Fanadinoana

1. Ratoa ( 14/05/2010 22:46)
"Sarotra inoana ny tena fisian'ny fanadinoana
Fa ny fanadinoana dia tena tsy iniana
ka sarotra antsoina"
DOX

Ahona ny hevitrareo momba izany?
novalian'i soanja ny 02/06/2010 10:43
2. ikaretsaka ( 14/05/2010 23:20)
amiko dia marina ny azy
3. soanja ( 15/05/2010 04:28)
Indro misy andalana notsongaiko momba ny fanadinoana.

"....


Tadidio hatrany fa tsy hanadino anao ny tany izay nitsahanao ary ny rivotra izay nisafo ny volanao. Satria miaina ianao noho izany sady hanadino ianao no hahatsiahy koa. Soanja.

Ilay tsiahy miserana dia ho fifaliana, fa ny lakilen'ny fanadinoana kosa dia ho sikajin'ny hatsarana.- Elbert Hubbard

Mila miezaka mafy aho mba tsy ho voafatotry ny lasa. Izay no isany hanadinoako ny hirako.- Mick Jagger

Ezaho hanan' ivo ny momba anao, hanome fahafahana ireo fihetsem-po hiloatra... saingy aza hadino fa rehefa izay dia hiseho hetsiky ny fanahy sy ny vatana Kareem Abdul-Jabbar.

Ilainao ny hanadinoana an'ity ry Valalatsimandandy harona. Isaky ny handrotsaka ny baomba ianao, dia ny Valalabemandry no ho voanao. Barry Goldwater

Adinontsika fa iray ihany ny fiodin'ny rano sy ny fiodin'ny fiainana. JJ Cousteau


Aza hadino fa ny trondro maty ihany no milomano manaraka ny valanan-drenirano. M Muggeridge.

Ny fomba hanadinoana ny tena dia ny fifantohana amin'ny tontolo misy ao anaty fitandremana sy fitiavana. Red Auerbach

Misotro aho mba hanadino ny fisotroako. Joe E. Lewis

...."

Ny hevitro?

Miankina amin'ny zavamisy tsapa na tsy tsapa no isian'ny fanadinoana ho hantsoina tsy hamaly na ho tonga ka nasesiky ny razana.
4. niryna ( 17/05/2010 18:22)
Raha resaka fanadinoana amiko dia maro karazany ny mety mahatonga izany.
Ny olona tsy ampy torimaso dia mora manadino ,rehefa maika lava dia tsy misaina indraindray dia lasa mandeha amin'izay tsy alehany ny zavatra na apetraka tsy nahy any amin'izay tia ametrahana azy ny zavatra kanefa rehefa milamina tsara iny ny saina dia tsy ita ilay nasiana azy.
Raha milamina lava izany ny saina dia mora afaka ilay fanadinoana fa raha mirotoroto dia adino daholo izay natao na zavatra napetraka tamin'ny toerany
ohatra ireo fa mety mbola misy maro

misy koa anefa aretina.
Raha ny fiainana andavan'andro no ilazako izany fanadinoana izany dia izao no mety hitranga ary mety ho fomban-javatra mitranga ary mety ahazo ny rehetra.
Manadino ny anaran'olona na toerana nandehanana ,na ny fanalahady na ny poketra sns
Misy zavatra nianaranao koa izao kanefa dia adino indray avy eo
Manadino ihany koa ny zavatra izay natao na napetraka ka tsy any amin'ny
fitoerany no ametrahana azy
Mety manadino ihany koa ohatra raha sendra misy tranga-javatra tsy nampoizina dia lasa mi-panic avy eo dia adino
Misy zavatra nahafinaritra ahy kanefa tsy tiako intsony iny dia lasa mety ho a dinoko ihany koa.

Raha toa kosa ka ireto no mety hitranga dia mety ho aretina ilay izy
Manadino ny anaran'ireo olona akaiky anao
Ny zavatra vao natao teo no ho eo
Apetraka any amin'ny toerana tsy tokony ametrahana azy ny zavatra(ohatra hoe fihogo dia atao ao anaty fitoerana vilia na frigo
Izay zavatra tena tiana atao dia lasa tsy manao an'iny intsony hianao (tsy mahaliana anao tampoko teo )

Amin'ny fiainana andavan'andro koa anefa raha resaka fivavahana no itondrako azy dia mora ny mamela fa sarotra ny manadino raha sendra tranga javatra mitovy amin'iny ny tena. (mamerina ilay zavatra nifonany dia lasa mora ny mitadidy ilay nataon'ilay olona)
Samy miezaka manadino ny ho avy isika indrindra raha misy toetra ratsy nataontsika ka miezaka ny tsy amerina intsony ,mora adino ilay izy raha tena ao anatin'ny fontsika no anao izany ka tena mibebaka sy mifona ny tsy amerina an'iny intsony ,toy ny famelana heloka ny olona nanao ny tsy mety tamintsika,isika ihany no miezaka manadino izany dia mangataka amin'Atra mba omeny fo anao izany ary dia adino ilay izy .
Fa raha mamerina izay tokony tsy atao intsony dia miverina ho fitadidiana ilay izy fa tsy ho fanadinoana
izay no mba fantatro
5. Ratoa ( 01/06/2010 22:24)

