-kevitra oe hivady aminy sa aôna !! tsy ratsy klé !!
ka rehefa mpisipa anie dia tsy maintsy izany foana ,fa rehefa vady amin'izay dia ahy ity ka izay tiako anaovana azy,tsy miraharaha havana intsony,na lahy na vavy io,mahagaga.
Misy fitenin-tsika malagasy manao hoe: Tiana ny vady fa ny havana tsy azo ariana ! nefa misy koa ny hoe: Vitam-bady tsy vitan-kavana ! aôna ny fandraisanareo an'io ???
Ka io koa ilay hoe ny vady azo soloina fa ny havana tsy azo soloina.Midika izany fa samy manana ny toerany na ny vady na ny havana.Ny vitan'ny vady hafa:ohatra mikarakara,mizara ny manta sy ny masaka,mizaka ny mafy sy ny ngidy.
Ny vitany havana kosa hafa ary tsy afaka ny hizara ireo intsony aminao rehefa manambady enao.Fa ao ilay hoe havako ity,iray ra,nanome aina sns...
6. nilex ( 19/05/2010 06:58)
izao izany raha azavaina bebe kokoa le izy e,ny olona tsirairay dia samy mahalala ny fianakaviany,izany hoe tokony ho fantatrao tsara hoe olona ahoana no mety ho tian'ny fianakavianao indrindra ny Rainao sy ny Reninao ary ny iraitam-po aminao.Na toetra io ,ny asa io eny fa na ny firazanana sy ny fihaviana koa aza .Tsy maintsy lanjalanjainao ireo mba tsy hampisy olana any aoriana ka tsy homeko tsiny le sipa raha hoe nijery tsara ny mombamomban'ny fianakavian'ilay sipany izy satria sao hiteraka olana any aminy indray avy eo.Marina aloha fa tsy hisy ny tonga lafatra fa mba mila jerena kosa ireo farafaharatsiny.Dia toy izay koa ny olona sipaina mba mila jerena hoe afaka ny hifanaraka amin'ny ao antrano koa ve ny mombamomba azy .Tsy mety ilay fisainana hoe alefa aloha fa rehefa ao anatiny ve tsy hiova eo ihany e.Tsy olona rehetra anefa mety amin'izay fa matetika tsy misy vahaolana mihintsy io fa dia korontana foana no haterany
7. Djhamhal ( 19/05/2010 11:34)
ny maha variana sy ny maha gaga amintsika malagasy mihintsy dia izao : ra gasy samy gasy no mifanambady dia mitombina fôna ireo critère voalazanao teo ambony ireo ! ary matetika dia tsy maintsy gidragidra fôna no mitranga sy hiafarany ! fa raha manambady vahiny ilay vehivavy (eropéana na asiatika na amerikana) ôtran'ny tsy mipetraka intsony ireo zavatra ireo fa tô vitavita @ zao fotsiny ary matetika aza toa lasa mandefitra be lé mpametrakan'lé critère! asa inona ny antony ???
8. nilex ( 20/05/2010 05:35)
Io indray ry namana dia ny saina mihintsy no voa satria ny olona mihevitra fa rehefa vazaha dia olona ambony na dia olona tsy mamely avy any amin'ny nisy azy tany aza.Misy ihany ny mimonomonona ao anatin'ny fianakaviana fa avy eo mangina ihany.Fa ny tena fahitako an'io dia resa-bola ihany io e,hoe lasa deba raha vao manambady vazaha sady misy karazana fianakaviana tena faly amin'izany mihintsy.
Na gasy koa aza anefa ilay olona ka manakarena be dia matetika mandefitra foana ilay be vava satria be fitetika sy tia tena no tena marina.
Fa io raha vao tsy mahavita an'ilay fianakaviana ilay olona dia raikitra indray ny savoritaka e
9. vale ( 27/05/2010 21:21)
[quote=Djhamhal]
Misy fitenin-tsika malagasy manao hoe: Tiana ny vady fa ny havana tsy azo ariana ! nefa misy koa ny hoe: Vitam-bady tsy vitan-kavana ! aôna ny fandraisanareo an'io ???
______________
Slt Djhamhal! ;-)

