Fomba mahazatra ve

1. saho ( 05/03/2010 18:08)
Sendra mba nandinika za hoe ahoana no fomba mahazatra ny fifandraisan'ny namana eto, ao misy mitady namana tsotra, ao ny mitady date, ao ny mifandray @ lalidalina kokoa

Dia ahoana ny fiafaran'ireo sokajy telo ireo ary iza no tena maharitra
Raha ny expérience tsotra hitako dia namana tsotra no tena maharitra sady mahafinaritra

Mba misy afaka manao commentaire ve eto hoe inona avy ny expérience azonareo eto
Na namana andafy na namana gasikara...
Ny fihavanana hono dia toy ny voninkazo ka raha tsy kolokoloina dia rava ho azy, na ny fanomezana izany na ny fandraisana...

Kolokoloina dia tsy mety rava, fa raha tsy izany dia rava maina

Bonne continuation!!!!

novalian'i sipagasy ny 09/03/2010 20:47
2. sitlo ( 05/03/2010 19:41)
Ehhhh! isakarazany mihitsy no eto fa tsy ireo fotsiny. Ao ny tena mahafinaritra dia ao ny tena mahasoso-kapa. Fa ny omby indray mandry hono tsy indray mifoha ka ny tsara amiko mety ho ratsy amin'ny hafa.
3. soanja ( 07/03/2010 18:03)
saho:

Sendra mba nandinika za hoe ahoana no fomba mahazatra ny fifandraisan'ny namana eto, ao misy mitady namana tsotra, ao ny mitady date, ao ny mifandray @ lalidalina kokoa

Dia ahoana ny fiafaran'ireo sokajy telo ireo ary iza no tena maharitra
Raha ny expérience tsotra hitako dia namana tsotra no tena maharitra sady mahafinaritra

Mba misy afaka manao commentaire ve eto hoe inona avy ny expérience azonareo eto
Na namana andafy na namana gasikara...
Ny fihavanana hono dia toy ny voninkazo ka raha tsy kolokoloina dia rava ho azy, na ny fanomezana izany na ny fandraisana...

Kolokoloina dia tsy mety rava, fa raha tsy izany dia rava maina

Bonne continuation!!!!




Isankarazany tokoa ny antony idiran'olona amin'ny sehatra toy izao. Ary isan-tokony ny fisehony any amin'ny rehetra rehetra any rehefa mifandray.

Na tsy eto aza fa na ny Facebook dia ahitana tokoa io fivoatran'ny fifandraisana samihafa io ka na ilay olona nihevitra ny tenany hanao fifandraisana tsotra aza dia tafiditra ao anaty safotofoto indraindray raha tsy mahalala manisy fetra ny tokony hisy azy sy ataony. Olan'ny olombelona mantsy io fahafantarana ny antonona io satria ny saintsika dia mitaky ny ambonimbony kokoa matetika ahitana fafinaretana, hatraiza anefa izany amin'ny hafa hifandraisanao?

Mitady namana ve aho eto? Firy ny namana tadiaviko? raha mihoatra ny zato ny namako eto dia hinoako fa tsy hahavita hikarakara izany olona zato izany ny saiko indrindra raha mbola manana adidy amin'ny tokatrano, fiaraha-monina sy ny firenena ny tenako.

Ny mahalala ny atonony afahanao mivoatra ihany no tena zava-dehibe ka hanatsaranao ny tontolo iriavana. Tiako ny namako ary koloiko izy ireo satria sarobidy amiko amin'ny mahaizy azy. Tsy manantena valiny avy any aminy anefa aho satria fantatro fa mety tsy hanana tanjona mitovy amin'ny ahy ny azy. Manaja ny momba azy ireo aho ka na hevitra na fomba fanao dia aoka hitsimbina azy ireo ny momba ahy!

Tsara ny mifandray fa ny fetra amin'ny tsirairay no tsara indrindra fantarina dia milamina ny rehetra satria io no fiarahamonina na eto amin'ny aterineto na any amin'ny fiainana andavanandro.


4. Djhamhal ( 07/03/2010 18:45)
amiko mety daholo ny fifandraisana eto ! misy ny mahita vady , namana , sipa, olontiana ,havana; sns.... misy koa aza ny mifanehitra ¨@ rafiny eto! hi hi hi !!!fa amiko ny fifanajana no zava-dehibe tokony ho tandrovina eto! satria dia anisan'ny seha-panabeazana sy fampizarana ny traikefam-piainana ihany koa ny eto!
5. Ratoa ( 07/03/2010 22:39)
! misy ny mahita vady ,, sipa, olontiana ,; sns..
amin'ny fomba ahoana koa? fitiavana virtoaly izany? sa ve hoe rehefa hitako fa tsy mpiady amiko eto i Djhammal na i soanja dia omeko rendez-vous any ho any. Fa angaha hono ampy ny tsy mifamaly an-tsoratra? rehefa manoratra anie na dia ireny be vava be ireny aza tsy maintsy mifehy tena é!!!!
Izany hoe tsy tena ilay olona iny no hitanao eto.
6. xxx ( 07/03/2010 23:38)
(l) (l) (l) Ity internet ity tena mampijangajanga mihitsy ka! toa raiki-pitia be hoa azy @ olona tsy fantara izany ianao hihihih na ny efa manambady ary mody manao celibataire ary @ facebook tena feno hihihihhihi
7. Djhamhal ( 08/03/2010 12:40)
amin'ny fomba ahoana koa? fitiavana virtoaly izany?

mazava sy marina be io ! fa ao ambadika ao ary dia efa misy mitady vady kou ! :lol: :lol:
xxx5I
ty internet ity tena mampijangajanga mihitsy ka! toa raiki-pitia be hoa azy @ olona tsy fantara izany ianao hihihih

mijangajanga virtoaly io r'sé â! :-D :-D :-D :-D
8. Mirananirina ( 08/03/2010 14:11)
Voalaza teo :
amin'ny fomba ahoana koa? fitiavana virtoaly izany?

mazava sy marina be io ! fa ao ambadika ao ary dia efa misy mitady vady kou !
xxx5I
Voalaza teo :
ty internet ity tena mampijangajanga mihitsy ka! toa raiki-pitia be hoa azy @ olona tsy fantara izany ianao hihihih

mijangajanga virtoaly io r'sé â!
:-D :-D :-D
9. ni81 ( 09/03/2010 09:31)
Ity internet ity tena mampijangajanga mihitsy ka! toa raiki-pitia be hoa azy @ olona tsy fantara izany ianao hihihih na ny efa manambady ary mody manao celibataire ary @ facebook tena feno hihihihhihi
angaha ianao efa tratran'io? :lol: :lol:
10. sipagasy ( 09/03/2010 20:47)
io amiko dia arakarak'ilay tadiavin'ny tsirairay ihany e! raha mitady vady ianao dia marina mety hahita tokoa na dia virtoaly aza no niandohan'ny tantara, ary raha hitady mpiara-miasa koa dia tena ahitana ny aterineto, ary mety ahitana olona efa tsy taza-maso hatry ny ela ihany koa itony seha-pifandraisana itony, koa anjarantsika izany no mamaritra hoe inona ny tanjoko eto? hitazatazana sa hikatsaka?!

mahereza daholo e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2411