ASTHEM NA SOIKY

1. NDINDY ( 14/05/2010 13:05)
INONA NO FANAFODY SOIKY (ASTHEM) FA MIHETSIKA NY ARETIN-JANAKO. MIKOHAKA BE SADY TERA-TSEMBOKA BE IZY REHEFA AMIN'NY ALINA.
novalian'i Maranatha ny 19/08/2011 10:55
2. xxx ( 17/05/2010 12:06)
Manatona dokotera aingana.
3. bobone ( 09/06/2010 06:24)
tena aretina mahasosotra io aretina io ! manantona Dr aloha dia hita eo !!! misy mantsy fanafody calment fotsiny omeny ex aminophilline ,predonisolone, sns e! manantona aloha !
misy mantsy allergique n-javatra no mahatonga ireny ! na vovoka izany , na fofona bobongolo , sigara, sns e! misy koa rehefa miova ny toetry ny andro dia efa mihetsika izy !!! na faly koa na sosotra be dia efa mampihetsika azy koa ! ka mila fantarina daholo izany rehetra izany!
izay e! manantona DR an!
4. ttittie ( 15/07/2011 19:02)
bjr daholo ny zanako koa asthmatique efa ho valo taona fa tsy mety sitrana tanteraka fa misy indro kely foana ny toro hevitro dia ny manantona allergologue fa ireny no tena mahay
5. Maranatha ( 19/08/2011 10:55)

Izaho indray asthmatique( hoy ny dokotera) nadritra ny fahazazako, Theofar + no fanafody fihinako, tsy sitrana mihintsy aho, taty aoriana vao fantatro fa rhinites allergiques no nahazo ahy ka rehefa misy vovoka be tafiditra any an'orona dia marary, na misy fofona manitra na maimbo, na rehefa mangatsika. Ny hahafantarana azy dia mievina matetika, taty aoriana dia izao indray no fanafody nataoko Celestamine no ho haniko (manamaina ny rehoka ao an-tratra io ka mampijanona ilay sempotra) avy eo hosorana pommade ravintsara ao anaty orona (hesorina tsara ny lelo) atao in-telo isan'andro. handramo fa efficace be.

Ny zanako(2 taona to ho eo) koa nanao sempotra foana hoatr'izay fa ravina tain-delo tsinoa (izay no filazan'ny olona avy any vakinankaratra azy) io no natao tambavy ho azy dia nandritra izy narary iny no natao fisotrony dia sitrana izy tsy niverina intsony ilay sempotra.

Ka mila fantarina tsara aloha ilay loharanon' aretina hoe tena asthme ve sa allergique sa sinusite

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1367