Araka ny hevitro, tsy afaka hanambady ny havana izany mihintsy, izany hoe ny Havana tsy mahasolo ny Vady. Raha toa ka tsy sitrakin'ny havana ilay fiarahana, (ts fantatro ra izay ny cas eto alou !).. kanefa ilay olontinao hitanao fa mety aminao(tsara toetra, sns) dia tsy hanenenana ny manapankevitra, ny havanao tsy hanary anao izany mihintsy (raha mbola Malagasy ihany koa!).
Misy aza olona mpifankatia tsy tian'ny havany, afaka mamorona "havana" = NAMANA ho azy ry zareo, tasrovy fa indray2 koa anie ny Namana aza no mahavita kokoa noho ny fianankaviana indray2 e! Raha hanaraka ambokony hatrany ny tian'ny fianankaviana mety ho lasa victimen'ny fitiavan-tenan-dry zareo eo ilay olona, tsy manan-tsafidy ! :-( ...Ianao ihany no mahita hoe Tsara toetra ity olona ity, satria ianao no tena akaiky azy indrindra vao ny fianankaviana, tadidivo fa NY FANAHY no Maha olona an!
izay ny hevitro manokana!


:wink:
10. soanja ( 28/05/2010 07:11)


Misy fitenin-tsika malagasy manao hoe: Tiana ny vady fa ny havana tsy azo ariana ! nefa misy koa ny hoe: Vitam-bady tsy vitan-kavana ! aôna ny fandraisanareo an'io ???


Jereo tsara fa misaraka roa tsara ny hevitra tiana ambara eto raha handalina ireo voalaza.

1- Toy ny ahoana ny fanehoana ny fitiavana eo amin'ny samy olona mifandray ara-pihavanana: vady, havana, sns sns...


Tiana ny vady fa ny havana tsy azo ariana !


2- Inona no asa manoloana ny tsirairay avy na samy misy rohim-pihavanana aza: vady, havana, sns sns....


Vitam-bady tsy vitan-kavana !


Holaliniko ary,

1- dia rehefa tapakevitra ianao fa hanambady olona iray dia mifandrohy aminao koa ireo izay mifandrohy aminy ary tsy vitan'ny izay fitiavan-tena no iseho rehefa hiditra izany tokatrano fa hisy koa ny fiafiana sy ny fifanajana ary ny fifampitsimbinana. Zany hoe io fiteny io izany dia ny vady iray izay mankasitraka ny fihavanana no hamoaka an'io fiteny io hanome fahendrena/ hampandinika ny ankilany. Ny atao hoe fitiavana ao anaty tokatrano dia mila manomboka amin'ny fiheverana fa tsy nipoitra avy any anaty tany isika fa nifandrohy tamin'ireo kibo niterahana.

2- Eto indray dia ny adidy mipetraka amin'ny tsirairay manoloana ny toerana misy ny tsirairay ao anaty rohim-pihavanana. Raha vady no resahina dia ianao andefimandry na taolan-tehezana no miatrika ny mafaitra indrindra mba hamahana izay olana ao an-tokatrano na hoe izay sehatra atrehan'ny tokatrano. Ny havana kosa dia natao hanotrona sy hanohana izany ezaka izany raha toa ka ifampizarana sy ifampiantsorohana ny zavamisy. Zany hoe teny nomena hampisehoana fa tsy andraikitra mora ny atao hoe "vady" fa ny ijoroan'ny tokatrano dia aminareo roa aloha. Raha potraka ny tokatrano dia ny aminareo roa ihany koa.

Raha bangoina dia mifameno ireo hevitra ireo ary mifanarakara. Izay manambady dia manan-kavana ary ireo havana dia izay havana izay fa tsy vady akory!



11. xxxy ( 13/08/2010 17:41)

Djhamhal:

Misy fitenin-tsika malagasy manao hoe: Tiana ny vady fa ny havana tsy azo ariana ! nefa misy koa ny hoe: Vitam-bady tsy vitan-kavana ! aôna ny fandraisanareo an'io ???


Tiana ny vady fa ny havana tsy ariana = resaka fananana
vitambady tsy vitan-kavana = resaka sexe
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1414