iverenako ary ilay lahatsoratra nosoratan'i Dox: "sarotra inoana ny tena fisin'ny fanadinoana fa ny fanadinoana dia tena tsy iniana ka sarotra antsoina."
Ny fanadinoana izany dia tonga ho azy . Tsy iniana izy ary tsy antsoina. Tsy ezahana ka arakaraky ny iantsoina azy no toa vao mainka mampihizinginzina azy. Ohatran'ny toa vao maika ianao mahatsiaro na mitady izay tianao ho hadinoana. Rehefa migadona anefa izy, na dia ny endrika na ny anaran'olona (ohatra) nifanerasera be taminao aza adinonao. Ny antony? tsy dia nisy dikany taminao loatra ny fiarahana taminy na ny fisiany fa navalon'ny andro syny taona niaraka tamin'ny fotoana izay nolalovanao izy.
Ny fanadinoana izay iniana izany dia tsy misy (sarotra inoana hoy i DOX).
Tena misy anefa izy. Ny olombelona dia manadino ny tranga rehetra sy ny olona izay t
6. Ratoa ( 01/06/2010 22:38)
Tapaka tampoka fa ho tohizako.

Hoy aho:
Ny olombelona dia manadino ny tranga rehetra, eny na dia olona tahaka azy aza, izay tsy dia nisy dikany loatra teo amin'ny fiainany, na tsara izany tranga izany na ratsy, sy izay rehetra manelingelina ny fiainany. Na dia zavatra nianarana izao aza, na dia zavatra eny ampelan-tànana izao aza dia adino satria tsy ilainao izy eo amin'io fotoana anadinoanao azy io, zavatra hafa izay manandanja kokoa amin'io fotoana io no tsy maintsy sahanina ka adino - ny marimarina kokoa natao an-kilana ilay fikasana na ilay zavatra noeverina teo amboalohany.

Maty harika hoy ny sasany......angamba!!! Ny ati-doha anefa dia tsy mivesatra izay tsy ilainy havetrany - ny ati-doha no mibaiko ny hetsika rehetra - satria voafetra ny habetsan'ny zavatra tahiriziny sy azony sahanina.

Ny zavatra mikasika an-dRaolombelona akaiky dia ho tsaoroany mandramaty....

Tohizo fa reraka aho ka manomboka manadino izay tiako ho lazaina
7. soanja ( 02/06/2010 10:43)


"... tsy iniana
ka sarotra antsoina"
DOX



Raha ny hevitr'i Dox no halalinina eto dia io teny "sarotra antsoina" io mitondra ny rehetra raha ny fahitako azy.

Te hanadino izy saingy tsy afaka nefa koa tonga ho azy eo ilay fanadinoana rehefa izay. Zany hoe ny fanirianao eo no ho eo no tsy tanteraka fa raha omenao fotoana ilay faniriana dia ho avy tokoa. Ny fotoana izany no mahasarotra azy ary hisy aza ny fiantsoanao izany fanadinoana izany foana dia tsy hanome anao fahafaham-po mihitsy, zany hoe ny tsy hanadino izay tianao hadinoana ianao.

Miankina amin'ny tsirairay anefa izany. Misy ny mora manadino ary misy ny be fitadidiana. Ny mora koa anefa dia miankina amin'ny hoe marary ve ilay olona ka manadino lava sa tsy manisy olana loatra amin'ny fiainana izy ka zary mamela ny tenany hiaina ny androany sy ny ho avy. Ny fifamelana raha nisy fifandraisana tsy lavorary teo amin'ny olona roa na maromaro dia isany manampy izany. Tsy mitazona am-po na tsy to fo, hoy ny gasy. Izay mora fo izany amin'io fotoana io no hanana ny filaminan-tsaina indrindra.

Ny be fitadidiana kosa dia ireo izay miezaka lalandava mampiaina ny momba azy fa hoe ny akon'ny lasa no mamelatra ny ho avy. Na fitiavana io na fiainana tsotra. Izay atao rehetra dia jerena tsara sy alalinina tsara mba ho tadidy. Izay nandalo dia mitoetra. Ireo no mahita tokoa fahasahiranana rehefa te hanadino satria izay niainana dia zava-dehibe avokoa ary misy fiantraikany amin'ny fihetsem-po isan-karazany izay mamitrana ny ho avy.

Raha amin'izao fotoana mampidangana ny fisian'i Alzheimer izao amin'ny tontolon'ny fandrosoana dia betsaka no tsy hiantso akory ny fanadinoana dia higadona izy sy han dom-baravarana tsy satry, hanary ny momba anao, handio ny lotika. Ireo niainana akaiky ihany anefa matetika tamin'io fotoana io no hohadino fa ny lasa nitoetra afaka mbola hiveranana tsara.

Tsoaka, izay tsapa ka nampisaina sy namoha fihetsem-po dia hitamberina tokoa fa ireo izay nodinganina noho ny fahamaikana sy ny antony maro hafa dia ho voafafa satria ny atidoha dia miara miasa amin'ny fontsika lalandava.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7151